Tantara tamin'ny Febroary, 2022
Fanafihana voarindra mahazo ireo Bangladeshita mpikatroka ao amin'ny Facebook
Tao anatin'ny fanafihana fiaraha-miasa vao haingana nataon'ireo olon-tsy fantatra, nivadika tamin'ny fomba misitery ho sary fanomezam-boninahitra ahitana ny voambolana "Remembering" (tsaroana) tsy azo idirana ny horirantava Facebook an'ireo olo-malaza, mpanao gazety, olon'ny media ary mpikatroka avy any Bangladesh.
Fiainana ampielezana: Tantaran'ny Nepaley mpiasa iray nifindra monina tany Qatar
"Izany no niainanay. Ireo mangina no tadiaviny. Ireo izay azo ampanginina." Fitantaran'ny Nepaly iray niondrana andafy hiasa niverina nody rehefa nandany telo volana tao Qatar.
(Fony) Senegaly ambivitry ny handrombaka ny amboaran'i Afrika
Araka ny efa fantatsika dia azon-dry zareo ihany ity amboaran'i Afrika ho an'ny Firenena ity. Fa nanao ahoana ny fotoana fohy nialoha ny lalao famaranana nifanaovany tamin'i Ejipta?
Manamarika ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demaokrasia ao Myanmar
“Nandà tsy hamela ny tenan'izy ireo ho lasa andevon’ny miaramila indray ny vahoaka, ary tsy ho kivy mihitsy”.
Tsy hahavaha olana amin'ny fitsinjaran-karena ao Kazakhstan ny fanekena hijery ambany (hitsongoloka) indray
Raha tsy misy fanavaozana matotra indray amin'ny toekaren'ny firenena, naka fepetra hafa mitsongolokaa ny mpitarika ao Kazakhstan mba hiadiana amin-tahotra ny hantsana eo amin'ny olona— antony lehibe indrindra nahatonga ny hetsi-panoherana malaza tamin'ny volana Janoary.
Peng Shuai, ilay kintan'ny tennis sy ny Profesora Gulnar Obul: avy any am-pahababoana dia lasa mpilalao sarimihetsika
Môdely mitovitovy no nasehon'ny zara sy lahatra ho an'ilay kintan'ny tennis sy profesora iray izay nanakiana ny fitantanan'i Shina. Nivadika ho fanohanana an-tery nataon'ny vahoaka ilay kiana.
Mitady mpitarika tetikasa Lingua ny Global Voices mba hitantana ny tetikasa sy ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny
Mitady mpitarika ho an'ny tetikasa Lingua izahay mba hitarika ny ekipan'ny fandika-teny, hiantoka fa misy amin'ny fiteny maro ny asanay ary miaro ny fahamaroan-teny amin'ny aterineto.
Ny ABIDIn'ny karnivaly ao Trinidad & Tobago Carnival, atao amin'ny TikTok
Miaraka amina vazivazy kely, mijery ireo lohahevitra mifandraika amin'ny karnivaly ao Trinidad & Tobago ny CarnivALPHABET .
Voasakana tsy hiditra tao Mozambika ny teratany Nizeriana iray, namelona indray ny adihevitra momba ny fivezivezena aty Afrika
Mozambikana maro no nahatsikaritra ny adihevitra, izay nanameloka ny fihetsiky ny manampahefana misahana ny fifindra-monina, naneho firaisankina tamin'ilay mpandeha.
Anjorom-bala ireo Musahars ao Nepal
Hatry ny ela no efa natao an-jorom-bala sy navakavahana ireo vondrompiarahamonina Musahars. Vao mainka nanaratsy ny toedraharaha ny nahatongavan'ny valanaretina COVID-19