Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Liva Andriamanantena · Jona, 2018

imailaka Liva Andriamanantena

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Jona, 2018

Azerbaijana: Nolavina ny fangatahana ny fampakarana ny raharaham-pitsarana ho an'ireo bilaogera mpikatroka

Notaterin'ny ny Media Helping Media ny fandavana ny fampakarana ny raharaham-pitsarana an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli, bilaogeran-dahatsary roa sady mpikatroka ho an'ny tanora, izay notanana am-ponja vonjimaika tany Azerbaijan, noho ny antony izay heverin'ny maro fa ara-politika .

Libanona: Tsy nahomby ny alin'ny tsy fifohana sigara

Ny “Ain't No Smoking 2nite” (ny alin'ny tsy fifohana sigara) dia hetsika nokarakarain'ny fikambanana Rotaract, natao tany amin'ireo toeram-pisotroana tao Gemmayze tany Beirota. Ity hetsika ity dia natao ho fanairana momba ny voka-dratsin'ny fifohana sigara sy mba handrisihana ny manampahefana amin'ny fampiroboroboana ny politikan'ny tsy fifohana sigara ao Libanona.

Port Harcourt: ny ‘setroka mainty matevina’ ao an-tanàndehiben'i Nizeria

Mahatonga homamiadana sy areti-tratra ny setroka mainty, ary mampitombo ny tahan'ny aretim-po ny miaina maharitra ao anaty setroka mainty .

Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 11 -17 Jona 2018?

Nandritra ny herinandron'ny 11 Jona ka hatramin'ny 17 Jona 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 205 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha 17 ao amin'ny lisitra ve ? Filipina. Ary ny faha 78 ? Senegal.

Malezia: Noenjehin'ilay politisiana ilay bilaogera fa nanala baraka azy

Notorian'ilay mpanao politika, fantatra amin'ny fanohanany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Malezia, ilay bilaogera sady mpanao gazety zokiolona noho ny fanalam-baraka.

Olana goavana ny fako plastika ao Oganda

"Afaka manao toy izany ihany koa ianao ... ny fahazarana ho an'ny mpandeha ny manary fako eny an-dalana rehefa mandeha izy ireo. Tazony ny fakonao ary ario izany rehefa tonga any amin'izay alehanao ianao."

Maoritania: Voatazona tany am-ponja ilay mpanao gazety Hanevy Ould Dahah

Nosamborina noho ny fanehoan-kevitra tao amin'ilay tranonkalan'ny mpanohitra Maoritaniana elatra ankavia Taqadoumy izay notantanany ilay mpanao gazety Maoritaniana Hanevy Ould Dahah.

Oman: Eid tao amin'ny Twitter

Ankalazaina mandritra ny telo andro aorian'ny faran'ny volan'ny Ramadany ny Eid al Fitr ao Oman.

Oman: Fihaonan'ny mpisera Twitter 

Nanatontosa ny fihaonana Twitter voalohany i Oman. Mpisera Twitter miisa 25 mahery no nanatrika ny hetsika ary indro ny bilaogy sy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba izany.

Iraka: Ho fahatsiarovana an'i Michael Jackson

(Marihina fa tamin'ny 29 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) Misy fanehoan-kevitra maro ao amin'ny bilaogy Irakiana momba an'i Michael Jackson. Nefa aloha … Vakio ity manaraka ity raha hamaky bilaogy ianao amin'ity herinandro ity : Tsara vakiana ity lahatsoratra ity na dia efa somary tara aza. Nanomana...