(Marihina fa tamin'ny 9 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nanatontosa ny fihaonana Twitter voalohany i Oman tao amin'ny Tsenambarotra Al Masa. Ilay bilaogera Sangeetha ao amin'ny Digital Oman no nikarakara ny hetsika sady nandrindra ny dingana ary nanomana ny fandaharana. Mpisera Twitter maherin'ny 25 no nanatrika izany, anisan'izany ny lehilahy sy ny vehivavy, ny mponina ary ny mpila ravinahitra. Nisy fizarana tombola tany am-piandohan'ny lanonana ary nomena harona misy fanomezana ireo mpanatrika.
Nandefa fanehoan-kevitra momba ilay hetsika ilay bilaogera ao amin'ny Dear Raed ary nilaza hoe:
overall 3ashra 3alla 3ashra (10/10)… next time i think it needs to be less formal and more relaxed so people can get a chance to talk more and get to know each other .. this can become a start to what can eventually become an official Omani On-Line community.. or maybe not ..
amin'ny ankapobeny, 3ashra 3alla 3ashra (10/10) … amin'ny manaraka dia heveriko fa tokony atao tsotra kokoa sy mafana kokoa ny hetsika mba hahafahan'ny olona miresaka sy mifankahalala bebe kokoa. .. Dingana voalohany amin'izay mety hiafaran'ny vondrom-piarahamonina antserasera ofisialin'ny Omani any aoriana ny hetsika .. na angamba tsia ..
Namaritra ny hetsika tamin'ny teny Arabo ilay bilaogera Muawiyah:
Tao amin'ny Twitter, nisioka i Maithams fa mino izy fa ho zatra kokoa amin'ny fampiasana Twitter satria efa fantany amin'izao fotoana izao ny momba ireo olona hafa antserasera.
Niverina avy amin'ny #Muscattwestival. Fihaonana tena nahaliana tsy maintsy lazaiko izany.. Ho mora kokoa ny misioka miaraka aminareo ry zareo
Nisioka i Muscati fa tiany raha mbola misy ny fivoriana hafa toy izany :
Tiako raha misy fihaonana isa-potoana, tsy maninona io na bilaogera na sioka. Mety ho isam-bolana. Fivoriana tsotra
Nomena ny tenirohy #MuscatTwestival , ny fanavaozam-baovao Twitter rehetra nifandraika tamin'ity hetsika ity, anisan'izany ny sary .