Kolombia: Fankalazana ny Jiro sy ny Labozia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Photo by Flowery *L*u*z*a*.

Sary avy amin'ny Flowery *L*u*z*a*.

Día de las Velitas (Andron'ny labozia), fantatra koa hoe Día de los Alumbrados (Andron'ny fandrehetana), dia fankalazana nentim-paharazana ao Kolombia ho fanomezam-boninahitra an'i Maria Virijiny sy ny Immacuée Conception. Ny harivan'ny 7 Desambra na ny maraimben'ny 8 Desambra, mandrehitra labozia sy fanilo ao an-trano sy eny an-dalana ireo fianakaviana Kolombiana, ary mandray ny vanim-potoana Krismasy.

Araka ny voalazan'ny gazety El Tiempo [es], nambaran'ny Papa Pio IX ho fetibe ny 8 Desambra tamin'ny taona 1854, taorian'ny fivahinianana masina natao ho fanomezam-boninahitra an'i Maria virjiny manodidina ny 431 [B.C.?] A.D. Nanapa-kevitra ny hankalaza io andro io ny Papa amin'ny fitondrana hazavana tao amin'ny Kianjan'ny Bazilikan'i Md Piera tao Vatican.

Photo by Flowery *L*u*z*a*.

Sary avy amin'ny Flowery *L*u*z*a*.

Tamin'ity taona ity, noraketin'ireo bilaogera tamim-pifaliana ny  Día de las Velitas ka nizara angon-tsary sy ny fomba fankalazan'izy ireo tsy manam-paharoa izy ireo. Ohatra, Madame Web  nanazava tao amin'ny blaoginy La Lógica de mi Papá fa tena mankafy ity fetibe ity izy satria mahatonga azy hahatsiaro ho manakaiky kokoa amin'ireo olona manodidina azy izany:

Me gusta mucho el día de las velitas porque en la calle, por lo menos acá en Pasto, se siente la unidad, en los barrios los vecinos de todas las casas echando globos, música por todas partes, familias reunidas, los niños corriendo y jugando, los altares a la Virgen en los garajes, algunas procesiones, comida y festejo por todas partes.

Tena tiako ny día de las velitas satria eny an-dalambe, afaka mahatsapa ny firaisankina ianao, farafaharatsiny ao Pasto [San Juan de Pasto, Kolombia], ao amin'ny barrios isaky ny manabontsina balaonina ny mpifanolo-bodirindrina rehetra avy amin'ny trano rehetra, eny rehetra eny ny hira, mihaona ny fianakaviana, mihazakazaka ny ankizy ary milalao, hita eny amin'ny garazy ny ôtely ho an'ny virijiny, eny rehetra eny ny fivahiniana masina, ny sakafo sy ny fankalazana.

Ilay bilaogera Juan David Escobar avy ao amin'ny Reticente nisaintsaina ny fomba nahafahan'ilay fety niaraka taminy [es] raha niova tanteraka ny heviny:

Cuando niño la abuela nos dijo que eran velitas para la virgen. Ya cuando pelaos entendimos que eran velitas para la “candelada del diablo”. Y ahora, sospecho que son velitas para que me den calor y me permitan pensar al ritmo del fuego que consume unos palos de parafina de colores.

Tamin'izaho mbola zazakely dia niteny tamiko ny renibeko fa natokana ho an'ny virjiny ireo labozia. Rehefa zatovo izahay dia takatray fa natao ho an'ny “candelada del diablo” [devolin'ny afo] ireo labozia ireo. Ary ankehitriny, miahiahy aho fa natao hanomezana hafanana ho ahy sy hamela ahy hieritreritra amin'ny firehitry ny afo izay mirehitra amin'ny hazo nasiana savoka miloko ny labozia.
Photo by Flowery *L*u*z*a*

Sary avy amin'ny Flowery *L*u*z*a*

Bilaogera Lunaisa nitantara ny fiarahan'ny fianakaviany tamin'ny alin'ny 7 Desambra:

Sin ser una persona religiosa, siempre nos reunimos en familia a prender velitas y farolitos y volar globos con un deseo amarrado al globo.
Ayer, domingo aprovechamos para reunirnos y pasar un rato muy agradable en familia y con algunos amigos. Pasamos un rato muy agradable a la luz de las velas, una buena botella de tinto y lo mejor de todo una agradable charla.

Na dia tsy mpivavaka aza aho, dia miara-mivory foana amin'ny maha fianakaviana mba handrehitra labozia sy fanilo ary manabontsina balaonina miaraka amin'ny faniriana mifamatotra amin'izy ireo.
Omaly, Alahady, nanararaotra izahay mba hivorivory sy handany fotoana mahafinaritra miaraka amin'ny fianakaviana sy namana sasany. Nanana fotoana mahafinaritra tamin'ny fandrehetana labozia, sy tavoahangy divay mena izahay, ary ny tsara indrindra dia ny resadresaka nifanaovana.

Mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Cati Restrepo, kosa nizara tao amin'ny bilaoginy manokana lahatsary ahitana ireo jiro miparitaka eny an-dalamben'i Santa Fé de Antioquia:

Azo jerena ao amin'ny Flickr ny sary maromaro momba ny fandrehetana afo krismasy any Medellín, Kolombia. Nankalazaina any amin'ny firenena hafa, toy ny fomban-drazana Fête des lumières any Frantsa ihany koa ireo fety mitovy amin'ny Día de las velitas.

Nalain'i Flowery *L*u*z*a ny sary rehetra ary nahazoana alàlana avy amin'ny Creative Commons Licence.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.