Maoritania: Voatazona tany am-ponja ilay mpanao gazety Hanevy Ould Dahah

(Marihina fa tamin'ny 15 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Photo of Hanevy in the United States by Nasser Weddady Sarin'i Hanevy tany Etazonia, avy amin'i Nasser Weddady

Tamin'ny volana Jona 2009, ny tranonkalan'ny Global Voices Advocacy no voalohany nitatitra fa nosamborina noho ny fanehoan-kevitra tao amin'ilay tranonkalan'ny mpanohitra Maoritaniana elatra ankavia Taqadoumy izay notantanany ilay mpanao gazety Maoritaniana Hanevy Ould Dahah. Raha nohelohina enim-bolana an-tranomaizina i Ould Dahah dia ny 24 Desambra 2009 no tokony hahazo fahafahana. Saingy, ny 26 Desambra, nilaza ilay bilaogera Nasser Weddady ao amin'ny Dekhnstan fa mbola notànana i Ould Dahah. Tao amin'ny lahatsoratra voalohan'ny bilaoginy, nanoratra izy hoe :

C'est la raison pour laquelle j'ai décidé de bloguer. Le cas de Hanevy n'est pas simplement celui d'un blogueur et/ou journaliste incarcéré pour des motifs politiques, il s'agit là d'une situation qui aura des implications profondes pour le pays. Si le Général Aziz ne fait face à aucune résistance lorsqu'il traite ainsi un journaliste, il va certainement se sentir libre de réprimer toute voix discordante en toute impunité. Disons le, il s'agit DU test qui augurera de l'avenir des droits civiques dans la minuscule nation mauritanienne, qui est souvent oubliée.

Izany no antony nanapahako hevitra hamahana bilaogy. Tsy hoe momba ny maha bilaogera sy/na mpanao gazety fotsiny azy ny raharahan'i Hanevy izay nogadraina noho ny antony ara-politika, fa toe-javatra iray izay hisy fiantraikany lalina eo amin'ny firenena . Raha tsy miatrika ny fanoherana ny Jeneraly Aziz amin'ny fomba ataony amin'ny mpanao gazety, dia mety hahatsiaro fahalalahana izy amin'ny famoretana ireo feon'ny mpanohitra rehetra. Aleo lazaina fa IZANY no fitsapana amin'ny hoavin'ny zo sivily ao amin'ny firenena bitika Maoritaniana, izay matetika adino.

Nitatitra ihany koa i Nasser Weddady fa nanomboka nanao fitokonana tsy nihinan-kanina i Ould Dahah ny 28 Desambra 2009. Ny 5 Janoary 2010, nanameloka ireo manampahefana Maoritaniana tamin'ny fitazonana an'i Ould Dahah tany am-ponja taorian'ny daty voatondro ho famotsorana azy ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ). Avy eo nampahatsiahivin'ny Tambajotra Fampahalalam-baovaon'ny Zon'olombelona Arabo (ANHRI)  ny governemanta Maoritaniana mba hanaja ny lalàna .

Mbola notanana i Ould Dahah araka ny tatitra nataon'ny gazety antserasera ny 15/01/10. Nanambara i Dekhnstan  ny 14 janoary fa:

Une audience dans l'affaire de Hanevy Ould Dahah devrait théoriquement avoir lieu devant la court suprême aujourd'hui (14 janvier), après une soudaine citation à comparaitre devant la plus haute court du pays.  Pourtant cette procédure sera illégale. Ne vous méprenez pas, le gouvernement mauritanien ne s'est pas subitement rendu compte de l'erreur commise, en fait, il essaye de masquer sa gestion tout à fait illégale du cas de Hanevy. En réalité, les autorités chercheraient à le condamner à une autre peine!

Tokony hatao eo anatrehan'ny Fitsarana Tampony androany (14 Janoary) ny fotoam-pitsarana ny raharaha Hanevy Ould Dahah rehefa nisy ny fiantsoana tampoka mba hisehoany eo anatrehan'ny fitsarana ambony indrindra ao amin'ny firenena. Na izany aza dia tsy ara-dalàna io dingana io. Aza disoana aho, tsy nahatsapa ny fahadisoana nataony ny governemanta Maoritaniana, fa kosa nikasa ny hanafina ny fitantanany ny raharaha Hanevy izay tena tsy ara-dalàna. Raha ny tena marina, nikasa ny hanameloka azy amin'ny heloka iray hafa ny manampahefana!

Nanonona ireo solontenam-panjakana Maoritaniana izay nandray anjara tamin'ny fitazonana an'i Ould Dahah ihany koa i Nasser Weddady “Ny zava-tsarotra tsy maintsy atrehan'i Hanevy dia avy amin'ny manampahefana ambony indrindra Maoritaniana dia ny Jeneraly Mohamed Ould Abdelaziz. Izy irery ihany no manan-jo amin'ny fiainan'ny olona rehetra izay heveriny ho adala manohitra azy ao anatin'ny rafitra izay hiainan'ireo Maoritaniana . “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.