Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2015
Mahasakana Resa-Pankahalana ao Myanmar Ve ny Peta-Taratasy #Panzagar (Resa-Boninkazo) ao Amin'ny Facebook?
Nanampy "sticker" vaovao antsoina hoe 'Speak Panzagar' ny Facebook ho fanohanana ny hetsika Kabarim-boninkazo hiadiana amin'ny kabarim-pankahalana ao Myanmar.
Maoske ao Però: Voahangin'ireo Miozolmana Mpifindra Monina Any Amerika Latina
Maoske roa ao Però, any Tacna Atsimo sy Lima renivohitra no nojeren'ny Global Voices.
Tratry Ny Taombaovao Shinoa… Avy Ao Però!
Sakafo matsiro sy vahoakan'i tusán, na Shinoa 'teraka ao an-toerana', maro no antony roa mahatonga ny Peroviana hankalaza ny Taombaovao Sinoa miaraka amin'ny gusto.
Vehivavy Iray Mifanamby Amin'ny Fomba Fijery An'i Somalia Ao Amin'ny Instagram
Te hanitsy ny fomba fijery an'i Somalia i Ugaaso Boocow. Tsy nidina teny an-dalambe na tamin'ny onjam-peo izy fa naleony niditra tao amin'ny Instagram ary vonona ny halaza.
Mitsangantsangàna Eny Amin'ireo Lalankely Ao Japana
Nanatevina laharana ny hetsika Slow TV i satobo3104, mpampiasa YouTube, ary nampakatra lahatsary mirakitra ireo fitsangantsangànana namakivaky ireo tanàna tranainy manodidina sy manerana an'i Japana.
Resahina amin'ny Mpanao Zaridaina ho Vazy Manaja Tontolo Iainana ny Fakom-Boanio
Ahafahana mitahiry hatramin'ny vazy plastika 100 tapitrisa tsy hiafara any amin'ny daba fanariam-pako ny fampiasana vazim-bolom-boanio izay azo ambolena mivantana ao amin'ny zaridaina.
Zazavavy Malayziana Norahonana Hogadraina Fa Nifamihana Ampahibemaso Tamin'ny Kintan'ny K-Pop
Fantsona fahitalavitra Malayziana iray namoaka lahatsary YouTube tamin'ny lanonana fihaonana tamin'ny mpankafy ny tarika B1A4 izay tsy misy ifandraisany amin'ny lohateny miampanga ny tarika ho "namiravira zazavavy miozolomana".
37 Voafantina Hiady ny Famaranana Amin'ny SIMA 2015
Tafiditra ao amin'ny Tahirin'ny SIMA sy ny andiam-pandaharana Fitsangatsanganana, sehatra iray miasa ho amin'ny fampisehoana lahatsarim-panadihadiana manerantany ireo [sarimihetsika] miady ny famaranana.
Fancy Galada Avy Ao Capetown, Mihira Ho Fahasitranan'ny Tenany Sy Ny Hafa
Tsy maintsy nitombana ho lehibe haingana i Fancy Galada dieny tany amin'ny faha-10 taonany, nikarakara ireo anadahy sy rahavaviny. Ary indraindray, dia nisedra fijaliana ny fahazazàny. Mihira izy mba ho sitrana amin'ireny fahatsiarovana mangidy ireny.
Pejy Facebook Rangoon Revealed “Hilaza ny Tantaran'i Burma, Olona Iray Amin'ny Fotoana Iray”
"Inona ny fotoana tsara indrindra teo amin'ny fiainanao? Raha nanan'anaka voalohany ny vadiko. Inona ny fotoana nampalahelo indrindra? Raha lasa tany amin'ny varo-tsy-mifody izany zaza izany."