Port Harcourt: ny ‘setroka mainty matevina’ ao an-tanàndehiben'i Nizeria

Pikantsary avy amin'ny Fanentanana #StoptheSoot (Atsaharo ny setroka) tao Port Harcourt, Nizeria

Efa hatry ny ela no saron'ny setroka mainty matevina, miaraka amin'ny vovoka ary mampidi-doza ny fahasalamana izay atahoran'ny olona fa hanimba ny fahasalaman'ny mponina an-tapitrisany na mihoatra i Port Harcourt, foiben'ny indostrian'ny solika Nizeriana .

Nahatonga ny mponina hanadio tsy tapaka ny setroka tamin'ny fiara sy ny fonenany ny rivotra mainty feno poizina ary tsy maintsy nanaovana ny fitafiana fiarovana ho fandraisana fepetra, ka nahatonga ny fahatsiarovan-tenan'ny vahoaka momba ny fahasarotana sy ny fielezan'ity krizy ity izany. Nilaza tamin'ny CNN i Saatah Nubari hoe:

“You're wiping your face with a handkerchief and everything is black. You're trying to clean your car and everything is black. Or you look at the soles of your feet and it is just pitch black.”

“Rehefa mamafa ny tarehinao amin'ny mosoara ianao dia misy mainty be daholo izany. Miezaka ny hanadio ny fiaranao ianao ary mainty be daholo izany. Na mijery ny faladian-tongotrao ianao ary dia mainty be izany. “

Nampitandrina ny fiantraikan'izany i George Kerley, mpanoratra ho an'ny TheCable hoe:

The increasing level of soot in the air and environment of Port Harcourt is largely due to two factors, the activities of security agencies who burn off illegally bunkered petroleum products and the activities of illegal oil refinery operators who run their operations from the creeks and hinterlands of some of the communities around and surrounding Port Harcourt. It has been established that soot causes cancer and lung disease and maybe the second biggest human cause of global warming. It has also been established that long-term exposure to urban air pollution containing soot increases the risk of coronary artery disease.

 

Noho ny antony roa no mahatonga ny tahan'ny fiakaran'ny setroka mainty amin'ny rivotra sy ny tontolo iainana ao Port Harcourt, etsy ankilany ny asa ataon'ny sampan-draharaham-piarovana izay mandoro ny vokatry ny solika tahirizina amin'ny fomba tsy ara-dalàna ary etsy andaniny ny asa ataon'ny orinasa mpitrandraka solika antsokosoko izay manatanteraka ny asa ataony avy amina renirano sy ireo faritra mitoka-monina sasany manodidina an'i Port Harcourt. Voamarina fa miteraka homamiadana sy aretin'ny havokavoka ny setroka ary angamba antony faharoa mahatonga ny fiakaran'ny hafanana maneran-tany avy amin'ny olombelona. Voamarina ihany koa fa mampitombo ny tahan'ny aretim-po ny fandotoan-drivotra misy setroka maharitra ao an-tanàndehibe .

Raha nilaza ny ahiahiny momba ny krizin'ny tontolo iainana ny mponina manerana ny tanàndehibe dia nanambara ny fandotoan-drivotra ho “hamehana” ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana tao Nizeria tany am-piandohan'ny taon-dasa, saingy nanilika ny andraikiny tany amin'ny orinasa mpanodina solitany tsy ara-dalàna sy ny fandoroana kodiarana.

Ity fanilihan'andraikitra ity dia sady tsy nanakana ny setroka mainty no tsy nanadio ny rivotra , ary nanosika ireo mpisera haneho ny hatezerany tao amin'ny Twitter tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohy #StoptheSoot (Atsaharo ny setroka mainty):

Nampiseho ny lanitry ny tanandehibe rakotra setroka mainty matevina ny mpisera Twitter iray :

Tsy ao PH ihany fa hatrany amin'ny faritra atsimon'i Nizeria rehetra, tena mampahonena.

Nizara ity sarin'ny setroka mainty mandrakotra ny tranony ity ny mpisera iray hafa:

Toy izao no fohina eto Port Harcourt! ô la la….Nanadio ny efitranoko aho tamin'ny maraina!

Lasa nivadika ho hetsika ara-tontolo iainana tanteraka mitaky rivotra madio sy tontolo iainana azo antoka manerana ny faritry ny Fanjakana Rivers State ao amin'ny Vinany ao Nizeria ny tenirohy #StoptheSoot  tao amin'ny Twitter. Nidina an-dalambe ny vondrona mpanandrateny mba hanao hetsi-panoherana ary nihaona tamin'ny governemantan'ny Fanjakana Rivers.

Nisarika ny sain'izao tontolo izao ny hetsika iray hafa notarihan'ny olom-pirenena avy ao amin'ny Global Shapers Community ao Port Harcourt momba ny loza ara-tontolo iainana ao an-toerana tamin'ny fanangonan-tsonia tany amin'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Tontolo Iainana.

Nanazava i Ebenezar Wikina, mpikambana ao amin'ny vondrona :

The funniest thing is people who are freaking out the most about the soot are people who just got to know about it only few weeks or days ago. The soot thing was first noticed by Port Harcourt residents as far back as October 2016. Yes, October…. Although the Commissioner for Environment, Prof Roseline Konya, eventually came out to engage citizens through various radio stations in Port Harcourt, but in the heat of our advocacy the authorities were silent. The best we heard was that testing was currently being done. Testing, Testing. Testing what? Is it a microphone? People were vexed! The hashtag trended for days as people kept showing evidence of the soot around them — at home, at work, and even in their nostrils.

It was at this time the Port Harcourt Global Shapers decided to call for higher powers. We started a petition on Change.org (which at the moment is closing in on 300 signatures). We have taken it further by informing [United Nations] UN Environment officially about the issues. Of course, the UN cannot come down to solve our problems for us but maybe if the international community is aware, the challenge we’re facing will be handled with more urgency.

 

Ny tena mampihomehy dia ny olona izay vao nahalala mikasika izany herinandro vitsy na andro vitsy lasa no tena taitra taminny setroka mainty. Nahatsikaritra ny setroka mainty voalohany ireo mponin'i Port Harcourt tamin'ny volana Oktobra 2016. Eny, Oktobra …. Na dia nirotsaka an-tsehatra aza ny Vaomieran'ny  Tontolo Iainana, Prof Roseline Konya, tamin'ny alàlan'ny fampielezam-peo isan-karazany tao Port Harcourt, saingy nangina ny mpitondra manoloana ny fitarainana. Ny zavatra tsara indrindra mba re dia ny hoe efa misy ny andrana atao amin'izao fotoana izao. Andrana, Andrana. Andrana amin'inona? Mikrô ve izany? Tezitra ny olona! Nalaza nandritra ny andro maromaro ny tenirohy raha nitohy naneho ny porofon'ilay setroka mainty manodidina azy ireo ny olona, tany an-trano, tany am-piasana, eny fa na dia teny amin'ny vavorony aza.

Tamin'izay fotoana izay no nanapa-kevitra ny hiantso ireo fahefana ambony kokoa ny Global Shapers ao Port Harcourt. Nanomboka nanao fanangonan-tsonia izahay tao amin'ny Change.org (izay nahangona sonia miisa 300 hatramin'izao). Nandeha lavidavitra kokoa izahay tamin'ny fampahafantarana ny [Firenena Mikambana] miandraikitra ny Tontolo Iainana momba ireo olana. Mazava ho azy, tsy afaka mamaha ny olana ho anay ny ONU, fa angamba raha mahafantatra izany ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, dia mety hisy hamaha haingana kokoa ny olana izay atrehanay.

Mitaky hetsika maika sy henjana kokoa hiarovana ny tontolo iainana ny hetsika, ary nanamarina fa ny tontolo iainana azo antoka sy mahasalama no lakilen'ny fampandrosoana maharitra sy ny zon'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.