Miontana amin'ny fanoheran'i Naomi Osaka kalazan'ny tennis ho fanohanany ny Black Lives Matter i Japana

“Manazava ny hetsika ataony amin'ny tontolon'ny tennis hanoherany ny fitifiran'ny polisy an'i Jacob Blake i Naomi Osaka.” Pikantsary tamin'ny 28 aogositra 2020, avy amin'ny fantsona YouTube ESPN ofisialy.
Tamin'ny 27 Aogositra, nampiato vonjimaika ny fandraisany anjara amin'ny fifaninanana tennis Western & Southern Open tany Etazonia ilay kalazan'ny tennis Japoney Naomi Osaka taorian'ny nitifiran'ny polisy tao Kenosha, Wisconsin, an'i Jacob Blake. Nahazo dera ny “feo vaovaon'i” Osaka, ary efa tsinjo mialoha koa mazava loatra fa nahazo tsikera ihany koa tany Japana.
Niteraka tsikera maventy sy tsy fankatoavan'ny sivily nanerana ny firenena ny fitifirana an'i Jacob Blake tao Wisconsin tamin'ny 23 Aogositra 2020, tafiditra anatin'ny tarazon-kerisetra manan-tantara amelezana ny mainty sy ny teratany voalohany avy amin'ny polisin'i Etazonia.
Athleta sy ekipa mpanao fanatanjahantena maro no nanatontosa fitokonana tsy ara-dalàna ho fanoherana ny fitifirana an'i Blake. Tamin'ny sioka iray tamin'ny 27 aogositra, nanambara i Osaka fa hiala amin'ny fifaninanana Western & Southern Open izy “hanombohan'ny resaka ao amin'ny fanatanjahatena anjakazakan'ny fotsy an'isa” (tennis):
— NaomiOsaka大坂なおみ (@naomiosaka) August 27, 2020
Taorian'ny fanambaràn'i Osaka, nanambara ny mpikarakara ny fifaninanana fa miato vetivety ny lalao ny alakamisy, 27 aogositra, ka hiverina amin'ny laoniny izany ny zoma 28 aogositra. Nanambara avy eo i Osaka fa hiverina indray ho ao amin'ny fifaninanana izy, hiditra ao amin'ny kianja fanaovana tennis hitafy ny T-shirt Black Lives Matter T-shirt.
Statement made.
Quite the 48 hours from @naomiosaka ✊🏿 pic.twitter.com/0hPzDWLNWC
— US Open Tennis (@usopen) August 28, 2020
Fanambaràna vita.
Nahavalalanina ny 48 ora avy amin'i Naomi Osaka.
[Sary] Niditra ny kianja filalaovana tennis amin'ny t-shirt maity sy fotsy maneho endrika ny hetsika Black Lives Matter ny athleta Naomi Osaka.
Tamin'ny fanambaràna iray nalefa tany amin'ny sehatra fampitam-baovao maro, nilaza i Osaka :
As you know, I pulled out of the tournament yesterday in support of racial injustice and continued police violence. […] I was (and am) ready and prepared to concede the match to my opponent. However, after my announcement and lengthy consultation with the WTA (Women's Tennis Association) and USTA (United States Tennis Association), I have agreed at their request to play on Friday. They offered to postpone all matches until Friday and in my mind that brings more attention to the movement.
Araka ny efa fantatrareo, niala tamin'ny fifaninanana aho omaly ho fanohanana ny tolona iadiana amin'ny tsy rariny ara-piarahamonina sy ny fitohizan'ny herisetran'ny polisy. […] Efa nivonona (ary vonona) hanome ny lalao ho an'ny mpifanandrina amiko. Na izany aza, taorian'ny fanambarana nataoko sy ny fifampiresahana lava dia lava nifanaovana tamin'ny WTA (Fiarahan'ny tennis vehivavy) sy ny USTA (Fiarahan'ny tennis Etazonia), dia nanaiky ny fangatahan-dry zareo aho hilalao ny zoma. Nanolo-kevitra ry zareo ny hanemotra ny lalao rehetra ho amin'ny zoma ka tao an-tsaiko dia efa nanome fifantohana bebe kokoa tamin'ny hetsika izany.
Naomi Osaka, izay heverin'ny maro ho sangany manerantany amin'ny vehivavy mpilalao tennis, dia olompirenena Japoney manana lova japoney sy haisianina, ary nihalehibe tany Etazonia miteny Japoney sy Kiriolona. Mba ho fanarahana ny fitakian'ny mahaolompirenena japoney, izay tsy manaiky zom-pirenena roa ho an'olona iray, sy hisoloany tena an'i Japana tamin'ny lalao Olaimpika 2018, dia nanaisotra ny mahaolompirenen'i Etazonia azy izy.
Olo-malaza tiam-bahoaka ao Japana i Osaka, noho ireo zavabitany eny amin'ny kianjan'ny tennis, sy ny fitiavany mitsikitsiky an-tserasera. Saingy na teo aza izany, niaritra fanafihana fanavakavaham-bolonkoditra an-tserasera i Osaka, indraindray avy amin'ny sioka heverina ho tsy dia manao ahoana loatra, ary indraindray noho ny fanohanana sy fanentanana #BlackLivesMatter ao Japana [mg].
Mpisera Twitter iray malaza, izay mamariparitra ny tenany ho “Hapa Japoney-Amerikana” (olona aziatika na taranaky ny nosy pasifika ilany), tao amin'ny sioka iray nisy an'aliny nizara nanangona ireo tsikera isankarazany namely an'i Osaka tao Japana:
大阪なおみさんの試合ボイコットに対する日本語コメントが最悪すぎる。
「やっぱり日本人じゃなかった」
「スポンサーに対して迷惑」
「こんなことしても無駄」
「警察に殺されるようなことをした本人が悪い」全て拾いきれない。本当に酷い。
— あんな (@annaPHd9pj) August 27, 2020
Tena mampiaiky volana tokoa ny fanehoan-kevitra amin'ny teny japoney amin'ny fanapahan-kevitr'i Naomi Osaka hanao ankivy ny lalao tennis :
«Mihevitra aho fa tsy tena japoney izy, amin'izany rehetra izany.»
«Eritrereto ny fahasahiranana atrehin'ny mpanohana azy ara-bola.»
«Tsy misy ilaina izany fanaovana ankivy lalao izany.»
«Mendrika ilay boay ny nitifiran'ny polisy azy.»
Nibedy an'i Osaka amin'ny teny anglisy i Yamaoka Tetsuhide, mpaneho hevitra iray mpandala ny mahazatra hiringiriny malaza, ka lasa lavitra hatramin'ny fampiasana voambolana fanafohezana sady mialanjalanja orona am-pananjana “chan” rehefa niresaka tamin'ilay kintan'ny tennis malaza manerantany:
Naomi Chan, I know what you must feel but I think it’s a totally separate issue. You can freely express your concern by all means but please don’t walk away from tennis court as you are professional tennis player we love.
@naomiosaka https://t.co/eFJX6FQPbG— 山岡鉄秀 (@jcn92977110) August 27, 2020
Naomi Chan, haiko izay tsy maintsy ho fahatsapanao saingy heveriko fa olana iray hafa tanteraka io. Afaka maneho malalaka ny ahiahinao amin'ny fomba rehetra ianao, saingy miangavy aza miala amin'ny kianjan'ny tennis satria mpilalao tennis matihanina tianay ianao.
Na izany aza, maro ireo olona ao Japana no naneho ny fanohanany an'i Osaka, ao anatin'izany i Fukuyama Kazuhito, mpahay lalàna iray malaza sady kandidà ho ben'ny tanànan'i Kyoto.
大坂なおみさん
「私はアスリートである前に、黒人女性です。そして、私がテニスをするのを見てもらうより、もっと大事なことがあると思っています」
おそらく苦渋の選択だったと思う。私は支持する。 https://t.co/LwXxbOitnu— 福山和人 (@kaz_fukuyama) August 27, 2020
Rtoa Naomi Osaka :
« Alohan'ny maha-athleta ahy dia vehivavy mainty aho. Ary amin'ny maha-vehivavy mainty ahy, dia mahatsapa aho fa misy ny raharaha lehibe eo ampelatanana mila fifantohana avy hatrany, toy izay mijery ahy milalao tennis. »
Mety hoe safidy sarotra. Manohana an'i Naomi Osaka aho.
Huffington Post : «Nanambara hanao ankivy lalao iray i Naomi Osaka ho fanoherana ny tifitra ataon'ny polisy amin'ny lehilahy mainty iray»
Ishigaki Noriko, mpanolotsaina monisipaly avy ao Sendai sady mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra lehibe ao Japana :
大坂なおみさんの抗議の意思表示と行動があって、大会が「人種差別や社会的な不公平に抗議するため」として試合を見合わせました。
大会側が彼女の主張に呼応したのだから出場に応じるのは何ら矛盾はありません。
構造的なあらゆる人種差別への抗議に連帯します。https://t.co/A3ew5hcIar— 石垣のりこ (@norinotes) August 28, 2020
Noho ny fanoherana sy ny fikatrohan'i Naomi Osaka, nahemotry ny mpikarakara ny fifaninanana, ho «fanambaràna hanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny tsy rariny ara-piarahamonina». Tsy manohitra ny tenany i Osaka raha nanaiky hiverina handray anjara, satria efa namaly (ny hafatr'i Osaka) ny fifaninanana.
Miray hina ho fanoherana izay endrika fanavakavahambolonkoditra rehetra ara-drafitra aho.
Lahatsoratry ny NHK : « Niverina nandray anjara tamin'ny fifaninanana tennis i Naomi Osaka. »
Raha niverina nilalao indray i Osaka tamin'ny zoma 28 aogositra, dia voatery niala haingana indray, noho ny ratra amin'ny hozabe amin'ny voditongotra.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...