Mitady mpitarika tetikasa Lingua ny Global Voices mba hitantana ny tetikasa sy ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny

Lingua logo with teal backgroundMitady olona hitarika ny tetikasa Lingua ny Global Voices, izay mifantoka amin'ny fanohanana ny vondrom-piarahamoninay mpandika teny an-tsitrapo aloha voalohany indrindra, izay mandika ny tantaranay amin'ny fiteny 40 mahery. Tianay kokoa raha kandidà manana ireto manaraka ireto: fahalalana lalina amin'ny fandikan-teny, fahaizana sy zatra fanitsiana lahatsoratra, zatra fitantanana fiarahamiasa amin'ny fanitsiana lahatsoratra sy ny fanandratan-teny, fitarihana sy fanoron-dalana vondrom-piarahamonina, fahaizana mitantana tetikasa ary fahaizana mikirakira ny sehatra famoahan-dahatsoratra WordPress.

Ny tetikasa Lingua dia miara-miasa amin'ny ankamaroan'ny asa ataon'ny Global Voices, miantoka fa vonona amin'ny fiteny maro ny asanay, manandratra teny ho amin'ny fandrosoan'ny aterineto maro fiteny, ary manampy amin'ny famolavolana hevitra sy mitantana tetikasa amin'ny fiteny maro izay manitatra ny fidirana malalaka amin'ny torohay sy fahalalana.

Ny mpitarika ny Lingua no hitarika ireo ezaka ireo, na amin'ny maha-mpitarika azy na amin'ny maha-mpanoro hevitra ho an'ireo mpikambana maro ao anatin'ny vondrom-piarahamonina izay miasa amin'ny fanitarana ny fahazoa-miditra vaovao amin'ny tenin'ny vondrom-piarahamonina misy azy manokana. Ny fitarihana Lingua no ho tetezana eo amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ireo vondrom-piarahamonina manan-danja hafa ary tambajotran'ny vondrom-piarahamonin'ny mpandika teny sy ireo mpiaro ny fimaroam-piteny manerana izao tontolo izao. Hampiseho fahaiza-manao hanohana, hampifandray ary hanamafy ireo feo maro miresaka momba ireo olana ireo ny kandidà idealy.

Hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina mpirotsaka an-tsitrapo sy ny ekipanay ao amin'ny efitrano famoaham-baovao ny mpitarika ny Lingua mba hanara-maso ny fandikana ara-potoana sy marina ireo tantara manerana ny fianakavian'ny Lingua ao amin'ny tranokalan'ny Global Voices. Ho anisan'ny ekipa atidoha mpitarika ao amin'ny Global Voices ny mpitarika Lingua, ary handray anjara amin'ny fitantanana , ny paikady, ny fitarihana fikambanana midadasika ary koa fanoloran-tena ho an'ny vondrom-piarahamonina.

Mahafolaka tsara ny teny anglisy ary farafaharatsiny fiteny iray hafa ny kandidà mendrika, ary farafahakeliny manana traikefa telo taona amin'ireto sehatra manaraka ireto:

  • Fampandrosoana ny tombontsoan'ny torohay sy fahalalana amin'ny fiteny maro
  • Miasa miaraka amin'ny odidin'ny famoahan-dahatsoratra, toy ny asa fanaovan-gazety, famoahana, fisoloam-bava, na fampianarana ambony
  • Manohana sy mitantana vondrom-piarahamonina mpanolo-tena an-tsitrapo
  • Mamolavola sy miara-miasa amin'ireo tetikasa fikatrohana tarihin'ny vondrom-piarahamonina anjotra na eny ifotony
  • Miasa ao anatin'ny vondrom-piarahamonina isan-karazany sy maro kolontsaina ahitana mpandray anjara samy manana ny haizatrany
  • Zatra ny fiainana iraisam-pirenena, niaina, na niasa niaraka tamin'ny mpiara-miasa amin'ny firenena maro
  • Anisan'ny tambajotra sy vondrom-piarahamoninin'ny fandikan-teny, ary tsy vahiny mihitsy amin'ny olana sy ny ahiahy misy eo amin'ny sehatra.
  • Mampihatra WordPress na rafitra fitantanana mitovy aminy (tsy ilaina ny fahaiza-manao coding) ary miasa miaraka amin'ny fehezan-drakitra
Ary manana fahaiza-manao voaporofo amin'ireto sehatra manaraka ireto:
  • Fandikan-teny amin'ny sehatra matihanina sy/na mpilatsaka an-tsitrapo
  • Fitantanana tetikasa
  • Fanoratana sy fanitsiana lahatsoratra mahomby
  • Fifandraisana sy fanamorana ao anatin'ny endrika kolontsaina marolafy
  • Miasa ao anatin'ny fahaleovantena ao anatin'ny ekipa voatsinjarazara
  • Mamorona fomba fiasa tia mamorona sy amin'ny endriny vaovao amin'ny fanamby sarotra eo amin'ny fihaonan'ny fiteny sy ny fiarahamonina anaty tambajotra
  • Fahaizana miteny imasom-bahoaka
  • Mampiasa sehatra media sosialy hizarana vaovao sy miditra an-tsehatra amin'ny fifanakalozan-kevitra

Tokony hahay mampiseho fa manaraka tsara ny iraka sy soatoavin‘ny Global Voices ny mpangataka rehetra.

Tsy misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity toerana ity; Tsy manana birao na foibe ara-batana ny Global Voices. Ny mpifaninana dia tsy maintsy manana fidirana tsy miovaova sy azo antoka amin'ny fifandraisana aterineto haingam-pandeha, mahazo aina miasa amin'ny tontolo virtoaly tanteraka, ary afaka mandeha any ivelany, raha ilaina. Hanao tatitra any amin'ny Tale Mpanatanteraka sy Tale Mpitantana ny Global Voices ny mpitarika Lingua.

Tianay kokoa raha kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mamporisika ny olona mandray anjara ankehitriny amin'ny Global Voices mba hametraka fangatahana.

Saiky fotoana feno na fotoana feno mihitsy ny asa ary horaisina ho toy ny fifanarahana tsy miankina.

Raha hametraka fangatahana: Mandefasa mailaka any amin'ny jobs AT globalvoices DOT org , misy antony Global Voices Lingua Lead: [ny anaranao]:

  • Taratasy milaza ny fahazotoana amin'ny teny anglisy ary manasongadina ny asanao ary manazava ny antony hahatonga anao ho mendrika amin'ny toerana
  • Ny CV anao

Ekena hatramin'ny amin'ny 25 febroary 2022 amin'ny 11:59 hariva EST (GMT -4) ny fangatahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.