(Fony) Senegaly ambivitry ny handrombaka ny amboaran'i Afrika

Mpiondana Senegaly nandritra ny lalao nifanandrinany tamin'i Polonina tamin'ny Mondialy FIFA 2018 tao Rosia. Saripika avy amin'i Екатерина Лаут rch via Wikimedia Commons, 20 Jona 2018 (CC BY-SA 3.0)

Efa nikoriana hatry ny ela dia ela ny fanirian'i Senegaly handrombaka ny Africa Cup of Nations (AfCON na Coupe d'Afrique des Nations) ho fanamafisana ny maha-manana ny heriny lehibe azy eo amin'ny sehatry ny kaontinanta. Tamin'ity taona ity anefa, hofaranany hatreo ny tsi-fananany amboara, manantena ny mpankafy fa ho efa zavatra taloha izany fiadiana mafy ny mba hananana amboara izany.

Nanao dingana lehibe ny Lionan'i Teranga tamin'ny 3 febroary teo, mba hampitsaharana ny fikatsahan-dry zareo amboara notsiriritina fatratra, rehefa tafakatra dingana famaranana fanintelony teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika teo amin’ny tantarany, rehefa tafakatra famaranana ihany koa tamin'ny taona 2002 sy ny taona 2019.

Rehefa nangirifirin'ny faharesena nanoloana an'i Kamerona sy i  Alzeria tamin’ireo fotoana ireo, dia hifanandrina amin’ny fahavalony hafa ao Afrika Avaratra indray, amin’ny fiatrehana ny Egyptiana tompondaka amin’ny lalao famaranana ao amin’ny kianjan’i Olembe ao Kamerona (t)amin'ny 6 febroary.

Ity no mety ho taona tsara indrindra eo amin'ny tantaran'ny firenena, fotoana andrasan'ny firenena iray manontolo. Ny fankalazana taorian'ny fandresen'izy ireo an'i Burkina Faso teo amin'ny lalao manasa-dalana tamin'ity taona ity no topimason'ny hafaliana handevona ireo Senegasy mpankafy baolina fandaka raha toa ka mandresy amin'ny famaranana ny ekipany:

Toe-tsaina manasa-dalana ho an'ny #TeamSenegal 🥳

Saikou Seydi, Senegaly mpanao gazety resaka football, any Kamerona mitantara ny fifaninanana ho an'ny Emedia Invest Group, no nilaza tamin'ny Global Voices hoe:

This can be our year. I think that since 2017, we have been asking if it is the right time. But there is more hope for this year. The main strength of the team this year is their spirit of togetherness. The entire nation is behind this team. We have never seen such support in the previous years and it shows they want to win this trophy.

Ity no mety ho taonantsika. Heveriko fa efa nanomboka tamin'ny taona 2017 isika no nanontany raha izao no fotoana mety. Fa mbola betsaka kokoa ny fanantenana amin’ity taona ity. Ny tena tanjaky ny ekipa amin’ity taona ity dia ny toe-tsain’ny fiarahana. Ny firenena iray manontolo no ao ambadik’ity ekipa ity. Tsy mbola nahita fanohanana toy izany isika taloha ary mampiseho fa maniry ny hahazo ity amboara ity ry zareo.

Mitsabo ny ratran'ny lasa

Efa in-16 i Senegaly no tafakatra hatrany tamin’ny fifanintsanana CAN atao isaky ny roa taona, andiany roa monja (taona 2010 sy 2013) ihany izy no tsy hita hatramin'ny taona 2000. Izy ireo no firenena tsara laharana indrindra amin’ny baolina fandaka eto amin’ny kaontinanta, saingy tsy manana amboara haseho amin’izany.

Na dia noheverina ho goavana amin'ny baolina fandaka afrikanina aza ny Lionan'i Teranga dia mbola eo ambany aloky ny mpifanandrina aminy izay nahomby kokoa toa an'i Nizeria, Côte d'Ivoire ary Ghana, izay efa samy nahazo ny amboara in-droa farafahakeliny.

Nandritra ny taona maro, zatra tsy nahomby i Sénégal, saingy mino i Saikou fa ny fandrombahana ny amboaran'ny Firenena no hitondra an'i Sénégal “hivoaka ny haizina”, ary hisy dikany lehibe ho an'ireo mpankafy azy eran'izao tontolo izao:

Senegalese fans are not the only people expecting Senegal to win the trophy. Many African nations believe Senegal has to be compensated because they deserve it. It would be a big relief. It would be a perfect reward to all the previous generations who fought hard to ensure football in Senegal attains this height. Our prayer is to see this current generation win the trophy. They are reaping the fruit of what they planted.

Tsy ny mpankafy Senegaly irery ihany no manantena an’i Senegaly hahazo ny amboara. Firenena Afrikana maro no mino fa tsy maintsy omena valisoa i Senegaly satria mendrika azy izany. Ho fanamaivanana lehibe izany. Ho valisoa tonga lafatra ho an'ireo taranaka teo aloha rehetra izay nitolona mafy mba hahazoana antoka fa hahatratra io haavony io ny baolina kitra any Senegaly. Ny vavaka ataonay dia ny hahita ity taranaka ankehitriny ity hahazo ny amboara. Mijinja ny vokatry ny namboleny ry zareo.

Mandrava ny ozon-taranaka?

Taranaka mpilalao manan-talenta maro no nisolo tena an'i Senegaly, saingy ny tsy fahombiazan'izy ireno no mety ho hery manosika ny ekipa ankehitriny. El Hadji Diouf, efa indroa nahazo ny mpilalao afrikaninan'ny taona, nilalao tamin'ny lalao famaranana tamin'ny 2002, no niteny tamin'ny CAF Online tamin'ny volana lasa teo:

It’s hard. When you look at the generations of [talent] that have come and gone in the national team, it’s unbelievable that we haven’t yet managed to win the trophy. But I am convinced when Senegal wins their first trophy then it would be very difficult to dislodge them from the top.

Sarotra. Raha jerena ireo taranaka [manantalenta] tonga sy lasa teo amin’ny ekipam-pirenena, dia tsy mampino ny hoe mbola tsy nahavita nandrombaka ny amboara. Saingy resy lahatra aho rehefa azon'i Senegaly ny amboarany voalohany dia sarotra ny manala azy ireo eo amin'ny tampony.

Matoky ny fahafahan'i Senegaly handresy i Diouf. Ny ankoatra izay, hoy hatrany izy, dia ho voina be, raha ny fahitana ny fisian’ny talenta maro toy izao. Ananan-dry zareo ny kinga indrindra amin'ny baolina fandaka afrikanina toa an'i Edouard Mendy eo amin'ny mpiandry haraton'i Chelsea, Kalidou Koulibaly ao Naples amin'ny fiarovana (vodilaharana), Idrissa Gueye irakiraka ao Paris Saint-Germain eo afovoany, ary i Sadio Mane mitarika ao amin'ny fanafihana.

Nahatafiditra baolina intelo sy nanome tolotra nahatafiditra baolina indroa tamin'ny lalao enina ho an'ny #TeamSenegal i Sadio Mané nandritra ny CAN ✨

Sadio Mane, ilay lohalaharan'i Liverpool, no mpilalao niavaka indrindra tamin'ny ekipany tamin'ny fifaninanana, nahafaty baolina be indrindra (3) sy nanome tolotra (2). Nanampy ny kliobany ihany koa izy hamarana ny fiandrasana naharitra 30 taona hahazoana ny anaram-boninahitra Premier League ary nahazo ny UEFA Champions League niaraka tamin'ny Reds tamin'ny taona 2019. Nahazo mari-boninahitra maromaro teo amin'ny sehatry ny kliobany ilay 29 taona, saingy saro-tratrarina hatrany ny hahazo amboara niaraka tamin'i Sénégal.

Nanazava i Saikou:

Having a player like Sadio in your team is hugely beneficial. [He] has always had an impact. If we [have been] able to get to this stage of the competition, it is thanks to him. We can really count on him to win this trophy.

Tena ahazoana tombony betsaka ny fananana mpilalao toa an'i Sadio ao amin'ny ekipanao. Nisy fiantraikany hatrany [izay nataony]. Raha [efa] tafakatra amin'ity dingana amin'ny fifaninanana ity isika dia isaorana azy izany. Tena afaka miantehitra aminy izahay mba hahazoana io amboara io.

Saro-takarina ihany anefa ny nandrasana amin'ny fiadiana ny amboaran'ny firenena 2021, na dia eo aza ny famantarana fa ho tanteraka ny faminaniana. Misy fahabangana hafahafa ny nataon'i Senegaly tamin’ny lalao voalohany tamin’ny vondrona B nifanandrinana tamin’i Zimbaboe, ary nila penalty mba handresena ny Warriors ho fanombohan'ny fandresena. Taorian’ny ady sahala indroa tsy nahatafidiram-baolina tamin’i Guinée sy Malawi, dia nahazo laharana voalohany tsy resy ary tsy nahatafidiram-baolina.

Avy eo ry zareo niditra tamin'ny fifanintsanana mivantana ka nitombo fahatokisan-tena, nandresy ny ekipan'i Cape Verde miisa sivy teo an-kianja (2-0), nandresy an'i Guinée Equatoriale (3-1) teo amin'ny ampahefa-dalana, avy eo nandavo an'i Burkina Faso ( 3-1) hirosoana any amin'ny famaranana.

Notohizan'i Saikou hoe:

I’m not surprised we reached the final. We have a good squad with most of our players on the books of most top European clubs. […] Our objective has always been to win the trophy.

Tsy gaga aho fa tonga tamin'ny famaranana izahay. Manana ekipa tsara izahay raha fandrihan'ny ekipa eoropeana ambony ho azy ny ankamaroan'ny mpilalao. […] Ny hahazo ny amboara hatrany no tanjonay.

Hatramin'izao aloha dia nisedra zavatra maro i Senegaly. Noho ny tranga COVID-19 maromaro voarakitra ao amin'ny ekipa, dia voatery nilalao tsy nahitana ny ankamaroan'ireo mpilalao kitro-ifaharana matetika ry zareo, raha tsy nampilalaovina noho ny ratra nahazo azy ny hafa. Nisy ihany koa ny gidragidra teo amin’ny Senegaly Football Association sy ny Watford, klioba ligy voalohany anglisy, momba ny famotsorana an’i Ismaïla Sarr, izay nisy fiantraikany teo no ho eo, na dia tonga antenatenan’ny fifaninanana aza izy.

Valisoan'i Cisse?

Aliou Cissé, mpanazatra ny football senegaly. Sary avy amin'i  Екатерина Лаут via Wikimedia Commons, 19 Jona 2018 (CC BY-SA 3.0)

Tsy misy olona azo lazaina ho maniry mafy ny hahazoan'i Senegaly ny Amboaran'i Afrika amin'ny Firenena mihoatra an'i Aliou Cisse.

Tamin’ny taona 2002, anisan’ireo mpilalao tsy nahatafiditra penalty nandritra ny Tifitra harato tamin’ny lalao famaranana ity kapitenin’ny Lionan'i Teranga teo aloha ity, raha resin’i Kameronina, niaro ny voninahiny maha-tompondaka azy, tamin'izany fotoana izany. Telo ambin'ny folo taona taty aoriana, voatendry ho mpanazatra ny ekipam-pirenen'i Senegaly izy, ary nanomboka teo izy nanao izay nahatonga ny ekipa hanana ny fanjakazakany — saingy tsy afaka taminy nandritra ny taona maro ny fanakianana.

Nihamafy ny tsikerea raha mendrika azy ny toerana raha tafavoaka mialoha tamin'ny ampahefa-dalana tamin'ny fiadiana ny amboara 2017 ny ekipa, rehefa lavon'ny ekipan'i Kamerona; sy tamin’ny taona 2019, rehefa resy nanoloana an’i Alzeria izy ireo. Na dia nahazo ny fon'ny mpitsikera sasany aza i Cisse, dia azo antoka fa ho voavaly faty izy raha toa ka azon'i Sénégal ny CAN ao amin'ny tany Kamerona.

Araka ny hevitr'i Saikou, ny “nofiratsin'i Cisse indrindra dia ny nifanandrina tamin'i Kamerona, ka ho tsara ny fahazoana [ny amboara] any Kamerona. Ho valisoa ho azy izany.” Ho valisoa koa ho an'ireo mpilalao niasa mafy tokoa izany, sy ho an'ireo Senegaly mpankafy baolina fandaka maro manerana izao tontolo izao izay maniry ny hahita ny ekipa hanatontosa ny fahaizany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.