Tantara tamin'ny Janoary, 2022
Songadina Global Voices tamin'iny taona 2021 iny
Fantaro ny hetsika farany nataon'ny Global Voices, ireo fahombiazana sy ny toe-bola ary ny fandaminana momba ny fahasalamana!
Paortiogaly : mpikatroka ho an'ny zon'olombelona mitolona manohitra ny fanavakavahana, notolorana loka iraisampirenena
Mamadou dia iray amin'ireo feo tena re amin'ny hetsika manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Paortiogaly. Matetika ihany koa izy no lasibatr'ireo hetsiky ny elatra farany havanana sy néo-nazis.
Tiorkia, mpihira nanao hira iray vaovao hihaikàna ireo fandrahonana
Ny filoha, rehefa naneho hevitra taorian'ny vavaka mitatao vovonana ny Zoma, dia niteny fa "tsy misy na iza na iza afaka haniratsira an'i Adama Masina. Adidinay ny manapaka ny lelan'izay manao izany raha ilaina"
Fatiantoka ho an'i Wisconsin ny fahazoan'i Lagos fiaran-dalamby
Nanakatona ny fifanenjehana ara-politika ifanaovan'ny Demaokraty sy ny Repoblikana any Wisconsin ny fividianan'ny Fanjakan'i Lagos ao Nizeria ny lamasinina tsy nampiasaina nandritra ny folo taona.
Mitohy ny famoretana ny fampitam-baovao mialoha ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ao Myanmar
"Izy no mpanao gazety fahatelo novonoina tao Myanmar tao anatin'ny iray volana latsaka, mariky ny fomba tsy azo ekena mihitsy izay vao maika ampiasain’ny fitondrana miaramila."
Afa-po tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana alemà ilay tompon'andraikitra tao amin'ny sampa-pitsikilovana teo aloha ireo Syriana tafita velona tamin'ny fampijaliana
Meloka tamin’ny famonoan’olona miisa 30 mahery i Raslan, sy tamin’ny fampijaliana olona an'arivony teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2012, fony izy lehiben’ny fanadihadiana tao amin'ny fonja iray malaza ratsy.
Fientanentanana, ahiahy momba ny fiarandalamby vaovao indrindra ao Japana
Manontany ny vahoaka hoe tena ilaina ve ny zotra vaovao shinkansen Kyushu Andrefana, izay manasarotra ny fandehanana any amin'ny faritra sasany ary vita amin'ny ampahany fotsiny.
Tiorkia, ‘pop star’ ela nihetezana, misedra famotopotorana noho ny tononkirany
Noho ny fehezanteny iray ao anatin'ny hirany mivaky hoe "Arahaba atolotro an'i Adama sy Eva bado", ampangaina ho mampietry ny lanjan'ny finoana ilay mpanoratra sady mpihira, Sezen Aksu, 67 taona
Mahomby ve ny vaksiny COVID-19 novokarin'i Torkia
Tamin'ny volana Desambra 2021, nankatoavin'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan ny vaksiny Turkovac ho ampiasana vonjimaika. Nilaza ny manam-pahaizana fa tsy misy ny angondrakitra siantifika sy porofo milaza ny fahombiazan'ilay vaksiny.
Ao Trinidad sy Tobago, mangatsiaka leitsy ao ivelany a!
Ny maripana mangatsiatsiaka indrindra voarakitra tamin'ny alalan'ny fitsapan-kafanana mifanerana dia voarakitra tao Penal [any atsimon'ny nosy] tamin'ny 17,63°C [63,7°F] raha nanondro ny 15°C [59°F] kosa ny fitsapan-kafanana tsy mifanerana (non calibré).