Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Septambra, 2018
Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?
Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe "tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS" i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.
Fankalazana ny Ashura manerantany
Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala izy ireo. Tonga amin'ny fara-tampon'ny Ashura, andro fahafolo amin'ny volana ny lanonana fisaonana.
Nisokatra ny fisoratana anarana tamin'ny loka ‘Best of the Blogs’ (Bilaogy Tsara Indrindra)
Nikarakara ny fifaninanana iraisam-pirenena fanao isan-taona fahaenina amin'ny loka Bilaogy Tsara Indrindra 'BOBs' ny Deutsche Welle. Tamin'ity taona ity dia nisy loka vaovao ho an'ireo bilaogera tsara indrindra niresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny sokajy vaovao ho an'ny fiteny Bangla (Bengali) ihany koa.
Ao Syria, mampiasa ny zavakanto ho toy ny fitaovam-piadiana ny mpanohana ny fitondrana
"Hatramin'ny andro niandohan'ny revolisiona, nanindrahindra sy nanandratra ny fanjakana miaramila ny fitondrana Syriana. "
Fitetezana Ny Tontolombolongana Libiana: Rock Frantsay Ao Tripoli Ary Ny Ambasady Amerikana Ao Anatin'ny Trano Iray Fisotroana Kafe
Tena tsy tapaka mihitsy ireo fifandraisana Frantsay-Libiana, indrindra indrindra fa resaka kolontsaina sy fanabeazana, na dia nandritra ireo taona "mafy" nisian'ireo sazy aza. Ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Frantsay, na dia tsy misehoseho aza, ao afovoan-tanànan'i Tripoli, dia manohy ny asany foana miainga avy amin'io fototra io, manolotra fampianarana teny sy trano famakiamboky hatramin'izay ela indrindra nahatsiarovako saina.
Kolombia: Fankalazana ny Jiro sy ny Labozia
Día de las Velitas (Andron'ny labozia), fantatra koa hoe Día de los Alumbrados (Andron'ny fahazavana), dia fankalazana nentim-paharazana ao Kolombia ho fanomezam-boninahitra an'i Maria Virijiny sy ny Immaculée Conception.
Egypta: Wikimania 2008 | Alexandria
Nosafidian'ny mpitsara Wikimania ho mpandresy manoloana ireo mpifaninana miavaka roa hafa, Atlanta sy Cape Town i Alexandria.
Armenia: Eurovision be fanantenana
Na dia heverin'ny ankamaroan'ny mpijery any Eorôpa fa vazivazy aza, dia tsy misy isalasalana fa ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena Eurovision dia raisina am-pahamatorana tanteraka ao atsimon'i Kaokazy izany. Raisina ho ny fotoana tsara indrindra hanehoana ny kolotsain'ny firenena sy ny maha-izy azy,
Ejypta: Ny Andian-tantara Mpanjaka Farouq
Raha nitsidika ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana ianao tato ho ato, dia mety hitanao ny resabe manodidina ny mpanjaka farany Ejypsiana Mpanjaka Farouk; ary tsy mahagaga, satria ny tantara mitohy "Mpanjaka Farouk", nosoratan'i Lamis Jabber, dia nalefa tao amin'ny fantsona zanabolana MBC1.
Ahitan-javatra mihitsy ny milina mpivarotra ao Japan—pizza sy tampontsatroka indray no malaza tamin'ity indray mitoraka ity
Efa misy milina iray mpivarotra isaky ny olona 23 any Japan fa dia mbola talanjona hatrany ry zareo.