Mangoro-potsy i Twitter fa mizara sarin-dranomandry ao Kashmir ny olona

Winter Postcard from Kashmir! This is Aparwhat Peak looming large on Gulmarg valley, Kashmir. Image by Rajarshi Mitra via Flickr. CC BY 2.0.

Karatra paositra ririnina avy ao Kashmir. Ity no Aparwhat Peak mananagsanga amin'ny lohasahan'i Gulmarg, Kashmir. Saripikan'i Rajarshi Mitra via Flickr. CC BY 2.0.

Tendrombohitra rako-dranomandry, lohasaha kanto mahafinaritra, trano voarakotra fotsy sy firotsahana mangina avy any amin'ny lanitra volondavenona vasobasoka — izany no sarin'ny ririnina any amin'ny faritra avaratrandrefan'i Kashmir any India, satria miaina ny vanim-potoana ririnina 40 andro fantatra amin'ny anarana hoe Chillai Kalan (zokin-katsiaka), izay nanomboka tamin'ny 21 Desambra, ny lohasaha.

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana janoary ny oram-panala be dia be nanerana ny ampahany be amin'i Kashmir, izay niafara tamin'ny fanafoanana sidim-piaramanidina am-polony. Na eo amin'ny teboka mampivaingana na ambanin'izany ny maripana any amin'ny faritra maro ao Kashmir, ary misy toerana sasany mirakitra hatramin'ny miiba efatra degre Celsius (24,8 degre Fahrenheit). Na dia masiaka aza i Chillai Kalan, maro ireo mpisera Twitter no nankasitraka sy nizara sary sy lahatsarin'ny hakantony.

Namoaka ny hatevin'orampanala ny mpikatroka Abdul Hameed Lone :

Kashmir kanto. oram-panala

Mpikirakira Twitter Mir Kamran nizara ity:

Ranomandry fotsy mandrakotra ny lohasahan'i Kashmir

Manamarika, mandritra izany fotoana izany ny mpikaroka Arhan Bagati, fa manintona mpizahatany i Kashmir:

Nanintona mpizahatany 18500 ny Chillai Kalan Kashmirita hatramin'ny voalohany janoary ka 3000 eo ho eo ny tao Gulmarg ary 1700 ao Pahalgam.

Ny mpanao gazety Ieshan Wani nizara lahatsary iray izay nahazo ny filaminan'ny marain-dririnina:

Tahaka izao ny marain-drinina

Ny mpaka sary fanao an-gazety Umar Ganie, mandritra izany fotoana izany, nizara ny sarin'i Kashmir amin'ny alina:

Ao amin'ny lahatsary – alin'orampanala ao Srinagar

Tsy ny rehetra anefa no finaritra amin'ny habetsaky ny orampanala. Mitaraina ny mpanao gazety Majid Hyderi (Jimmy) fa tsy nanaisotra ny orampanala araka ny nantenaina ny Srinagar Municipal Corporation (SMC):

Roa taona misesy izao ny SMC tsy nanaisotra ny ranomandry amin'ny lalana sy lalan-kely!
Raha izao no hita manerana ny lalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina, hirifiry na aiza na aiza ihany no azo atao sary antsaina. Ny fivezivezen'ny fiara no manaisotra ny ranomandry sasany dia ny SMC no manatavy faktiora.

Raha ny marina, napetrak‘i Shehryar Khanum fa tombontsoa manokana izany mampandrevirevy ranomandry izany:

Elabe vao tsapako hoe tombontsoa manokana izany mampandrevirevy ranomandry izany. Meloka. Tsy manana fotodrafitrasa amin'ny karazana toetrandro toa izay i Kashmir. Tsy nanorina fonenana mifanaraka amin'ny toetrandro isika, manjavozavo ny famatsiana herinaratra, lasa fanamby ny fahazoa-miditra amin'ny lalana, ary tsy ahafaha-manao ny fanao andavanandro fotsiny izany

Mampisedra zavatra maro ho an'ny mponina ao an-toerana ny ririnina, tahaka ny amin'ity iray ity—nozarain'ny mpanao gazety Kashmirita Irfan Amin Malik—raha nitondra vehivavy bevohoka amin'ny lalana feno ranomandry ny olona:

Olona mitondra vehivavy eo an-tsoroka, soavaly mandeha ranomandry manasa-dohalika ao Kupwara sisintany avaratr'i Kashmir

Nizara eritreritra ho an'ny vorona ao amin'ny faritra, izay manam-pahasarotana amin'ny fanangonan-tsakafo mandritra ny firotsahan'orampanala matevimbe ihany koa ny mpanao gazety Tabeenah Anjum:

Nifoha tanatin'ity horonantsary mamirapiratra ity. Olona an-dalam-podiana, nandefa an'ity tamiko. Somary tara, fa nandalo nisakafo maraina ny vorona androany.
Sarotra amin'ny namana manana elatra ny mahita voa henika izao orampanala izao. Andeha isika […] hametraka voamadinika amin'ny toerana takatra

Na izany aza, nijery tamin'ny lafiny mazava ny mpianatra Kashmirita Falak Qureshi:

Zazavavy Kashmirita mahafatifaty mampiseho ny zavakanton-dranomandry.

Nisafidy ny hampiseho ny fankafizan'ny olona ny ranomandry ao Kashmir ihany koa i Akhtar Ahmed:

Mankafy ny ranomandry ao amin'ny lohasahan'i Kashmir ao India

Tamin'ny 7 Janoary, nanao fanairana ny amin'ny hiavian'ny orana sy ny orampanala betsaka sy ny mety isian'ny fivarinan-dranomandry sy fihotsahan'ny tany ny departemantan'ny toetrandro, mampitandrina ny olona amin'ny mety ho fahatapahan'ny sidina ho vokatr'izany. Fihotsahan'ny tany notairin'ny oram-baventy izay efa nanapaka ny lalambe mampitohy an'i Jammu-Srinagar, ka fiara an'arivony vitsy no nihitsoka.

Araka ny nolazain'ny manampahefana, mbola misy ihany ny entana ilain'ny mponina ankapobeny any amin'ireo faritra saro-dalana noho ny ranomandry any amin'ny lohasahan'i Kashmir, satria efa nomena sakafo maharitra efa-bolana mialoha ny olona. Any amin'ireny faritra ireny, mandray ny fomba fanao hatry ny ela mandritra ny ririnina ny olona hiavotan-tena—ao anatin'izany ny fanangonana legioma sy trondro namainina tamin'ny masoandro [natapy andro].

Manazava i Mohsin Hussain War:

Fomba fitsitsiana sy azo antoka hitehirizana sakafo ny fanamainana sakafo amin'ny masoandro, efa fomba ela dia ela ao Kashmir ny fanamainana sakafo isan-karazany, nataon'ny maro izany talohabe tany hiadiana amin'ny havitsian'ny sakafo mandritra ny ririnina mamirifiry.

Roapolo andron'ny Chillai Khurd (zandrin-katsiaka) no manaraka ny 40 andron'ny Chillai Kalan. Hifarana amin'ny fomba ofisialy ny ririnina ao Kashmir aorian'ny folo andron'ny Chillai Bachha (zazan-katsiaka), izay tonga eny amin'ny elatry ny Chillai Khurd.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.