Egypta: Wikimania 2008 | Alexandria

(Marihina fa tamin'ny 13 Oktobra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Nanoratra i Mido, lehiben'ny mpandrindra ny wikimania 2008 sady mpandray anjara tsy tapaka amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Arabo hoe:

“After months of preparation, Alexandria was finally chosen as the winning bid for the Wikimedia Foundation’s fourth annual international conference, Wikimania 2008. Chosen by the Wikimania jury as the winner over two other exceptional bids, Atlanta and Cape Town, Alexandria will be hosting the event in the summer of 2008 at the Bibliotheca Alexandrina (BA), the newly reconstructed library of Alexandria.”

Nandritra ny volana maromaro niomanana dia voafidy ihany i Alexandria ho mpandresy tamin'ny mpifaninana ho amin'ny fihaonambe iraisampirenena fahefatra ho an'ny Orina Mpanasoa Wikimedia, Wikimania 2008. Nosafidian'ny mpitsara Wikimania ho mpandresy manoloana ireo mpifaninana miavaka roa hafa, Atlanta sy Cape Town i Alexandria ka hampiantrano ny hetsika amin'ny fahavaratry ny taona 2008 ao amin'ny Bibliotheca Alexandrina (BA), ilay Tranom-boky nohavaozina vaovao ao Alexandria. “

Nandritra izany, naneho hevitra tao amin'ny bilaoginy i Zero Effect:

“As a member of Alexandria team i assure every body that we will make our best in order to make this even a remarkable and spectacular experience to the entire Wikipedian Universe.”

“Amin'ny maha-mpikambana ahy ao amin'ny ekipan'i Alexandria dia manome toky ny olona rehetra aho fa hanao izay tsara indrindra vitanay izahay mba hahatonga ity hetsika ity ho zavatra iainana miavaka sy mahavariana  ho an'ny Tontolo Wikipediana iray manontolo.”

Azonao atao ny mijery ny tranonkala manao fitantarana ny hetsika ho an'ny fanavaozam-baovao misimisy kokoa .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.