Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2019
Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok

Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.
Nosafidian'ny BBC ho iray amin'ireo vehivavy 100 nanana herim-panintonana indrindra ilay vehivavy Thailandey moanina Theravada
Nifanehitra tamin'ny fanoherana avy amin'ny laika sy ny moanina izay manohitra ny fanokanana ny vehivavy ny ezaka nataon'i Dhammananda hanangana indray ny fitohizan-taranaka Theravada bhikkhuni (monasiteran'ny vehivavy) any Thailandy.
Ny ady ao Afovoany Atsinanana sy ny valinteny mizarazaran'ireo blaogera indoneziàna
Amin'ny famerina ny lohatenin'ireo media iraisam-pirenena mikasika ireo fifandirana misy ankehitriny ifanaovan'i Israely ary i Libanona, sy eo amin'i Israely sy Palestina, lahatsoratra miresaka lohahevitra mitovitovy amin'izany no avoakan'ireo Indoneziana blaogera arahany amin'ireo fanehoankevitra sy valinteny isan-karazany; ireo mpomba sy ireo mpanohitra, ny fanohanana sy ny fanamelohan'ny lafiny roa.