Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2017

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Marsa, 2017

31 Marsa 2017

Ny Renivohitra Kyrgyzstan sy ny Trolleybus-ny Be Mpankafy Mitriatra Fitaratra Arotsioka

Manana ny endrika mampiavaka azy ve ny trolleybus ao Bishkek? Miloka ianao fa manana ry zareo!

Noho Ny Firoboroboan'ny Fandidiana Orona, Hanjavona Ve Ny Orona Armeniana?

«Raha ratsy ny toe-draharaha ara-toekarena, vitsy ny fandidiana; Raha tsara ny toe-draharaha ara-toekarena, marobe ny fandidiana»,

30 Marsa 2017

Tsy Voasakan-tSisintany ny Mozika, Saingy Mbola Nolavin'ny Kaonsilàn'i Etazonia ny Visa Ho An'ireo Mpikambana Amin'ny Antoko Mpihira Indoneziana

Na inona na inona "sisintany" nampidirin'ny politika, tsy misy sisintany ny mozika, tsy misy sisintany ny firaisantsaina amin'ny zava-kanto, tsy misy sisintany avy amin'ny olombelona ny mitolona mihira avy ao am-po. Mampitambatra ny maha-olombelona antsika ny mozika, ary manasa anao izahay mba ho anisan'izany.

Mamporisika Ny Fitsitsiana Herinaratra Koa Ireo Jiro Marevaka Napetraka Tao Marina Bay Any Singapaoro

Jereo ny fiovan'ny sasany amin'ireo trano mijoalajoala ao Singapaoro ho lasa vao mainka mahavariana nandritra ny "Fetiben'ny Hazavana", izay nandrehetana jiro marevaka nataonà mpanakanto avy aminà firenena sivy teo amin'ny morondranon'i Marina Bay.

29 Marsa 2017

Zavakanto Anaty Fitateram-Bahoaka: Fantaro Ireo Mpanao Kisarisary Anaty Fitateram-Bahoaka ao Singapaoro

" mora ironako kokoa ny zavakanto nentin-drazana, toerana tsy manampaharoa, azo antoka ary ahitan-javatra maro ahafahako mampihatra ny zavatra tiako."

28 Marsa 2017

Ho Anareo Mpakafy Trano Simenitra, Toy Izao Ny Fampialofana Ara-tsosialy Ao Japana Izany

Bilaogy iray mahaliana natokana hanadihadiana ny tetikasa fampialofana amin'ny trano simenitra izay fonenan'ireo taranaka Japoney maro nanomboka tamin'ny fiafaran'ny ady.

Nanampy Ireo Fianakaviana Kiorda Any Iraka Mba Hankalaza Ny Newroz Amin'ny Loko Marevaka Sy Ny Fifaharana Ireto Mpikatroka Ireto

Nanome aingam-panahy ireo mpikatroka Kiorda ao Kiordistan Irakiana ny fomban-drazana fifaharana mba hanomezana ireo akanjo nentim-paharazana ho an'ireo izay tsy afaka mividy izany amin'ny Newroz Taombaovao Kiorda.

Uber, ilay Goavana Ao Silicon Valley, Voarirotry ny Tantara Ratsin'ny Seza Hazo

"Uber. Fa tena kaondrana tanteraka ve ianareo e? Toy izao ve no endriky ny fanombohana fandraharahana Kaliforniana iray?"

24 Marsa 2017

Tantaranà Pelaka, Lehilahy Mainty Avy Amin'ny Tanàna Mahantra Ao São Paulo Ary Lasa Mpamokatra Sarimihetsika

"Tsy menatra aho manatontosa sarimihetsika eto ary mampiseho ny toerana antsoiko hoe tranoko" Izao no zava-iainako."

23 Marsa 2017

Iray Amin'Ireo Sary Mahafinaritra Anehoan'ny Mpaka Sary Ny Hatsaran-tarehin'ny Fetibe Nentim-paharazan'i Trinidad Sy Tobago

Nitsoka tao Trinidad sy Tobago ny fanahin'ny hafaliana tamin'ilay "Zoma Mahafinaritra", fiandohàn'ny Fetiben'ny faran'ny herinandro.