Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Aogositra, 2014
Resaka Am-Pinday Mampihena Ny Fisamatsamahana Eo Amin'ny Indiana sy ny Pakistaney
Efa tamin'ny taona 1947 no nisian'ny rà mandriaka teo amin'i India sy Pakistana, mbola marefo ankehitriny ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta.
“Casa Morada” Na “Ilay Trano Volomparasy”, Fikambanana Iray Ao Medellin Any Kolombià ‘ Hamoronana, Hankafizana Ary Handinihan-tena’
Morada na "Casa Morada", dia hevitra nitsiry avy tao amina fari-bohitra iray manahirana ao Medellin any Kolombià. Fantaro ny momba ireo tetikasa samihafa sahaniny izay mampiaraka ny zavakanto amin’ny fanabeazana sy ny fandraisana anjara.
Niteraka Adihevitra Ny Fiara Kelin'ny Papa Fransoà Tao Korea Atsimo
Nofaranan'ny Papa Fransoà tao Korea Atsimo ny fitsidiham-pitokanana ataony, izay niteraka resabe tamin'ny fampahalalam-baovao ny fomba fisehoan'ity lehiben'ny Katolika ity imasom-bahoaka, anisan'izany ny hoe eveka mandeha amin'ny fiara kely tsotsotra, fa tsy amin'ny fiara berline maharo amin'ny bala.
Naniry Ny Hijery Ny Karnivalin'i Sainte Lucie Tamin'ny Fahitalavitra, Tamin'ity Taona ity ? Tsy Nanam-bitana Ianao !
"Tena mihemotra ! Mba nieritreritra ireo teratanin’i Sainte Lucie any am-pielezana, ireo avy amin’ny firenen-kafa, sy ireo vahiny ve ny mpikarakara, izy ireo izay mety ho liana amin’ ny fandraisana anjara amin’ny Karnivalin’i Sainte Lucie...?"
Tsy Ara-dalàna Intsony Ity Dokam-barotry Ny Hena Ao Rosia Ity
Noraràn'ny Rosiana ilay dokambarotra momba ny vokatra hena Ostankino satria voalaza fa manitsakitsaka ny lalànan'ny dokambarotra.
#BooksForRasul: Inona No Tena Ilain'ireo Azerbaijani Mpiaro Zon'Olombelona Mifonja? Boky
Manasa ny olona ny gadra iray fahiny noho ny politika mba handefa boky ho an'i Rasul Jafarov, ilay Azerbaijani mpikatroka mafàna fo nosamborina ka hankalaza ny fitsingerenan'ny faha-30 taonany any am-ponja.
Ny Fikambanana Mpanao Taokanto Ao An-damosin'ny Revolisiona Bôlivara.
Ao amin'ny bilaogin-dry zareo mitondra ny anarana hoe "No Sabemos Disparar", amporisihan'ny vondrona iray ary asehony an-tsary ny hetsika ataon-dry zareo eny an-tanàn-dehibe any amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa, avy ao anatiny na ivelan'ny renivohitr'i Venezoela.
Mpihira Flamenco 3 Mampiato Ny Fivorian'ny Antenimieran'i Andalozia
Tamin'ny faran'ny volana Jiona, mpikambana telo avy ao amin'ny FLO6x8 no nampiato tsirairay ny fivorian'ny antenimiera tamin'ny alalan'ny fihirana hira amin'ny endrika flamenco izay niampanga ny tsy fananan'asa, ny kolikoly ary ny krizy.