· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Septambra, 2010

Maraoka: “Ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'i Peace Corps an'i Belle”

Bilaogin-tsary mahatsikaiky iray no nitety ireo vehivavy Mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps any Maraoka, na dia tsy nilaza ny loharano niaviany aza ireo mpitoraka bilaogy namoaka ilay sary mahatsikaiky, dia nilaza ireo vehivavy roa fa mikasika azy ireo izy ity. Ilay sary mahatsikaiky fototry ny resaka ve? «Nahoana i Belle, avy amin'ilay tantara "IManja sy ilay Biby - Beauty and the Beast", raha ny marina dia Mpirotsaka an-tsitrapo iray ao amin'ny Peace Corps any Maraoka.

Brezila: fanokanana ilay Graffiti lehibe indrindra eran-tany

  21 Septambra 2010

Nanokana ny grafitti lehibe indrindra eran-tany izay mihoatra ny 37 000 sqaure feet any amin'ny faritr'i Foz do Iguaçu ny Filohan'i Brezila Lula da Silva. Ity faritany ity; malaza amin'ilay riandranon'i Iguaçu sy ny sisintany telo iraisan'i Paraguay, Brezila sy Arzantina, dia hody amin'ireo lalambe migodàna voaravaka manome lanja ny zon'ny ankizy sy ny tanora.

Karaiba: Veloma i Arrow

  21 Septambra 2010

Misaona ny fahalasanan'ny iray amin'ireo rain'ny mozika soca any amin'ny faritra - Alphonsus Cassell, fantatra kokoa amin'ny anarana "Arrow", ireo mpitoraka blaogy any Karaiba - ny hirany hoe Hot, Hot, Hot dia be mpitia tokoa ary nitondra nankamin'ny fitiavan'izao tontolo izao ny soca....

Japana: Drinkommunication, rehefa lasa adidy ara-tsosialy ny fisotroana toaka

  13 Septambra 2010

Ny alikaola any Japana dia matetika izy io no ampiasaina ho toy ny solika manodina ny ara-tsosialy eo anivon'ny fiarahamonina iray izay mahita ny tsy maintsy ilàna elanelana eo amin'ny fihetseham-po tena izin'ny olona iray sy ny fikasany ary izay ambaran'ny isam-batan'olona rehefa misy vanin'andro ara-tsosialy mitranga Raha ny filazan'ny maro, dia misy fifandraisana matotra kokoa, na 'drinkommunication' mety ho teraka avy amin'ny labiera iray vera na 'sake' eny an-tànana.

Pero: Ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny ‘Nubeluz’

  05 Septambra 2010

Nanao hetsika mikasika ny Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ny fandaharan'ny Fahitalavitra Nubeluz ireo mpitoraka bilaogy Peroviana, fandaharana nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1990 ary nanjary ho fandosiran'ireo tanora sy lehibe ireo fotoan-tsarotra natrehan'ny firenena nandritra ireo taona ireo .