Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Marsa, 2022
Fijerin'ny Kôlômbiàna ny vokatra ‘Encanto’ an'ny Disney
"Ny lafy tsara amin'ny fijery an'ilay firenena tian'ireo Kôlômbiàna hanànany" no asongadin'ilay sarimihetsika.
Tanora Montenegrin mamoaka hira manohitra ny ady, ho an'ireo ankizy ao Okraina
Hira sy lahatsary navoakan'ny orinasa media Vijesti izay mampiasa azy ireo ho fampiroboroboana ireo hetsika ho an'ny maha-olona hanampiana an'i Okraina.
Mozika amin'ny fotoanan'ny ady: Hira ho toy ny endri-panoherana Okrainiàna
Ao anatin'ny fananihambohitra Rosiàna ao Okraina, ao afovoan'ilay fifandonana ny kolontsaina sy ny maripanondroana. Anatin'io toejavatra io, niakatra lampihazo ny tarika okrainiàna "Okean Elzy" mba hanainga fanahy ny fanoheran'ny Okraniàna
Hira maneho ny feon'ny vahoaka voarara any Nizeria sy Ogandà
Niafara tamin'ny fanasaziana sy/na fandrarana azy ireo tanteraka Ireo hiran'ny tarika sy mpitendry mozika malaza voarara ireo, na dia neken'ny manampahefana tamin'ny voalohany aza.
Mitondra taratry ny fanantenana ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny boky fitsipi-pitenenan'ny teny Mro voalohany
Tamin'ity taona ity, zava-nisongadina tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny ao Bangladesh ny famoahana ny boky fitsipi-pitenenana voalohany nosoratana tamin'ny teny Mro, fiteny indizeny iray tandindonin-doza.
Olomangan'ny hira feminista manerana an'i Afrika ho fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy
Na miteny hanohitra ny fanararaotana ara-nofo, ny didipoitram-behivavy (FGM), ny fankalazana ny maha-lahy sy maha-vavy, na ny fampiroboroboana ny miralenta, ho an'ireo mpihira Afrikana feminista ireo, ny mozika no fitaovam-piadiana faratampony indrindra.
Inona moa ny dikan'ny “Tontolo Rosiana” ambaran'i Potinina momba an'i Okraina?
Ahitana izao fomba fiteny manandanja izao matetika ny fanambaran'i Vladimir Potinina sy ireo lehibe faratampony manampy azy momba ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina: “Русский Мир” (Russkiy mir). Ny dika ara-bakintenin'ity fehezanteny ity dia hoe “tontolo rosiana”