Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2015
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Nahazo Fanohanana Tamin'ny Vahoaka Ilay Mpanankato Shinoa Ai WeiWei Rehefa Nolavin'ny Lego Ny Fangatahany
"Tsy asiana Lego amin'ny lisitry ny entana hovidiana amin'ny Krismasy. Mandiso fanantenana ny tsy fanohanana an'i Ai Wei Wei "
Kotatsu sa Korsy? Japoney sa Iraniana izao fomba fanafanana tena izao?
Hita taratra fa manana tekinika mitovy fototra i Japana sy i Iran rehefa amin'ny fampahazoana aina mandritra ny ririnina.
Tantaran-Jazavavy Etiôpiana Nanohitra Ny Fakàna An-keriny, Sy Ny An'ireo Mpisolovava Nanavotra Ny Fiainany
Midika hoe "fahasahiana" ny "Difret" amin'ny fiteny Amharic. Sarimihetsika iray mitondra io anarana io no mitantara ny tantaran-jazavavy Etiôpiana iray izay nalainà lehilahy an-keriny mba hoterena hanaraka ny "fanambadiana" araka ny fomban-drazana.
Toe-javatra Manjavozavo Manodidina Ny Kabary Momba ny Zava-kanto Nataon'ny Filohan'i Shina, Xi
"Nilaza ny marina i Wang Shiwei ary novonoina. Ka lasa nironana ny filazana lainga. Ankehitriny, soloin'ny lainga toerana ny zavatra hafa rehetra."
Timisoara, toeram-pihaonan'ny kanto ankehitriny vaovao
Tapa-bolana izay, niova ho fampiratiana ankalamanjana ny zava-kanto ankehitriny i Timisoara. Nanomboka ny 3 hatramin'ny 31 Oktobra 2015, nampiantrano ny andiany voalohan'ny Biennale “Timisoara Art Encounters” ny tanàn-dehibe.
Futureplaces: Mampiantrano ny laboratoaran'olompirenena misahana ny media i Porto
Niverina ao Portiogaly manomboka ny 20 ka hatramin'ny 24 oktobra ny hetsika fanao isan-taona izay mahatonga ny tanànan'i Porto ho “laboratoaram-pampitam-baovao ho an'ny olompirenena”.
Inona Ny #Aldub Ary Ahoana No Ironana Be Ao Amin'ny Twitter Isanandro?
Babon'ny Aldub daholo ny fon'ireo Filipiana manerana ny tany, tantaram-pitiavan'olon-droa foronina alefa amin'ny fahitalavitra, izay lasa tranga ety anaty media sôsialy.
Mihantsy Ny Sivana Ireo Mpanao Sariitatra Ara-politika Amin'ny Fampisehoana Ny ‘Demokrasia’ Amin'ny Endrika Thailandey
"Ilay mpanao sariitatra ara-politika nitsikera ny governemanta tohanan'ny miaramila ao Thailandy indray no mpanao gazety farany nampanantsoin'ny tafika hanaraka "fanitsiana fihetsika" ."
Hosodoko an-drindrina goavambe nahatonga ilay fokontany meksikana ho ‘Majika’
Nanao hosodoko an-drindrina mahazo trano 200 ao amin'ny zanabohitr'i Las Palmitas ny Germen Crew, koperativa iray tsy miankina amin'ny fanjakana. Nanampy tamin'ny fanamafisana orina ny fiarahamonina ity tetikasa "majika" ity.