Ny ABIDIn'ny karnivaly ao Trinidad & Tobago Carnival, atao amin'ny TikTok

Pikantsary avy amin'ny andiany CarnivALPHABET vaovao an'i Stephon Felmine.

Ara-potoana ho an'ny Karnivaly Trinidad &Tobago 2022 (na farafaharatsiny ny fisehony toy ny valanaretina), miala any ny andiany vaovao amin'ny TikTok vaovao ataon'ilay mpampianatra malaza lasa mpanao hatsikana ety anaty tambajotra Stephon Felmine, izay nandeha tamin'ny herin'ny tenany mba ho hitan'ny mason'ireo media sôsialy tamin'ny 2020 tamin'ny alàlan'ilay Fampisehoany “Trini Alphabet”.

Efa mitety ireo fantsona tambajotra sôsialy sahady ilay andiany mampiasa lohahevitra Karnivaly, nomena anarana tamin-kafetsena ho “CarnivALPHABET”. Ny fomba nataon'i Felmine dia mifantoka amin'ireo lohahevitra manodidina ny Karnivaly, “A” hatramin'ny “Z”: hazavainy ny dikan'izy ireny (tena ilain'ireo tsy avy ao an-toerana) ary avy eo ampiasainy ao anaty fehezanteny iray ilay teny, natao hihomehezana. Mandritra ilay andiany, mitafy vorotr'akanjo tonta avy tamin'ny karnivaly izy, mahatonga ireo seho ho vao mainka mahatsikaiky kokoa.

Mbola aloha loatra izao, saingy natombok'i Felmine tamin'ny litera “A”, ho an'ny Ash Wednesday (Alarobian'ny Lavenona), izay nofaritany ho toy ny andro manamarika ny fiantombohana miainga avy amin'ny  “divay sy kaonfitira” amin'ny Carnival bacchanalia ka hatramin'ny feo “tony sy malefaky” fanajàna ny karemy kristiàna:

‼️Fanairana Andiany Vaovao‼️
Tongasoa ny Trinbago CarnivAlphabet!🇹🇹 “A” no litera amin'ity anio ity! A ho an'ny… pic.twitter.com/v12gHuZ2QE

Notrandrahany ihany koa ny endrika nentimpaharazana ananan'ny Baby Doll Carnival, sy ny lanjan'ireo fankalazàna Canboulay ho an'ny fanehoana vatana amin'ny fomba maoderina an'ilay fisehoana ivelany.

Vitan'i Felmine hatramin'ny nanome endrika mifandray amin'ny valanaretina ny Dimanche Gras (Big Sunday), ilay hetsika izay mandritra izany no anomezana ny satroboninahitra ho an'ny Mpanjakalahy sy ny Mpanjakavavin'ny Karnivaly, sy ny Andriamanitry ny Calypso:

“D” no litera ho an'ny anio!🇹🇹 “D” ho an'ny…#stephon23 #carnivalphabet pic.twitter.com/VjJhhbxxDQ

Azonao arahana ao amin'ny TikTok na Twitter ilay andiany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.