
Sisintany Indo-Shina ao Bum La Pass ao amin'ny faribolana Zemithang ao Arunachal Pradesh. Saripikan'i Tabish Q via Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0.
Rehefa nanambara i Shina fa nolasirina [standardized] ny anaran-toerana miisa 15 ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Indiana ao Arunachal Pradesh, dia namaly bontana i India, milaza fa ao anaty faritra India tsara ny fanjakana ka tsy manan-jo hanome anarana vaovao ao i Shina. Na izany aza, nanararaotra ity fotoana ity ny Indiana ao amin'ny Twitter, nanome anaran-toerana Indiana ireo toerana shinoa tamin'ny fomba mampitokelaka.
Tamin'ny 30 Desambra 2021, nitatitra ny gazety velomim-panjakana shinoa Global Times fa nolasirin'ny minisiteran'ny raharaham-panjakana ao Shina araka ny “fiandrianam-pirenena, tantara” amin'ny teny sy endritsoratra Tibetana, Shinoa ary Romana ny toerana 15 ao Zangnan (Tibet Atsimo) izay ahitana faritra maromaro ao Arunachal Pradesh. Ao anatin'ireo ny anarana valo amin'ny faritra onenana, efatra ny tendrombohitra, roa renirano ary iray lalana iray any an-tendrombohitra.
Niteny ny Indiana mpanao gazety Ananth Krishnan:
China's Ministry of Civil Affairs today in a statement puts out what it calls ‘standardised’ names for 15 places in Arunachal Pradesh, to be used on Chinese maps. This follows 6 places renamed in 2017, and ahead of a new border law coming into effect on Jan 1, 2022. pic.twitter.com/XoeWEWEoKR
— Ananth Krishnan (@ananthkrishnan) December 30, 2021
Navoakan'ny minisiteran'ny raharaham-bahoaka ao Shina androany tao anaty fanambaràna iray ny lazainy fa anarana ‘nolasirina’ ho an'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh, ho ampiasaina ao amin'ny sarintany shinoa. Izany no nanaraka ny toerana 6 nomena anaram-baovao tamin'ny taona 2017, ary mialoha ny ampiharana ny lalàna vaovao momba ny sisintany amin'ny 1 janoary 2022.
Ny Tsipika McMahon
Mihevitra India fa ny sisintany ara-dalàna mifanolotra amin'i Shina dia ny tsipika McMahon ao Arunachal Pradesh, izay notapahin'ny solontenan'i Tibet sy India britanika ao anatin'ny Dinan'i Simla tamin'ny taona 1914. Tsy manaiky izany anefa i Shina izay milaza fa tsy nahaleotena tamin'i Shina i Tibet ary tsy nisy solontena shinoa tamin'ny fihaonana nametrahana ny dina.
Ao amin'ny sarintany shinoa, manodidina ny 65.000 km toradroa amin'ny zaratany atsimon'ny tsipika McMahon no hita ho ao anaty faritra mizakatenan'i Tibet (Tibet Atsimo); ny fifanasana vangy no nitarika adin-tsisintany tao anaty taompolo vitsivitsy.
Tamin'ny taona 2017, nanome anaran-toerana “ofisialy” samirery miisa enina tao Arunachal Pradesh i Shina, milaza fa manamafy indray ny “fiandrianam-pireneny ara-zaratany” eo amin'ny faritra. Tonga mialoha lalana ny lalànan'ny sisintany vaovao, izay mihatra manomboka ny 1 janoary 2022 izao hetsika vaovao hanova anaran-toerana 15 vaovao izao. Ao anatin'ity lalàna ity, nomena lalana i Shina “handray ny fepetra ilaina hiarovana ny tsy fivakisan'ny zaratany sy ny sisintany,” ankoatra izay filazana hafa.
Nanoritra anefa ny minisiteran'ny raharaha ivelany Indiana fa tsy manova ny maha-faritra feno ao anatin'India an'i Arunachal Pradesh ny hetsika ataon'i Shina. Nisioka i Sidhant Sibal mpanao Indiana:
India reacts to China renaming places of Indian state of Arunachal Pradesh. Says, “Assigning invented names to places in Arunachal Pradesh does not alter this fact” pic.twitter.com/JWqfE3S37q
— Sidhant Sibal (@sidhant) December 30, 2021
Namaly India tamin'ny nanomezan'i Shina anarana vaovao ny toerana ao amin'ny Fanjakana Indiana ao Arunachal Pradesh. Nilaza hoe “tsy manova io zavamisy io ny famoronana anarana amin'ny toerana ao Arunachal Pradesh”
Memes (Sary-sy-soratra= 3S) ao amin'ny Twitter
Ho famaliana izany vaovao izany dia niditra tao amin'ny Twitter ny Indiana hamaly bontana amin'ny famoronana anarana Indiana ireo toerana shinoa.
Nizara ity vaovao ity niaraka tamin'ny famoronana anarana sasantsasany tao amin'ny vondrom-piarahamonina Whatsapp iray ao an-toerana ny mpisera Twitter Harpreet (@CestMoiz):
On one of my WA groups, folks have done some renaming of their own:
Beijing : भुजंग नगर
Lhasa : लक्ष्मणगढ़
Tibet : तिवतियानगर— Harpreet (@CestMoiz) December 31, 2021
Beijing lasa Bhujang Nagar, renivohitra Tibetana Lahsa lasa Laxmangarh ary Tibet lasa Tivatianagar!
Mihomehy maneso ny mpisera iray hafa, Bhargavi (@smna17), tamin'ny fanomezana anarana an'i Xinjiang ho Sivaganga Nagar. Nahitana fanomezana anarana mampitokelaka ihany koa ny randram-baovaon’i Harpreet tahaka nanaovana ho New Chandigarh an'i Chengdu, nanaovana ho Hanumangarh an'i Hubei ary Gandhinagar an'i Guangzhou.
Nanatsipalotra ny mpisera Twitter Bishwa:
Shanghai : Sanghipur
Nanjing : Nandigarh
Yunan : Yananapuramr— bishwa (@bishwa55900127) December 31, 2021
Mandritra izany fotoana izany ny mpisera Facebook Sardhon Teron naneho hevitra tamin'ny piesy mifandraika amin'ity vaovao ity ao amin'ny pejy Facebook Today Magazine Avaratratsinanana.
If Arunachal is an integral part of India, forget about 15 names even 1000 names doesn't matter. It is us who give names not China. China is just playing (a) propaganda game.
Raha ao faritra anatin'India tanteraka i Arunachal, dia adinoy izany anarana 15 izany ary tsy misy dikany na anarana 1000 aza izany. Isika no manome anarana fa tsy i Shina. Milalao propagandy fotsiny i Shina.
Naneho hevitra ny mpisera Twitter Purnima Andrade:
https://t.co/E6iUTf11wS
This is not a recent development. As for renaming it doesn't change anything. You cld rename places in China. Wll that mean those places belong to India?— Purnima Andrade (@Pooh68_) January 2, 2022
Tsy fivoarana vao haingana io. Raha tsy manova na inona na inona ny fanomezana anarana vaovao. Afaka manova anarana any Shina ianao. Fa midika ve izany fa lasa faritr'India ireny toerana ireny?
Nisioka ny mpisera देशी छोरा (bandin'ny firenena) avy ao Hyderabad:
If China renames Places of Indian State Arunachal Pradesh then India must rename #Beijing as “BIJANPUR”.#ArunachalPradesh is, was and will always be an integral part of India.
But It's true that #Tibet is not #China.#FreeTibet #Tibetan pic.twitter.com/VsMgMOCYV8— देशी छोरा (@Deshi_Indian01) December 31, 2021
Raha manova ny anaran'ireo toerana ao amin'ny fanjakana indiana ao Arunachal Pradesh i Shina dia tsy maintsy manova ny anaran'i Beijing ho “BINJAPUR” India. Efa hatrizay mandrakankehitriny ary rahatrizay i Arunachal Pradesh no faritr'India feno.
Fa marina ny hoe tsy Shina i Tibet.
Nisioka ny mpisera S. Vasudeva Rao:
A new attempt by China to rename some villages in Arunachal is yet another effort at trying to legitimise its illegal and immoral claims of extra territory from its neighbours. Its silence on giving back Aksai Chin to India, is however,deafening.#China#India#ArunachalPradesh
— S. Vasudeva Rao (@vasudeva57) December 31, 2021
Ny fikendren'i Shina hanome anarana ny tanàna sasany ao Arunachal no ezaka iray hafa ataony hanomezan-drariny ny fitakiany tsy ara-dalàna sy tsimifaditrovana haka ny ampahatanin'ny mpifanila toerana aminy. Mihamalazo anefa ny fitakian'India hamerenana an'i Aksai Chin ho azy.
Nanamarika i Sudha Ramachandran tao amin'ny The Diplomat fa efa nampiasain'i Beijing ny paikady tahaka izany amin'ny Ranomasina Shina Atsimo ifandirana amin'izao fotoana. Tamin'ny Avrily 2020, nambaran'i Shina ny anarana shinoa amin'ireo nosy sy harandrano miisa 80 ao amin'ny Ranomasina Shina Atsimo ho fanampin'ny fandrindran-dry zareo hanamarika ny fitakiany. Maminany i Ramachandran fa mbola hanampy lisitra ny governemanta shinoa ao anatin'ny volana vitsivitsy.