Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Desambra, 2008
Noelin-dry zareo any Karaiba
Noely ny andro – Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra...
Tonga any Jordana ilay mpihazakazaka hitety an'izao tontolo izao
Mihazakazaka mamakivaky ny kaontinanta efatra hampiroborobo ny zavatra iraisan'ny kolontsaina rehetra ilay Danoà Jesper Olsen. Manoratra momba izany indrindra ny Ambasadaoro Danoà any Jordana HE.Thomas Lund-Sørensen : As I am...
Makedonia tsy voafetran'ny fotoana
ty lahatsary ity dia nosoratana sy notontosain'i Milcho Manchevski (efa tafiditra hifaninana tao amin'ny Academy Award ny taona 1995), ary ny tanjona amin'izany diany hampiroboroboana ny fizahantany mankany Makedonia. Halefa ao amin'ny CNN ity lahatsary ity, sy any amin'ny firenena hafa ampolony sady havoaka amin'ny fiteny valo samihafa. hitatitra amintsika izay ambaran'ireo bolongana sy ny fihetseham-po nahita ny lahatsary i Elena Ignatova.
Madagasikara: Namaly izay lazaina fa sivana atao amin'ny piesy “47” Lafrantsa
Pierre Maury no mitatitra fa efa novalian'ny fitondram-panjakana frantsay ny fanamelohana fa tratran'ny sivana ilay piesin'ny tantaran'ny tolona ho amin'ny fahaleovantena “47″ nataon'i Jean-Luc Raharimanana sy Thierry Bedard. Victoire Bidegain...
Isiraely: Sary fanao amin'ny rindrina Arzantiana any amin'ny Kibbutz
Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela...
Kostarika: Antso fanomezana oronantsary Krismasy
Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.
Brunei:Soritroritr’ ‘Ali Baba’
Maro ny toeram-pivarotana manohy mivoha hatrany saiky amin’ny faritra maro ao Brioney. Mba hahafantaranao azy mialoha, haka toeram-pisakafoanana iray vaovao isika, dia toeram-pisotroana dité sy kafe iray vaovao, toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano...
Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahana
Nofoanan'ny solotenam-panjakana frantsay misahana ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tsy misy fanazavana ny fitetezantany ilay piesy teathraly mampahatsiahy ny tantaran'ny tolom-panafahana hahaleovan'i Madagasikara tena tamin'ny 29 marsa 1947. Mbola mitohy ihany koa ny adihevitra momba ity resaka ity ato amin'ny aterineto. Misy lahatsary ato.
Arabia Saodita: M-Rock ny vehivavy Saodiana
Vondrona tovovavy saodiana izay no nanandratra ny feon'izy ireo mba ho re – tamin'ny fomba tsy mbola fahita firy tao Arabia Saodita mpandala ny fomban-drazana. Ao amin'ny Muslimah Media Watch,...
Malawi: Fifaninanana web & ireo filohany ao amin'ny Facebook
Nitombo ny lazan'ny fitaovam-piseraserana ara-piaraha-monina voalohany any Malawi, araka ny hita tamin'ny fifaninanana Malawita voalohany momba ny aterineto atao tamin'ity volana ity, ary noho ny Filoha Malawita teo aloha sy amin'izao fotoana izao mampiseho ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ary samy manana ny mpanohana azy ihany koa.