Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2022
Nodimandry i Moris Albahari, iray amin'ireo sisa mpiteny ny fiteny Ladino ao Bosnia,
Ny Ladino na jiosy-espaniôla dia fiteny romàna iray andalam-panjavonana, nipoitra avy amin'ny espaniôla fahagola, nampiasain'ireo Jiosy sefarady 60.000 eo ho eo nonina tao Israely, Tiorkia, Balkàna, Afrika Avaratra ary tany amin'ireo ampahany fahiny tamin'ny Ampira ôtômana.
Fahafatesana tampok'ilay Haitiana mpihira ‘Mikaben’, mamela fahabangàna lehibe anatin'ny tontolon'ny mozika
Nihira hiram-pitiavana ho an'i Haiti izy - hira momba ny tontolony, ny kolontsainy, ireo vehivaviny ary ny mozikany: hira natao hitaizàna ny mahantra; hiran'ny herimpo, ny faharetana ary ny fanantenana
Fakàna sary an'i Gyani Maiya Sen, ilay nampifoha ireo ezaka ho famelomana indray ny fiteny Kusunda efa saiky maty tao Nepal
Naverimberiny matetika ny hoe "tsy liana velively hianatra ilay fiteny ireo tanora, saingy vonona izy ny hanabe ireo taranaka Kusundas hampiasa ny fitenindrenin'izy ireo"
Mandefa hafatra i ‘Explainer,’ ‘mpitondratenin'ny calypso’ ao Trinidad & Tobago
Ilay malaza mpiangaly ny calypso, izay nodimandry ny 7 Oktôbra teo, dia nohosorana tamim-pitiavana ho 'ilay mpitondra hafatra', satria izy dia namorona hira naneho ireo maharary ny fiarahamonina sy ny famoretana ny mahantra.
Ny fomba nanomezan'ny mozika highlife Igbo fanantenana ho an'i Nizeria taorian'ny ady an-trano iray nandravarava
Nanome fanantenana taorian'ny ady an-trano ry zareo Oriental Brothers. Vavolombelon'ny fanavaozana ny ‘egwu ekpili’ ny taona 80. Taty aoriana, nankalazain'ny traikefan'ny fampisehoana mivantana nataon'ny Bright Chimezie ny highlife Igbo nandritra ny taona 90.
Nipoaka ny fihetsiketsehana tao Iran noho ny fahafatesan'i Mahsa Amini
Nipoaka nanerana an' Iran ny hetsipanoherana noho ny fahafatesan'i Mahsa (Zhina) Amini, 22 taona, taorian'ny nitazonana azy tao amin'ny polisin'ny môraly tao amin’ny firenena noho ny filazana fa nandika ny fitsipika mifehy ny hijab.
Fanafihana farany nataon'i Tiorkia tamin'ny zavakanto : governoran'ny faritra iray nanafoana fetiben'ny mozika efa nandrasana hatry ny ela
Na dia tsy notondroina mazava aza tao anatin'ilay filazana aza ny fetiben'ny mozika ho avy eo, dia anisan'ny tafiditra anatin'ireo datin'andro voalaza ao anaty fanambarana ilay hetsika
Habaka Twitter : Ny fiteny okraniàna sy ny dikany erantany
Vakio ireo tsonga avy ao amin'ny habaka Twitter-nay amin'ny fiteny okrainiàna, ilay fitaovana tsara indrindra hianarana ny okrainiàna, ny fampitoviana atao amin'ireo okrainiàna mpitsoa-ponenana sy ireo olona hafa nafindra toerana, ary mbola misimisy kokoa noho izay aza. Jereo ato koa ny rakipeo manontolo