Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2009
Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!
Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay...
Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano
Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany
Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”
Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.
India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely
Any amin'ny toerana sasan'i India, mety ho ratsy ho an'ny vehivavy sy ny fiandrianan'ny mpivady ny fankalazana ny fetin'ny mpifankatia (St Valentin), araka ny lalana amin'ny fifehezan-tena dia manapaka fa ho enjehina ireo mpivady sy vehivavy izay mifampitantana na eny amin'ny toeram-pisotroana zava-pisotro.
Amin’ny fetin’ny mpifankatia: Ampianaro mitoraka biloagy (na mamahana bolongana) ny olon-tianao.
Ny andron’ny mpifankatia (ny 14 febroary) izay andro natokana ho an’ny fitiavana, fisakaizana ary fifaneraserana. Inona ary no fomba tsara indrindra mba ahafahana manamarika ny fahafahana hanararotra hampianatra ny olon-tianao hitoraka bilaogy na hamahana bolongana tsikelikely (micro-blog)?
USA: Manambady noho ny Fitiavana sy ny Firenena
Na ny fitiavana, na ny viza (visa), na ny fanapahan-kevitra ny hivady dia zavatra tsy moramora. Ao Etazonia izay isian’ny olona mpifindra monina “Tsy ara-dalana” miisa 12 lavitr’isa, dia ny firaiketam-pitia sy ny fampakaram-bady Amerikana no fomba iray ahafahana mamaha ny olana ho ara-dalana. Mitantara ireo mpitoraka blaogy mpifindra monina.
Etazonia: Amerikana (Mena Hoditra) “Eny, mahavita izahay”
Rehefa tsy taza-maso nandritra taon-jato maro, dia miha-mitombo ny fampiasan’ny teratany Amerikana (Indiana) ao Etazonia ny blaogy sy ny gazetim-pirenena anterineto mba ampisehoana sy itehirizana ny zo sy ny fombafomba fiainan’izy ireo. Manana ny antony vaovao ho feno fanantenana ireo tompon-tany Indiana tamin’ny fifidianana an’I Filoha Awe Kooda Bilaxpak Kuuxshish (Anarana nomena an’I Barack obama avy amin’ny foko Crow).
Armenia: Fifangaroan'ny fomba vaovao sy fahagola amin'ny andron’ny mpifankatia (St Valentin)
Heverina fa ny vondrona sisa tavela ela indrindra any Armenia dia ny fiangonana Apostolika, niorina ny taona 301 talohan’I Kristy, no fikambanana Kristianiana nasionaly antitra indrindra eto an-tany. Fa nandritra ny 1700 taona taty aoriana dia mbola tavela ny fombafomban’ireo tsy mpino tao amin’ny firenena, eny fa na dia tafiditra tao anatin’ny datin’andro kristiana aza izany ankehitriny. Raha toa ka izao tontolo izao no manamarika ny fetin’ny mpifankatia, dia mankalaza ny mitovy amin’izany fombafomba izany koa ny Armenianina-Trndez.
Andron'ny mpifankatia, tatitra manokana: Fitiavana be avy any Ejypta
Ity no fotoana iray amin'ny taona izay hanomboanareo hino fa ny fiainana dia saika voninkazo sy sokola . Irery na olon-droa, mpomba na mpanohitra ny andron'ny mpifankatia dia samy tsy...
Korea: Antony fito hametrapetrahan'ny vehivavy anao
Misy hafatra iray manintona milaza antony fito mahatonga ny lehilahy ho voapetrapetraky ny vehivavy rehefa miresaka fotoana sy manome torolàlana ihany koa ny amin'ny fomba tokony hataonao lehilahy hisorohana an'izay...