(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Febroary 2009)
Na dia heverin'ny ankamaroan'ny mpijery any Eorôpa fa vazivazy aza, dia tsy misy isalasalana fa ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena Eurovision dia raisina am-pahamatorana tanteraka ao atsimon'i Kaokazy. Raisina ho fotoana tsara indrindra hanehoana ny kolotsain'ny firenena sy ny maha-izy azy, Armenia maro no efa tsy manam-paharetana hahita hoe iza no hisolo tena azy ireo amin'ny fifaninanana hotontosaina any Moskoa amin'ny volana Mey.
Zavatra mety hitranga ny hoe ireo mpihira ao an-toerana Inga sy Anush no hisolo tena ny firenena ary efa manana vondrona Facebook natsangana hanohanana ny tolo-kevitr'izy ireo. Na izany aza, tsy gaga ny Armenian Observer.
As I can’t stand these girls whining and barking, pretending to be singing, I kept postponing posting about this, however, having received an invitation to join a Facebook group supporting the girls at Eurovision, I came to understand, that like it or not, they will be representing Armenia and I’ll be supporting Armenia – despite this obviously poor choice. After all – Eurovision is strangely enough, a really big thing in Armenia, and there aren’t very many alternatives to them either. […]
Satria tsy tiako ireo tovovavy mivazavaza sy mikiakiaka, miseho fa mihira, nahemotro hatrany ny famoahana momba azy ity, na dia nahazo fanasana hanatevin-daharana ny vondrona Facebook iray manohana ireo zazavavy ao amin'ny Eurovision aza, nahatakatra aho, na tianao na tsy tianao, fa hisolo tena an'i Armenia izy ireo ary hanohana an'i Armenia aho- na dia eo aza izany safidy ratsy izany. Araka izany, ny Eurovision dia tena mahagaga, zavatra tena goavam-be any Armenia, ary tsy dia misy zavatra maro hafa hosafidian-dry zareo koa. […]
Ny hafa kosa, hafa mihitsy ny fahatsapany. Unzipped: Gay Armenia, ohatra, manantena fa ho voafidy ireo mpihira roa ireo amin'ny latsa-bato amin'ny Asabotsy.
Inga and Anush Arshakyans revealed that they will perform song “Gutan” as Armenia entry in Eurovision 2009. Of course, if they are chosen to do so during the final selection on 14 February. […] They are talented, have good voice and performance skills. They are not boring, and different in a nice way. And I quite liked their song “Gutan” – mixed folk song. Not bad. Not bad at all. Quite good, actually. Go Inga and Anush!
Nanambara i Inga sy Anush Arshakyans fa hampiseho ny hira “Gutan” izy ireo amin'ny fidiran'i Armenia ao amin'ny Eurovision 2009. Mazava ho azy, raha voafidy hanao izany izy ireo mandritra ny fifidianana farany ny 14 Febroary. […] Manana talenta izy ireo, manana feo tsara sy fahaizana manao fampisehoana. Tsy mankaleo ry zareo, ary hafa amin'ny fomba mahafinaritra. Ary tiako ny hira “Gutan” ataon'izy ireo – hira folk mifangaro. Tsy ratsy. Tsy ratsy mihitsy. Tena tsara, raha ny marina. Alefa Inga sy Anush!
Miombon-kevitra i Real Armenia.
[…] my vote goes for Inga and Anush Arshakyan!!!
Arshakyan initially started with the Armenian State Song Theatre and later presented Armenian ethno-folk songs in modern arrangements. The music saves the traditional melodies and adds a beautiful modern twist to them.
[…] ho an'i Inga sy Anush Arshakyan ny latsa-batoko !!!
Nanomboka tamin'ny teatra hiran'ny teathram-panjakana Armeniana i Arshakyan, ary avy eo nampiseho ny hira ethno-folk Armeniana tamin'ny fandrindran-kira maoderina. Manavotra ireo gadona nentin-drazana ny mozika ary manampy fanavaozana mahafinaritra amin'izy ireo.
Amin'ny andro faha-dimy, ho atao ny safidy ary ho sahirana kely ny Armeniana ao anatiny sy any ivelany.