· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2013

Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny fitsarana.

25 Febroary 2013

Ny Fandraisan'i Trinidad & Tobago Ny Harlem Shake

Ny hala-tahaka 'meme' farany tety anaty aterineto nifandroritana, ilay Harlem Shake, izay nandihizan'ny olona tamin'ity hira ity, dia tonga toy ny tafiotra ihany koa any Trinidad sy Tobago ankehitriny –lafy iray any ambadiky ny tany, any Queensland, Aostralia izay nanombohan'ny 'meme' rahateo. Mitondra vitsivitsy amin'ireo lahatsary ity lahatsoratra ity...

24 Febroary 2013

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.

19 Febroary 2013

Vongan-dranomandry Fatwa, Mifanaiky Ny Hisintaka Ny Sehatra ilay Tarika Vehivavy Voalohany Tao Kashmir

Nisintaka ny tarika voalohany tsy ahitàna afa-tsy vehivavy miangaly gadona rock avy any amin'ny faritra Indiana iray rotiky ny ady ao Kashmir taorian'ny didy iray navoakan'ny mpitari-pivavahana silamo iray milaza fa tsy mifanaraka amin'ny maha-Silamo ny fitondrantenan'ireo vehivavy. Lasibatr'ireo fanimbazimbana tety anaty sy ivelan'ny aterineto ihany koa ilay tarika mpiangaly mozika nandalo toy ny aloka.

11 Febroary 2013

Mihevaheva Mitety an'i Singapore

‘Nihevaheva’ (nanao lévitation) nitety an'i Singapore i Jayden Tan sy i Jeff Cheong ary nampianatra ireo mpianatra ny tsiambaratelon'ny fakana sary mihevaheva. Nahasarika ny tao Singapore ny tetikasan-dry zareo ary maro ny olona no nahamarika ny famoronana nataon-dry zareo eo amin'ny sehatry ny fakana saripika.

07 Febroary 2013