Tantara tamin'ny Septambra, 2020
Miontana amin'ny fanoheran'i Naomi Osaka kalazan'ny tennis ho fanohanany ny Black Lives Matter i Japana
Alohan'ny maha-athleta ahy dia vehivavy mainty aho. Ary amin'ny maha-vehivavy mainty ahy, dia mahatsapa aho fa misy ny raharaha lehibe eo ampelatanana mila fifantohana avy hatrany.
“Leo i Khon Kaen”: Hetsi-panoherana manohana ny demokrasia any avaratra atsinanan'i Thailandy
Tsy tao an-drenivohitr'i Bangkok fotsiny no nisy ny hetsi-panoherana notarihin'ny tanora tao Thailandy. Ity misy tatitra iray momba ny fihetsiketsehana lehibe tany amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny firenena.
Nepal: Fampirantiana voalohany ireo zavakanto virtoaly maoderina, amin'ny endrika 360 degre
Asakanto an'ireo Nepaley artista miisa 19, aseho anaty fampirantiana virtoaly ety amin'ny aterineto, nomena anarana hoe ‘Tangential Stress’, notontosain'ny Museum of Nepali Art (MoNA) - Tranombakoky ny Zavakanto Nepaley.
Antso firaisankina amin'ny fankalazana ny fahaleovantenan'i Trinite & Tobago
Nampivadika tanteraka an'i Trinite sy Tobago ny fifidianana ankapobeny ary nampiharihary izay azo hazavaina ho endriny ratsy amin'ny ambany foitrany[...] fa hita maso amin'izay ny fifanenjanana mikotrika eo amin'ny samy foko, indrindra fa eo amin'ny Indo-Trinbagonianina sy ny Afrô-Trinbagonianina.[...]
Nikaragoà: Namoaka ny angondrakitra miafin'ny governemanta amin'ny tranga COVID-19 ny vondrona mpijirika Anonymous
Nanambara ny mpijirika fa miampy 6.245 ny tranga COVID-19 tany Nikaragoa izay tsy mbola fantatry ny besinimaro.
Poeta mpikatroka Myanmar voaheloka noho ny fanoherana ny fahatapahan'ny aterineto
Nisongadina tao amin'ny fihetsiketsehana ny sora-baventy manao hoe: “Nakatona ve ny aterineto hanafenana heloka an'ady sy hamonoana vahoaka?”
Ekoadaoro: Nesorina ilay mpanolotra fandaharana malaza tao amin'ny fahitalavitra
Nandritra ny fotoana nialàny tamin'ny fandaharana, naneho hevitra tamin'ny fanohanany azy tao amin'ny vondrona Facebook ireo mpankafy an'i Vera.
Kôlômbiàna sy Shiliàna mpitsabo aretin-tsaina, miangavy ny handraisana an-tànana ny fahasalaman'ny saina amin'ny fisorohana ny fanjifàna tafahoatra ireo vaovao (diso) momba ny COVID-19
Tao Shily, nitombo be ny fidorohana zavatra mahadomelina, ny alikaola, ny fanjifàna sigara, nanditra ny fihibohana
Karaiba : Momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Ry mpanao gazety [...], rehefa fankalazana ny andron'ny 3 May, Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, manantena aho fa ho tsaroanareo ny fomba niainanareo am-pilaminana teto
Mbola tsy hita i Abubakar Idris Dadiyata avy any Nizeria, herintaona taorian'ny fakana an-keriny azy
"Nahoana no very tsy misy soritra mandritra ny herintaona tany Nizeria i Dadiyata kanefa tsy miraika akory ny amin'izany ny governemanta fa mitady fanadiovan-tena ary tsy mandray andraikitra feno amin'ny fitadiavana azy ?"