Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2009
Rosia: Veloma mandrakizay ho an'ilay mpilalao sarimihetsika Oleg Yankovsky
Maty tany Mosko tamin'ny 20 Mey teo amin'ny faha-65 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Rosiana Oleg Yankovsky ary nalevina tao amin'ny Fasan'i Novodevichy roa andro taty aoriana. Mpankafy an'arivony no tonga...
Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.
Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana...
Japana: Fitadiavam-bady!
Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza...
Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora
Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny...
Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray
11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny mozika Mawazine....
Tontolo: Arahaba nahatratra ny Fetin'ny Reny!
Felam-boninkazo tany Xela, Guatemala nalain’i Erik++ ao amin’ny Flickr Raha misy ny zavatra iombonan’ny olombelona rehetra, dia ny hoe samy manana reny daholo isika rehetra. Ary amin’ny faritra maro eran-tany...
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha 65 taonan'ny Sürgün, ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée. J. Otto Pohl...
Masoandro mihiratra ho an'ny kilemaina any RDC
Tsy ialam-pahasarotana ny fiainan'ny olona manan-kilema sy maleny any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Maro ny fahasahiranana atrehin'ny kilemaina noho ny fahabangan'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fahavitsian'ny asa. Miezaka ny mitatitra...
Myanmar: Faha-150 taona nananganana an'i Mandalay
Mankalaza ny faha-150 taonany mandritra ny telo andro manomboka amin'ny 14 ka hatramin'ny 16 mey i Mandalay, renivohitry ny fitondram-panjaka farany. Fankalazana ny faha-150 taona an'i Mandalay Renivohitry ny faritanin'i...
Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura’
Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny ‘cerisiers’ izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny...