Tantara tamin'ny Janoary, 2022
Hira niresaka an’i Nur-Sultan tamin'ny taona 2019 toy ny fanehoan-kevitra vaovao mitranga janoary 2022
Mamaritra amin'ny vazivazy ara-paminaniana ny herisetra nampihovitrovitra an'i Kazakhstan tamin'ny volana Janoary 2022 ary miresaka momba ny toe-tsain'ny Kazakh maro ilay hira nivoaka telo taona lasa izay.
Mitaky fepetran'ny COVID-19 henjana kokoa ho an'ny miaramila Amerikana i Japana
Ho an'ny sasany, tsy ampy hiatrehana ny fandrahonan’ny COVID-19 amin'izao fotoana ny "mambo" ao Japana izay heverin’izy ireo fa ny tafika Amerikana no nahatonga izany.
Enda, kirarom-pihazakazahana voalohany avy ao Kenya manantena ny hahomby amin'ny sehatry ny fanatanjahantena manerantany
Enda, izay midika hoe "Andao!" amin'ny teny Swahili, no te-hifanala hazakazaka amin'ny Adidas, Nike, ary Puma hahazo ny volan'ny sangany sy ireo manerantany manao ny hazakazaka ho fialamboliny.
Iray andro dia rava ny anganom-pahamarinan-toeran'i Kazakhstan, mitaintaina ny mpifanolo-bodirindrina aminy
Andro iray, nandroaka ny governemantany i Kazakhstan, nanakatona ny aterineto, ary nametraka tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao amin'ny firenena. Nanimba sy niditra an-keriny tao amin'ny tranoben'ny governemanta ny vahoaka ary koa tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Almaty mihitsy aza.
Fiovana governemanta ao Shily: Ny fiverenan'ny fanantenana (marefo)
Hiatrika fahasarotan'ny zavamisy tsy ho ela ny fanantenana natondrak'i Boric tamin'ny mpifidy azy.
Erdoğan sy ny adin'ny AKP amin'ny zavakanto sy ny kolontsaina
Tao anatin'ny taona maro taorian'ny niakarany teo amin'ny fitondrana, nifehy tsikelikely ny ankamaroan'ny sehatry ny zavakanto sy kolontsaina tao amin'ny firenena ny Antokon’ny filoha Erdoğan Rariny sy Fampandrosoana (AKP).
Mangoro-potsy i Twitter fa mizara sarin-dranomandry ao Kashmir ny olona
Tendrombohitra rako-dranomandry, lohasaha kanto mahafinaritra, trano voarakotra fotsy — izany no topimason'ny ririnina ao amin'ny faritra Kashmir ao India, zarain'ny mpikirakira Twitter.9
‘Famoronana tsingevana eo amin'ireo toetra mifanohitra': tafatafa niarahana tamin'ny mpanakanto Parastou Forouhar
"Andramako ny mamorona izay mety hisian'ny tsingevana eo anelanelan'ireo toetra mifanohitra izay hampiditra ara-pihetseham-po sy ara-tsaina an'ireo mpijery sy hanao izay hametrahan'izy ireo fanontaniana"
Nomen'ny Indiana anarana mampihomehy ireo toerana any Shina rehefa nanome anarana vaovao tamin'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh i Shina
Noho ny fanomezan'i Shina anaram-baovao ny toerana miisa 15 any amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Arunachal Pradesh dia namaly tao amin'ny Twitter tamin'ny fanomezana anaran-toerana indiana ireo tanàna shinoa ny Indiana.
Ny savorovoro maharitra ao amin'ny faritr'i Pamir ao Tajikistan
Miorim-paka lalina amin'ny fifampihenjanam-pifandraisana afovoan-tany sy ny anindran-tany any Tajikistan ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana ao an-toerana ao amin'ny Faritra Mizakatena Gorno-Badakhshan