· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Desambra, 2009

Rwanda: Video-an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo

Misy video mitohitohy napetrak'i kdarpa ao amin'ny YouTube, izay manasongadina ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona nihaona tamin'izy ireo nandritra ny fandalovan'izy ireo tany Rwanda sy niarahan'izy ireo niasa tamin'ny mponina tao an-toerana.

31 Desambra 2009

Amerika Latina: finoana, matoatoa, devoly ary tahotra.

Manan-karena tokoa i Amerika Latina raha ara-tantara: ny angano sasany dia tonga aty amintsika avy any Incas, Mayas na Aztecs, ary ny sasany dia azo tamin'ny fanjanahan-tany tany Eoropa. Amin'ny tapany voalohany amin'ity lahatsoratra avy any Amerikana Latina ity, hitety ireo lovan-tsofina sy angano malaza indrindra toa an-dry Llorona, ny Cegua, ny Cadejos ary ny "Evil Light" isika.

27 Desambra 2009

Ejipta: Synagoga potika…Synanjavona

Tamin'ny taona 2008 dia tojo trano fivavahana jiosy iray i Moftasa, synagoga zary lasa foiben-toeran'ny Antoko Demokraty (National Democratic Party) mitondra any Ejipta amin'izao fotoana. Ny tena mahavariana dia hoe...

26 Desambra 2009

Sarimihetsika 3D Kolombiana mivoaka amin'ny aterineto

Taorian'ny herintaona niasana mafy, dia nahavita sarimihetsika fohy ireo orinasa Kolombianina roa, mitantara ny fitiavana voarara eo amin'ny otrikaretin'ny gripa sy ny sela fotsy ary maniry ny hizara azy maimaim-poana amin'ny izao tontolo izao amin'ny fampisehoana azy voalohany amin'ny aterineto.

21 Desambra 2009

Peru: Tonga ao Lima ny Cow parade

Rakotry ny sarin'ombivavy mivongana mitovy habe amin'ny tena izy ireo zaridaina sy toerana natao ho an'ny daholobe ao Lima, ny Cow Parade izay mahavita mampiranty asa 80 samihafa mba ho fanangonam-bola ho ana fikambanana maro.

01 Desambra 2009