Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Novambra, 2015
Afaka manana sy mamaky ‘Fanny Hill’ ankehitriny ny Singapaoreana, saingy mbola voarara ny Playboy
Nesorin'ny governemanta ny fandrarana boky aman-gazety 240 saingy mbola voarara kosa ny 17 satria vetaveta na mifanohitra amin'ny tombontsoam-pirenena.
Migadra ilay Iraniana mpanao sariitatra nanoritsoritra ny alahelo tao Parisy
Tsy vao sambany tsy akory ny Iranian mpanao sariitatra Hadi Heidari no tratran'ny fisamborana.
Seho Kanto Amerika Latina Ao Italia, Mitarika Fangorahana Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana Sy Mpifindra-Monina
Mitrandraka ny fifindràmonina amin'ny alalan'ireo karatra postaly kanto 125-n'ireo mpanakanto miisa 96 avy aminà firenena 14, ny MirgrArte Postale.
Mpanakanto Mandoro Ny Hosodokony Ho Firaisankina Amin'ireo Madhesis Tsy Manan-tsiny Namoy Ny Ainy Tao Nepal
Efa ho 50 hatramin'izao ireo namoy ny ainy tamin'ny ady ao Madhes, lemaka atsimon'i Nepal, nandoro ny hosodokony ny mpanakanto iray ho fanehoana firaisankina amin'izy ireo.
Mahafinaritra ve ianao? Ho anao izany ireto sary Ultraman ahetsiketsika ireto
Nisy mpisera YouTube iray namorona tambatra sarimiaina ahetsiketsika amin'ilay fanorolahy ankafizin'ny Japoney antsoina hoe Ultraman.
Dihy Nentim-paharazana Ao Indonezia, Asongadin'ny Fetibe Toraja
Olona maherin'ny 100.000 no nitsidika ny Sulawesi Atsimo mba hankalaza ny fetibe "Toraja Mahafatifaty" . Fokonà vazimba teratany ao Indonezia ny Toraja, manana vahoaka vinavinaina ho 1,1 tapitrisa eo ho eo.
Sary Tranainy Mampiseho Ny Fahitàna ny Andrefan'i Japana
Manome topimaso ny fomba nijeren'ny Eoropeana an'ilay firenena, ampolo taona vitsy monja taorian'ny niafaran'ny vanimpotoana nitokanan'io firenena io monina, ireo saripikan'i Adolfo Farsari nolokoiny tànana.
Mujeres Trabajando : Fiombonana mahaova ny tontolon'ny hip-hop ao Meksika
Vitan'ny fiombonana Mujeres Trabajando ny nitsofoka tao amin'ny tontolo anjakan'ny tsy fitiavam-behivavy sy ny fanandratana ny lehilahy tamin'ny alalan'ny mozika, tononkalo, ny zavakanto ara-maso ary ny dihy, ny sehatry ny hip-hop tao Meksika.
Sary ao amin'ny Instagram mahatalanjona amin'ny fihintsanan-dravina ao Japana
Ireto sary amin'ny Instagram avy ao Nikko, toerana fitsidika malaza ao avaratra atsinanan'i Tokyo ireto no manopy maso ny hakanton'ny mihintsan-dravina any Japana.
Tambavy, raokandro, fangaro sy ireo torohevitra entina manasitrana omen'ireo renibe manerana izao tontolo izao
Taranjam-panasitranana, raokandro sy tambavy nomen'ny reniben'ny mpikambana ato amin'ny Global Voices. Andramo ny sasantsasany amin'izy ireo dia antsoy izahay amin'ny maraina.