· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2012

Kolombia: Sarotra Be Ny Miteny Espaniola Ary Misy Hira Miresaka An'izany

  28 Febroary 2012

Hira momba ny olana amin'ny fitenenana ny teny Espaniola no mamehy ny marina na ho an'ireo teraka tao anatin'izany ary hatramin'ireo miezaka ny hianatra ilay teny. Am-boninahitra, ireo Kolombiana manoratra tononkira sady mpisehatra, Juan Andrés sy Nicolás dia manazava ny fifanjevoana izay entin'ny fiovaovan'ilay teny isaky ny faritra.

Porto Riko: Sary 365

  26 Febroary 2012

Manapika sary iray isan'andro tao anatin'ny roa taona ny mpaka sary José Rodrigo Madera [es], ary anatin'ny tetikasany antsoina hoe "365" izany. Ny namany ao amin'ny Facebook ihany no nahita ny sariny mandra-pamoakan'ny gazety-boky Revista Cruce [es] sary 20 amin'izy ireny ho ankafizin'ny rehetra.

Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana

  25 Febroary 2012

Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany,  nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy ireo At the drop of a Heartbeat nandefa sary sasany misy ireo hetsika lehibe nandritra ny Fetibe Alatsinainy sy Talata : Globewriter vao...

Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina

  24 Febroary 2012

Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao  amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny  fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...

Ny Fiara Kodiaran-telon'i Azia Atsimo Atsinanana

  22 Febroary 2012

Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.

Arzantina: Namoy ny Ainy Ilay Mpanakanto Luis Alberto Spinetta

  11 Febroary 2012

Luis Alberto Spinetta, “El Flaco“, iray amin'ireo mpiangaly rock malaza ao Arzantina, namoy ny ainy tamin'ny 8 Febroary 2012, noho ny tsy fahasalamany; tratran'ny homamiadan'ny havokavoka i Spinetta, natao fizahana tamin'ny volana Jolay 2011 izy. Nanjary fanta-bahoaka ny nahazo azy, tany amin'ny faramparan'ny taona iny, nandefa taratasy  mampientam-po tamin'ireo mpankafy...