Fiainana ampielezana: Tantaran'ny Nepaley mpiasa iray nifindra monina tany Qatar

Photo via Nepali Times. Used with permission.

Toeram-pananganana ao Qatar. Sary avy amin'ny Nepali Times, nahazoana alalana.

Ny lahatsoratra etoana aloha tamin'ny voalohany nadika avy amin'ny resaka tamin'ny teny Nepali ary navoakan'ny Nepali Times. Nasiampanovana ny endrika ka navoaka tato amin'ny Global Voices ho anisan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mihoatra ny iray tapitrisa ny Nepaley miasa any amin'ny firenena Afovoany Atsinanana ary heverina ho ny 12,5 isanjaton'ny mponina Qatari miisa 2,8 tapitrisa no avy any Nepal.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, olona an'arivony no nalaina avy any Nepal hiasa amin'ny fananganana kianjabe, hotels sy ireo fotodrafitrasa hafa hikarakarana ny mondialy FIFA 2022 hotontosaina any Qatar, ary maro ny tatitra faharatsian'ny toetr'asa sy ny fihamaroan'ny fahafatesana tsy voazava eo amin'ireo mpiasa mpifindramonina. Indro ny fitantaran'ny Nepaley mpiasa mpifindramonina tany Qatar izay niverina an-tanindrazana tamin'ny taona 2021:

“I am sharing my story so others can learn about my experience. I prefer to remain anonymous.”

Mizara ny tantarako aho mba ahafantaran'ny hafa ny zava-niainako. Tiako raha tsy tononina ny anarako.

Tsy mbola ampy telovolana akory aho no nanao veloma ny fianakaviako, saingy efa tafaverina eto Nepal avy any Qatar sahady. Nampanantenaina hikarakara efitra amin'ny trano fandraisam-bahiny kintana dimy aho fa niafara tany amin'ny toeram-pananganana izay itadiavan-dry zareo ahy hitondra entana mavesatra mandritra ny tontolo andro. Nandoa vola mihoatra ny 100.000 ropia (USD 837) aho hahazoana ity asa ity, nampian'ny findramam-bola sy fivarotana ny firavak'ireo rahavaviko. Tsy izany anefa no nosoniaviko.

Eny fa na dia izany aza, tsy nanan-tsafidy aho fa tsy maintsy nanaiky ny anjarako. Saingy narary aho rehefa niasa vatana nandritra ny iray volana, ary nahatsapa fa tsy mety amiko ity asa ity. Tsy nanontany momba ny fahasalamako mihitsy ny orinasako raha tany amin'ny hopitaly, na mbola namerina aina tao an'efitranoko aho.

Te-hody aho fa tsy navelan'ny mpampiasa ahy handeha mihitsy, ary ny farany aho tsy maintsy nandositra tsy nampahafantatra azy ireo. Efa fantatra ireo mpampiasa fa hiampanga lainga ny olona tahaka ahy ho nangalatra ka izany no tsy ahafahan'ny mpiasa mandao ny firenena.

Ratsy vintana aho

Vitako izany noho ny fanampian'ny rahalahy Nepali sasany ao Qatar. Tsy noho ny masoivoho. Tsy noho ny mpampiasa. Tsy noho ny mpampiditra asa. Fa noho ny Nepalis tsara fo.

Tsara fo ry zareo tamin'ny torohevitra amin'izay atao ary nanome saran'ny taxi ho ahy. Nikarataka ry zareo hahazoako tapakila. Niantso ahy ry zareo hampahatsiahy mba ho ambony ny toetsaiko. Eny fa na ankehitriny aza, eto Kathmandu, ny fijanonako eto amin'ity trano fandraisam-bahiny ity dia notohanan'ny mpiray tanindrazana Nepali any Qatar.

Rehefa vahiny any an-tanin'olona any, na dia hoe samy Nepali fotsiny aza dia efa mahatonga ny olona ho tafaraka, ary mivoaka ny olona hanampy olon-tsy fantatra eny amin'ny lalany — karazam-pirahalahiana tsy hay azavaina tsy mety ho adinoina izany.

Na dia ratsy vintana aza aho, dia mba nanam-bintana ihany tamin'ny fomba hafa. Tanora aho, nitady vonjy aho ary dia tonga avy amin'olona maro dia maro ny vonjy. Saingy fantaro izany noho ny zavamisy fa maro no tahaka ahy na mbola ratsy kokoa noho ny annjo ah aza, ary miaritra am-pahanginana, sy mitolona.

Tsy ny rehetra no mahazo ny ratsy. Mahalala Nepalis hafa maro aho efa an-taonany no tao Qatar ary afa-po amin'ny asany. Tahaka ny filokana e, fa mba nahazo ny ratsy fotsiny aho tamin'ity indray mitoraka ity. Hita fa ny ratsy indrindra tamin'ny maro ny orinasa nijoroako hiasana.

Efa tsara vintana aho teo aloha. Niasa tao Malayzia tao amin'ny fandraisam-bahiny iray nandritra ny telo taona ary nanomboka tamin'ny taona 2011 ary 80 dolara US isam-bolana no niraisiko (57.370 ropia nepaley), izay tena betsaka tamiko tokoa tamin'izany fotoana. Rehefa niverina aho dia niasa tamin'ny fandraisam-bahiny iray teto Nepal. Saingy nila nahazo vola betsaka kokoa aho, ary mety ho tontosa izany raha mahita asa ampitan-dranomasina indray aho. Nisafidy ny helodrano aho saingy ratsy vintana.

Rehefa ipetra-drery tao amin'ny efitranoko tao Qatar rehefa andalam-pahasitranana ary any am-piasana ny iray efitrano amiko, fanaoko ny mieritreritra zavatra maro, satria nanam-potoana be tokoa aho teo am-pelatanako. Nandao tanindrazana ianao mba hahazoana ropia an'arivony bebe kokoa any amin'ny tany vahiny, saingy inona moa no votsotra aminao ao anatin'izay paika izany?

Nepali migrant workers at the Dept of Interior in Doha

Nepali mpiasa mpifindramonina ao amin'ny Dept atitany ao Doha. Saripika avy amin'ny Nepali Times, nahazoana alalana.

Fepetran'asa mahatsiravina

Mitaky ahy hifoha amin'ny efatra maraina ny asako tany Qatar handraisana ny bisy haka anay. Namono ny sakafo nahandroanay ny alina teo izahay, nefa indraindray masiso izany satria tsy nisy vata fampangatsiahana teo amin’ilay toeram-panorenana. Tsy afaka mihinana koa ianao rehefa mahatsiaro ho noana; rehefa asaina mihinana ianao vao afaka mihinana.

Tsy maintsy niangavy ny mpanara-maso ahy mihitsy aho mba handeha any amin’ny trano fidiovana any amin’ny toeram-panorenana. Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nifarana ny asanay, nefa tamin’ny 8 ora vao tonga tany amin’ny toby izahay. Tsy maintsy nahandro ny sakafo hariva sy sakafo ampitso izahay. Rehefa vita sy vonona ny hiala sasatra izahay, dia efa lasa ny sasakalina nefa hifoha amin'ny efatra maraina indray.

Toy izany hatrany. Nifindra in-telo izahay tao anatin'ny fotoana fohy nipetrahako tany. Tsy manan-kolazaina ianao amin'izany, manao araka izay voalaza, manao araka izay lazainy.

Tsaroako ny nijery ireny tranobe raitra ireny taloha ary naniry ny hiasa amin'ireny aho. Saingy mila niaina ny zava-mahatsiravina ampitan-dranomasina tany Qatar vao nahatsapa fa ny olona ao anatin'ireny tranobe ireny ihany no jerena. Nepali iray ao amin'ny antsoin'izy ireo hoe Wakala (fivarotana kely) no sambatra kokoa noho izaho.

Rehefa sitrana irery tao amin'ny efitranoko aho ary naniry mafy ny hody, dia nilaza tamin'ny tenako fa tsy hieritreritra ny hifindra monina any ampitan-dranomasina intsony aho. Ny hanao zavatra any Nepal mihany no hataoko. Tsy haiko hazavaina ny fahamehana tsapako rehefa nohazoniko teny an-tanako ny karatra fiondranako tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Doha. Fandosirana vita omana tsara izay mety ho diso tanteraka.

Izay no niainanay

Saingy nandona ny zava-misy taoriana kelin'ny nahatongavako teto Nepal. Aiza ny asa? Inona no hataoko eto? Ohatrinona no ho azoko? Tsy maintsy mamelona ny fianakaviako aho ary mila mamerina vola nosamborina. Manao sorona be dia be ianao hahazoana asa any ivelany — eny fa na dia ny voninahitrao aza indraindray no natao sorona. Mila ireo asa ireo koa anefa isika.

Mizara ny tantarako aho mba ahafahan'ny hafa mahalala ny zavatra niainako. Aleoko tsy mitonona anarana. Ankoatra ny vadiko, dia tsy misy olona ao amin’ny fianakaviako mahalala izay nanjo ahy tany ivelany. Nangirifiry sy tratran'ny rarintsaina tokoa aho, inona moa ny antony hanomezana fanahiana ny reniko efa marary?

Manomboka miady amin'ny mpandray ahy ho mpiasa aho hamerenana ny volako, ary naneho fahavononana hiara-miasa izy. Mety tsy maintsy miverina any ampitan-dranomasina aho indray andro any, ary mety hanimba ny vintako ny fizaràko ampahibemaso ny tantarako satria heverina ho “mpanakorontana” aho.

Nafindra toerana sy voampanga ho “mpitarika ady” teo amin'ireo mpiasan'ny toby ny mpiray tanindrazana Nepaley iray tany Qatar izay tsy nahazo ny karamany nandritra ny volana maro — noho izy nangataka tambin-tsakafo tamin'ny tompon'andraikitra.

Izany no niainanay. Ireo mangina no tadiaviny. Ireo izay azo ampanginina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.