Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2018

28 Febroary 2018

Migadona Ao Taiwan Ny Big Issue

Taiwan no firenena faha-9 mamoaka Ny Big Issue. Ankoatra ny resaka fototra ao, mamatsy hevitra hahafahan'ny olom-pirenena manampy ny sahirana ihany koa izy. Kanefa tsy mitovy amin'ny fanomezana, fa mampandray andraikitra ireo sahirana sy mampahaleo tena azy ireo koa

Taiwan: Ireo Tranobe Fivavahana – Fomba Iray Hitrandrahana ny Fomba Fifangaraon'ny Kolontsaina

Mamitaka ny endrika malazan'ny kolontsaina marolafy ho toy ny raritakelaka, salady iray lovia ahitàna ireo kolontsaina samihafa mifangaro nefa samy mitazona ny fahamendrehany manontolo,

Maraoka: Hajj sy Vodka, Fez ilay Fifanolanan'ny Fotoana, Ary Ireo Antony Folo Voalohany Hanivanan'ny Maraoka Telecom

Manontany ny antony anivanan'ny Maroc Telecom? Inona no mampiaraka ny hajj sy ny vodka? Ahoana no ataonao mba hivoahana any an'habakabaka? Manana ny valin'ireo fanontaniana ireo i Jillian York ary maro hafa tao anatin'ny fitetezana ny blaogy Maraokana.

Topi-maso Mahafinaritra Mikasika Ny Fiainan'ny Rajako Shimpanzee Malaza Tao Japana Talohan'ny Ady

"Tamin'ny taona 1930, Rita, Shimpanzee no iray amin'ireo biby malaza indrindra ao amin'ny Zoo Tennoji."

24 Febroary 2018

Ejypta: “Fifaninanana Tsy Azo Ihodivirana Momba Ny Sary Amboarina (Photoshop) Misy An'i Mubarak

(2010) Satria nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana ny fifampidinihana Fandriampahalemana 2010 - eo amin'ireo mpitarika avy any Israely, Palestina, Jordania, Ejipta ary Etazonia - efa naneho fisalasalana sahady amin'ny vokatr'izany, sy ny fandraisana anjaran'ny filoha Mubarak (izay matetika kinendrin'ny fihetsiketsehana ao amin'ny firenena) ireo bilaogera Ejypsiana.

22 Febroary 2018

Ejipta: Fahatsapan'ny Firenena Iray

Manana tolona hafa amin'ny ambasadaoro Israeliana sy Amerikanina ao an-toerana ireo mpianatra Ejipsianina, miaraka amin'ny fijerin'izao tontolo izao mifantoka any Annapolis. Nandika avy amin'ny teny Arabo i Eman Abd Al Rahman.

21 Febroary 2018

Korea: Ireo Orinasa Mpampindram-bola sy ny Dokambarotra

Sahirana ny media mitatatata momba ny zanabola 66 isanjato isan-taona. Tsy sarotra ny mahatakatra hoe ambony be izany raha toa ka olon-dehibe mahaleo tena. Olondehibe afaka mitsara sy mitondra tena tsy miankina na amin'iza na amin'iza ianao. Aza manome tsiny ny hafa amin'ny tsy fahampian'ny fahaizanao mitsara

20 Febroary 2018

Macedonia: Sakura – Cherry Blossom Celebration in Skopje …………Makedonia: Sakura – Firavoravoana Fa Vaky Felana Ny Serizy

Na dia vitsy aza ireo Japoney miaina ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia, maro ireo mponina ao an-toerana no nandray anjara tamin'ny fety faharoa fankalazana ny Sakura isan-taona - fety natokana ho an'ireo voninkazon'ny serizy ao Skopje, renivohitr'i Makedonia. Nampidirin'ireo mpikarakara ny fety ireo dojos fanaovana fanatanjahantena haiady, ary vao haingana ireo...

Makaô: Ireo Fihobiana Masiatsiaka Mandritra Ny Matson'ny Fanilo Olaimpika

Tsy toy ny tany amin'ireo firenena hafa nolalovany, tsiky fotsiny no azon'ny Fanilo Olaimpika androany tao Makaô, ny dingany farany mialoha an'i Shina Tanibe. Efa nahavita nitondra ny Fanilo manerana ny tanàna tsy nisy mpanakantsakana ireo mpihazakazaka. Mifanohitra amin'izay kosa, tamin'ny alalan'ny fanofahofana ireo saina dia tena notehafan'ireo mpijery ilay...

18 Febroary 2018

Taiwan: 26 Aprily 2008, Andro Mahazatra No Sady Andro Manokana

Mpakasary miisa 190 nanerana an'i Taïwan no nandray ny fakantsarin'izy ireo ary nanindry ny bokotra fakàna sary mba hanao fandraiketana ny 24 ora mikasika an'i Taïwan.