· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Novambra, 2012

Manintona Ny Saina Ho Any Amin'ireo Olona Manana Fahasembanana Any Jamaika Ny Fampirantiana Zava-kanto Vaovao

Nanan-danja ny fiandohan'ilay fampirantiana voalohany indrindra notanterahin'ilay mpanakanto Jamaikana Astro Saulter, tsy noho ny fanolorany mpanakanto iray vaovao eo amin'ny sehatry ny zava-kanto ao an-toerana ihany, fa koa noho ny fitarihany ny fahalinana amin'ny filàna fidirana amin'ny fanabeazana haikanto tsara kokoa, indrindra ho an'ireo olona manana kilema.

30 Novambra 2012

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

25 Novambra 2012

Sarina Tanàna Haolo Jiosy Yemenita

Bilaogera Yemenita Rooj Alwazir (@Rooj129) nizara sary mahavariana nandritra ny fivahiniany tao amin'ny tanàna haolo Jiosy, Beit Baws, izay miorina ambonin'ny tendrombohitra vatolampy, 15 minitra miala ao Sanaa. Tamin'ny diaporama, Alwazir nampiseho...

11 Novambra 2012