Tantara tamin'ny Septambra, 2019
Fantaro i Justin Sègbédji Ahinon, mampiatrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang ny 25 Septambra – 1 Oktobra

Andao hojerentsika bebe kokoa ny momba an'i Justin Sègbédji Ahinon, hampiatrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 25 Septambra - 1 Oktobra 2019. Hozarainy amintsika ny fijeriny ny fiteny Fɔ̀ngbè.
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."
Fantaro i Benson KC Fang, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 24 ka hatramin'ny 30 Septambra 2019

Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Benson KC Fang, ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 24 ka hatramin'ny 30 Septambra 2019. Hizara ny maha-zava-dehibe ny fiteny Taivoan sy ny kolontsainy izy.
Ao amin'ny tanàna iray mitsingevana any Kambodza, manalavitra tsikelikely ny sekoly ny ankizy
"Tsy afaka manenjika ireo mpianatra hafa ny sasany amin'ireo ankizy ka manapa-kevitra ny hijanona ary handeha hiasa."
Fantaro i Mangu Purty, mpampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 17 – 23 Septambra 2019

Vakio ny fanontaniana sy valiny niarahana tamin'i Mangu Purty, mpampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 17- 23 Septambra 2019. Hozarainy amintsika ny ezaka ataony momba ny tetikasa Ho Wikimedia.
Chqeta’maj le qach’ab’al k’iche’! (Andao hianarantsika ny K'iche fiteninay!)
Tetikasa azo idirana maimaimpoana mifototra amin'ny fitenim-paritra k’iche any Nahualá ny hqeta'maj le qach 's k kiche'! (Andao hianarantsika ny K'iche'). Miara-miasa amin'izany ireo mpampianatra, mpianatra nahazo diplaoma sy ireo mpampianatra avy amin'ny oniversite Amerikana.
Nilaza ny fampitam-baovao any Makedonia Avaratra fa naka tahaka ny hiran'ilay kintana Balkan malaza Toše Proeski ny tarika Rosiana iray
Andian-dahatsoratra an-tserasera maromaro tany Makedonia Avaratra no nanameloka ilay tarika rock Rosiana Zemlyane noho ny fakany tahaka ny hira malaza tamin'ny taona 2007 an'ilay mpanoratra avy any Kroasia ho an'ilay kintan'ny pop Makedoniana Toše Proeski izay efa nodimandry.