· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2018

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

31 Oktobra 2018

Shina: ”Tsy Hivarotra Aho Na Dia Mamono Ahy Aza Izany”

Lasa adala amin'ny kapitalisman'ny petrabola isan-karazany i Shina—ara-bakiteny, tamin'ny trangan'ilay mpampiasa vola iray izay tsy afaka nijery ny petrabolany tanaty aterineto rehefa nidina ny lanjan'ny vola tamin'ny herinandro farany teo. Saingy matokisa ireo mpampiasa aterineto mba hahita hatsikana ihany ao anatin'izany rehetra izany.

31 Oktobra 2018

Venezoelà: Ilay Poeta Nankafy ireo Zavatra Tsotra teo amin'ny Fiainana

Niaina tanaty fahatsorana hatrany i Nazoa. Naneho ny hakanton'ny andavanandro sy ny fanahy mahatsikaiky misy ao anatin'ny Venezoeliana rehetra izy no sady niaro ny Zon'Olombelona nandritra ny taompolo 60 tao Venezoelà. Manome voninahitra ity poeta ity, izay nanana fitiavana miavaka ireo zavatra tsotra teo amin'ny fiainana, ireo bilaogera Venezoeliana.

31 Oktobra 2018

Durbar: Zaria, Nizeria.

Mandritra ny Durbar, manao matso ireo mpitaingina soavaly ary miroso mirongo sabatra sy basy ho fahatsiarovana ny vanimpotoana fahiny izay nampahery ireo Emir rehetra.

29 Oktobra 2018

Gonu no Lazan'i Koety !

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.

29 Oktobra 2018