“Leo i Khon Kaen”: Hetsi-panoherana manohana ny demokrasia any avaratra atsinanan'i Thailandy

Ireo mpanao fihetsiketsehana milanja sora-baventy sy tablety mampiseho ny fanohanany ireo fitakiana telo lehibe tamin'ny hetsika: 1. Fandravana ny parlemanta 2. Famaranana ny fanenjehana ny mpanohitra 3) Famolavolana lalàmpanorenana demokratika sy vaovao. Saripikan'i Adithep Chanthep. Fanazavana avy amin'ny The Isaan Record

Ity lahatsoratra nasiam-panitsiana ity dia avy amin'ny The Isaan Record, tranokalam-baovao tsy miankina any Thailandy, ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty. Mifantoka amin'ny zava-mitranga ao Bangkok renivohitra ny tatitra manerantany momba ny fihetsiketsehana notarihin'ny tanora tao Thailandy. Mitantara ny famoriam-bahoaka lehibe tao an-tanandehiben'i Khon Kaen any avaratra atsinanan'i Thailandy ity tatitra avy amin'ny The Isaan Record ity.

Ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao an-tanàndehiben'i Khon Kaen (avaratra atsinanan'i Thailandy), izay mitovy  amin'ilay any Bangkok fa kely kokoa dia toerana fanaovana fihetsiketsehana tao anatin'ny taona vitsivitsy izay. Saingy tamin'ny 20 Aogositra, nahasarika vahoaka nihorakoraka manodidina ny 1.500 nanohana ny hetsiky ny demaokrasia sy ny fanovana ara-tsosialy notarihan'ny tanora ity tsangambato mari-pamantarana ity.

Nifandimby nanao lahateny teny an-tsehatra ireo mpikatroka miantso ny governemanta handrava ny parlemanta, hanomana fifidianana, ary hamolavola lalàmpanorenana vaovao. Niakatra an-tsehatra nanao fanentanana ho amin'ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy ary ny zo afaka hanao fanalan-jaza azo antoka ny mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ny LGBTQ ao Isaan.

VAKIO BEBE KOKOA: Youth-led protests in Thailand get support from citizens demanding ‘real democracy’

Nanao fombafomba vazivazy ihany koa ireo mpikatroka tamin'ny alàlan'ny fampiasana zava-pisotro Red Bull ho rano voahasina handroahana ny Praiminisitra Jeneraly Prayuth izay nitarika ny fanonganam-panjakana miaramila tamin'ny taona 2014 nanonganana ny governemanta voafidy ary avy eo natao Praiminisitra taorian'ny fifidianana tamin'ny volana Martsa 2019.

Iray tamin'ireo lehibe indrindra tao Isaan tato anatin'ny herinandro vitsivitsy io fihetsiketsehana io izay nokarakarain'ny vondrona mpianatra eny amin'ny oniversite ary niforona taorian'ny fandravana ny Antoko Hoavy Miroso izay niteraka resabe tamin'ny volana Febroary. Nanambara ny vondrona “Khon Kaen's Had Enough” (Leo ny Khon Kaen) fa hanaovana ny tsangambato ho toerana mahazatra azy ireo amin'ny fihetsiketsehana bebe kokoa mba hitazomana ny fitakiana atao amin'ny governemanta izany.

Maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no mpianatry ny lisea izay nanao ribà fotsy ary nanofahofa rantsan-tanana telo ho mariky ny fanoherana. Saripikan'i Adithep Chanthep. Fanazavana avy amin'ny The Isaan Record

Ireo mpanao fihetsiketsehana, ny ankamaroan'izy ireo nitondra sarontava, nandrehitra ny jiron'ny findainy rehefa nanao fampisehoana an-tsehatra ireo mpitendry mozika ary nanao kabary ho amin'ny fanovana ara-politika sy sosialy ny mpandahateny. Saripikan'i Adithep Chanthep. Fanazavana avy amin'ny The Isaan Record

Nanao fombafomba fanesoana ny mpikarakara mba hanozonana sy hanalana ny Praiminisitra Prayuth. Nahitana ny sarin'i Prayuth sy ny tavoahangin'ny zava-pisotro Red Bull ampiasaina ho solon'ny rano voahasina ny fombafomba. Eo akaikin'ny toerana masin'ny tanàndehibe, ivon-toerana ara-panahy ao Khon Kaen no misy ny toerana ahitana ny Tsangambaton'ny Demokrasia. Saripikan'i Adithep Chanthep. Fanazavana avy amin'ny The Isaan Record

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.