
Milina mpivarotra any amin'ny distrikam-pialam-boly ao Honmachi, Tsuruga, Japan. Sary avy amin'i Nevin Thompson.
Efa nalaza tamin'ny fivarotana ireo zavatra mahavariana hatry ny ela ny milina japoney mpivarotra — tahaka ny voninkazo, elo, ary eny fa hatramin'ny kravato aza. Saingy na dia efa misy milina mpivarotra iray isaky ny olona 23 sy vola maty mihoatra ny 60 miliara dolara isa-taona aza, dia mbola misy ihany ny talanjona any amin'izay mitranga eny amin'ny fivoahana ny seranana.
Milaza ny tantaran'ireo milina mpivarotra sakafo tokanamantany miisa telo, hita amin'ny tanàna telo samy hafa, izay nahasarika ny Twitter ny mpisera senegirl ao amin'ny tranonkala fanangonam-botoaty Naver Matome.
日本初?!らしいけど…
pizzaが焼きたてで買える自動販売機(笑)
中でおじさんが焼いてるわけではなさそうでした。 pic.twitter.com/MnNCiDpDZH— ケロちゃん@グラブル初心者 (@Lee_sakura1210) September 1, 2018
Sambany eto Japan? Toa tahaka izay… milina mpivarotra pizza vao mafana! (ha ha) miloka aho fa misy lehilahy razokiny ao anatiny mikarakara ilay pizza.
Ao an-tanànan'i Hiroshima, be resaka ny mponina tamin'ny fahitana ny milina iray mpivarotra pizza miorina eo akaikin'ny toeram-pihaonana [ara-pihariana] TSUTAYA, ao anatin'ny rojom-pirenena fivarotana boky ao Japan. Manolotra karazana pizza roa ilay milina mpivarotra: margherita (basil, fromazy mozzarella, ary saosy voatabia) amin'ny vidiny tokony ho US$10 sy ny frômazy-efatra amin'ny vidiny US$13 ary telo minitra monja ny fotoana ahandroana azy. Manantena ny orinasa niavian'ny TSUTAYA, izay nametraka ity milina mpivarotra ity, fa hametraka milina tahaka izao any amin'ireo fivarotam-boky manerana an'i Japan.
Mandritra izany fotoana izany, gaga am-pifaliana ny olona amin'ny fahitana izany milina mpikapoka [mpanamboatra] pizza.
日本初!話題のピザ自販機!
会社の近くなので行ってみました(^^)
ピザにはレモスコですね?
今日は時間がなく購入はできなかったので、また後日チャレンジします(*'▽'*)#レモスコ #ピザ pic.twitter.com/5RxFNY5ge7— レモスコ(ヤマトフーズ) 公式 (@_lemosco) August 22, 2018
Ny voalohany amin'ny karazany eto Japan! Milina mpivarotra pizza vita. (^^)
Eto akaikin'ny asako ka nihevitra aho fa ho eto ary hanandrana. Ito izy ito miaraka amin'ny Lemonsco-ko. Tsy nanam-potoana hakàna azy aho, fa amin'ny manaraka aho ho eo! (*'▽'*)
Mandritra izany fotoana izany, any Inashiki, tanàna iray miorina ao amin'ny prefektioran'i Ibaraki tokony ho ora iray avy ao avaratra atsinanan'i Tokyo raha amin'ny fiaran-dalamby, trano fisakafoanana iray no hita ho manana milina mpivarotra efa niasa hatramin'ny taompolo 1960 mbola miasa sy mandeha tsara.
国道沿いにたたずむあらいやオートコーナーでは、なつかしのレトロ自販機でお弁当が買えるよ。1個300円のお弁当は近くのお店で作られた手作り。多いときは1日100個も売れる人気商品です?https://t.co/W329qK7ItI pic.twitter.com/E161A1MTXK
— BQ B-spot explore (@B_spot_explore) March 30, 2018
Manaraka ny arabe fandehanana malaky ao amin'ny fijanonan'ny fiara iny misy milina mpivarotra efa tranainy, mampanenmbona ahafahanao mividy sakafo amin'ny boaty. Amin'ny vidiny 300 yen (3 dolara amerikana) ianao afa-mividy sakafo vita amin'ny boaty malefaka nataon'ny fivarotana eo akaiky eo.
Afa-mividy vary sy hena anaty boaty miaraka amin'ny bagety fihinanana ny mpandeha amin'ny vidiny 300 yen. Misy karazany telo azo isafidianana: akoho voaendy, kotoletan-kisoa, ary hena voaendy, ary ity farany ity no tena isafidianan'ny olona.
テレビで有名になった弁当自販機の焼肉弁当。
#これを見た人はフォルダの食べ物を晒す pic.twitter.com/Q70VuhAHVY— ちが (@citrus_spp) August 31, 2018
Ilay milina mivarotra hena nendasina nivoaka tao amin'ny fahitalavitra.
Farany, any amin'ny tanàna miafin'i Kagoshima, any atsimo andrefan'ny nosy Kyushu, no mitoetra ny milina mpivarotra tampontratroka iray. Hita ao amin'ny distrikam-pivarotan'i Kagoshima ao Tenmonkan izany, takona akaikin'ny fiatoan'ny bus ary lazaina ho sarotra hita.
Misy ireo tsara vintana ka mahita milina mpivarotra tsy fahita mahazavatra izay voakarakara amin'ny tampontsatroka matsiro amin'ny vidiny 200 yen (tokony ho 2 dolara amerikana).
鹿児島の隠れた名物クレープの自販機! pic.twitter.com/eBocQVwotU
— やきとり弁当 (@kirakira2nd) August 24, 2018
Vatosoa miafin'i Kagoshima: milina mpivarotra tampontsatroka!
Manolotra karazana hanitra amin'ny tampontratroka ity karazana milina mpivarotra ity, tafiditra amin'izany ny roatran-tsôkôlà mivaingana, karamelina, roatra frezy mivaingana, ary frômazy. Atolotra ao anaty tavoahangy ny tampontratroka, izay angatahana amin'ny mpanjifa averina rehefa mahalany ry zareo.
Amin'ity milina lasa iray amin'izay tiana indrindra amin'ny karazany ity, manontany tena ny mpisera sasany raha manana iray tahaka izany azy manokana ny tanàna hafa:
ないです・・・
いいなぁ!!— 林檎ソーダ@†AtRたまアリ2days超余韻† (@apple_soda1810) August 26, 2018
“Ao Kagoshima ity milina mpivarotra tampontsatroka ity, fa manana iray ve ny hafa ao amin'ny prefektioran-dry zareo?”
“Tsia, tsy manana izahay. Manam-bintana tokoa ianareo…”