Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Novambra, 2016
Mafana Fo Te-hanangana Tsangambato Ho an'ilay Mpanao Ratsy Malaza Indrindra Anty Sarimihetsika Any Rosia
Mafana fo Rosiana nanangona vola hananganana tsangambato ho an'i Sergei Bodrov Jr., ilay mpiantsehatra nilalao ny toeran'ilay maherifo, Danila Bragof, tao anatin'ilay sarimihetsika "Brat".
“Zava-Poana Miloko Volamena”: Artista An-Dalamben'i St. Petersburg Maneso Ireo Mpiasam-Panjakana Ambony Mandefa Ny Zanany Any Ampitan-Tsisintany
Nanomboka nanangana ny asakantony tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity ilay mpanakanto Rosiana iray izay tsy fantatra anarana fa antsoina amin'ny solon'anarana hoe Hioshi ary fantatra tamin'ny fampirantiana asakanto madinika teny an-dalamben'ny Saint Petersburg. Mampiseho manampahefana Rosiana maro apetraka ao anaty fitotoan-kena miloko volamena ny “Golden Ridicule (Na, Mba Ento Ny Zanako)"; mitrotro zazakely vao teraka ny iray tamin'izy ireo
Ao Amin'ny Amerika Vaovaon'I Trump, Hanorina Ny Rindrin'ny Fitserana i San Francisco
Tafa sy dinika tamin'ny iray amin'ireo mpikarakara ao ambadiky ny tetikasa fiaraha-miasa "Rindrin'ny Fitserana" any San Francisco, izay manome fitsaboana faobe taorian'ny fotoan'ny fifidianana izay nampisara-bazana sy nampifanenjana.
Velona Ao Amin'ny Aterineto Ny Taompolo 1990 Tao Japana Noho Ny Sangan'asan'ny Lehilahy Iray
Manome topi-maso mahafinaritra momba ny fiainana tao Japana nandritra ny taompolo 1990 ny tranonkala goavan'i Lyle Hiroshi Saxon.
Ahoana no Fomba Hiarovana ny Fomba Nentin-drazana sy Hampitàna Izany Amin'ireo Tanora Maliàna Amin'ny Alalan'ny Aterineto
"Ny tanjona tratrarinay dia ny hitahiry sy hampiroborobo ireo lovan'ny kolontsaina manankarenan'ny maliàna, ny teny, ny hita maso sy ny tsy hita amin'ny alàlan'ny Teknolojia Vaovaon'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana"
Manasongadina ny Olana Fototry ny Tsy Fahalalàna Tantara Ny Fitafian'Ilay Tarika Mahalefaka Japoney Mitovy Amin'ny Fanamian'ny Nazi
Noheverina ho mahafinaritra tamin'ny voalohany ireo fitafiana iraisan'ny Keyakizaka46 niatrika ny Halloween. Saingy nisy ny olona nanamarika fa mitovy amin'ny fanamian'ny Nazi ireo fanamiana ireo. Ampy na tena izy ve ny fialantsiny?
Manao Sary ireo Herisetra Niainany Teny Amin'ireo Arabe Pakistaney i Shehzil Malik
“Seeing a woman outside should be normal...It shouldn’t matter. But the fact that it does means this conversation needs to happen." / ''Tokony zavatra tsy mahatalanjona ny mahita vehivavy any ivelan'ny trano... Tokony tsy hanahirana izany. Fa ny zava-misy dia midika fa mila mitranga ity resaka ity.
Vao 7 Taona, Namoaka ny Bokiny Voalohany Ilay Ankizivavy Afrikana Tatsimo Michelle Nkamankeng
Ny "Miandry onja" dia milaza ny tantaran'ny zazavavy miala sasatra miaraka amin'ny ray aman-dreniny any amoron-dranomasina. Boky voalohany amin'ireo andiany efatra ny boky.
Keywan Karimi ao Iran: Mpamokatra Sarimihetsika Sady Artista Graffiti
Miasa ambanin'ny fandrahonana hampidirana azy am-ponja noho ny fanatontosana ny sangan'asany , nanova ny toe-javatra sarotra ao amin'ny fanatsaran'endrika (estetika) ilay Iraniana mpanatontosa sarimihetsika Keywan Karimi.
Sary-sy-Soratra Mampitokelaka Nahatonga Fanentanana Fitia Tsy Mba Hetra Ho An'ny Kilonga Ao Ghana
"Maro tantara ny milaza ny fomba namonjen'ny "fitia tsy mba hetra" olo-maro avy amin'ny fahasarotana. Fa ny tena mampientanentana kosa dia rehefa lasa nivadika ho tantara mahafinaritra ny sary-sy-soratra miiba sy mampitokelaka.."