Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Avrily, 2014
Tsy Nisy Hoe Palestina a?
Nanao fanamby tamin'ilay kabary iraisan'ny Israeliana milaza fa tsy nisy velively i Palestina ireo mpampiasa Twitter, tamin'ny alàlan'ny tenifototra : #there_was_no_Palestine (tsy_nisy_i_Palestina).
Misaona An'i Gabriel García Márquez, ilay “Mazisianin'ny Voambolana” i Bangladesh
Tsia, tsy hitomany aho. Satria mino aho fa ho velona farafahakeliny mandritra ny zato taona eo izy miaraka amin'ireo voambolana manako fitiavana, nahoana aho no hitomany ny fahalasanany? Avelao hanjaka am-pontsika tsikelikely ny fitiavany sy ny nofinofiny.
Gabo An'ny Olona Rehetra
Nanohina an'i Etazonia ny fahafatesan'i Gabriel García Márquez . Hita tamin'ny filazam-baovao sy ny Twitter ny tohin'izany.
Veloma Farany Hoan'ilay Mpihira Salsa Poerto Rikana Cheo Feliciano
Misaona ny fahaverezana tampoka ny iray amin'ny mpihira salsa lehibe indrindra hatramin'izay hatramin'izay ny tontolon'ny mozika.
Nosakanan'i Shina Ilay Horonantsari-mihetsika Fohy Avy Ao Hong Kong
Nanjary malaza tao amin'ny aterineto sy niteraka fahatezerana teo amin'ireo Shinoa mpanao sivana ilay horonan-tsarimihetsika fohy tantaran'ny hoavy noforonina mitondra ny lohateny hoe " Ho Rava Afaka 33 taona i Hong Kong ".
SARIPIKA: Fametrahana Afisy Goavambe Ao Pakistana Lasibatry Ny Drôna Amerikana
Ny hanomezana endrika maha-olombelona hoan'ireo sivily lasibatra tamin'ny daroka drôna Amerikana no tanjon'ity fisantaran'andraikitra ity
SARIPIKA : Fitsangatsanganan'ny Japoney Eny Ambany Voaroy Mamelana
Tonga izao ny fitsangatsanganana mijery voninkazo izay antsoin'ny japoney hoe :"Hanami" satria fotoam-pamelanan'ny voaroy izao.
Any Havana, Fanolorana Boky Tsy Misy Takalony
"Ity boky ity dia omena an'izay rehetra mahita azy fa ny takalony kosa dia ny hanolorany azy indray ho an'olon-kafa rehefa voavakiny ilay izy mba hankafizany azy koa."
Hira Fandrotsirotsiana Zaza Avy Amin'Izao Tontolo Izao : Iza No Ironanao?
Tsy natao ho an'ny zazamenavava fotsiny ny hira fandrotsirotsiana fa natao ho an'ny efa lehibe ihany koa. Ampidiro ao amin'ny fampihatra vaovaon'ny PRI izay antsoina hoe The World's Lullabies ny feo mandrotsirotsy avy aminao.
Mahatsiaro An'i Claudia Silva Ferreira, (Ilay Vehivavy Notaritaritin'ny Polisy) Ireo Mpanakanto Breziliana
Nanasa ireo mpanakanto sy mpiserasera ny Bilaogy Think Olga mba handefa sary fanehoana hoan'i Claudia Silva Ferreira, ilay vehivavy namoy ny ainy teo am-pelantanan'ny polisy miaramila Breziliana.