Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Topi-maso momba ireo fitokonana amin'ny toetr'andro manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana

Mpanao fihetsiketsehana Filipiana amin'ny endrika Tany-olombelona. Sary: Pejy Facebook-n'ny Scientia.

Maro ireo hetsika nokarakaraina manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 septambra 2019 ho fanohanana ny Global Climate Strike (Fitokonana momba ny Toetrandro Manerantany). Anisan'ny tanjon'ny fitokonana manerantany ny fanentanana ny tanora sy ny fanerena ireo mpitarika manerantany izay fantatra fa hihaona amin'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Hetsika momba ny Toetr'andro any New York.

Nanasongadina olana isan-karazany ny hetsika fanoherana tany Azia Atsimo Atsinanana, toy ny fiantraikan'ny fitrandrahana goavana, ny loton'ny zavo-tsetroka ary ny fiankinan-doha hatrany amin'ny solika milevina fandrehitra. Toy ny any amin'ny faritra hafa eran'izao tontolo izao, nanasongadina ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fitarihan'ny tanora ny fitokonana momba ny toetrandro tao Azia Atsimo Atsinanana.

Ity ambany ity ny topi-maso momba ireo hetsi-panoherana manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana:

Mitaky fanambaràna olana maika momba ny toetrandro ireo mpanao fihetsiketsehana any Myanmar

Olona 200 mahery no nanao diabe niainga avy ao amin'ny tsena vaovao Bogyoke ho any amin'ny Pagoda Sule, ary avy eo nivory teo ivelan'i Vala Mahabandoola tao Yangon tamin'ny 21 septambra. Nanentana ny governemanta any Myanmar izy ireo mba hanambara ny hamehana amin'ny toetr'andro, hametraka fiatoana maharitra amin'ireo tetikasa manimba ny tontolo iainana, ary hampiroborobo ny rariny ara-tontolo iainana.

Nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana tany Yangon ireo tanora mpiaro ny tontolo iainana. Sary: Pejy Facebook-n'ny Climate Strike Myanmar 

Mitaky ny rariny ara-toetrandro ireo mpikatroka Filipiana

Tanora mpiaro ny tontolo iainana maherin'ny 600 no nandray anjara tamin'ny fananganana endrika Tany-Olombelona tany Manila no sady nitondra sora-baventy mitaky ny rariny ho an'ny toetrandro tamin'ny 20 septambra. Niampanga ny fitomboan'ny famonoan'olona tsy ara-pitsarana mikendry ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ireo mpiaro ny zo momba ny tany eo ambany fitantanan'ny governemanta Rodrigo Duterte izay tonga teo amin'ny fahefana tamin'ny taona 2016 izy ireo.

Nangataka i Thailandy mba hatsahatra ny fananganana orinasan-tsaribao

Tanora mpiaro ny tontolo iainana maherin'ny 150 no nanao fihetsiketsehana die-in teo anoloan'ny Minisiteran'ny Harena voajanahary sy ny tontolo iainana Thailandy tamin'ny 20 Septambra. Nametraka fanangonan-tsonia izy ireo, nangataka ny governemanta mba hanaisotra tsikelikely ny arina ary hanolo izany amin'ny angovo azo havaozina. Naharay ny taratasy ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ary nankasitraka ny ahiahin'ireo tanora ho amin'ny tontolo iainana.

Nivory teo anoloan'ny Minisiteran'ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana ny tanora mpiaro ny tontolo iainana. Loharano: pejy Facebook an'ny Climate Strike Thailand 

Nanery hetsika manohitra ny fahalotoan'ny zavo-tsetroka i Malayzia

Maherin'ny 300 ny olona nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nokarakarain‘i Klima Action Malaysia tamin'ny 21 Septambra. Nampifandraisin'izy ireo tamin'ny krizin'ny toetrandro ny loton'ny zava-tsetroka miha-mitombo ary nangataka tamin'ny governemanta izy ireo mba hanadihady ireo orinasa tompon'antoka amin'ny famatsiam-bola amin'ny fandripahana ala any Malayzia sy Indonezia.

Nandeha tamim-piraisankina niaraka tamin'ny hetsika fitokonana ho an'ny toetrandro manerantany ny Malayziana.

Feno ny foko ary faly mahita olona marobe avy amin'ny sehatra rehetra miady ho an'ny rariny momba ny toetr'andro saingy afa-po ve aho? mahazo aina ve aho? tsia. tsy ampy izany. mila fanovana isika. mila fahamarinana ara-toetr'andro isika. ary ilaintsika TSY MISY HATAKANDRO IZANY.

Atsaharo ny doro ala any Indonezia

Nilaza ny tatitra fa tanora arivo mahery no nanao diabe tany Jakarta tamin'ny 20 Septambra. Nokianin'izy ireo ny tsy fahombiazan'ny governemanta hampitsahatra ny doro ala any Sumatra sy Kalimantan izay nahatonga ny fandotoana setroka be tsy tany Indonezia ihany fa tao Malayzia sy Singapaoro ihany koa. Ny fanitarana ny fambolena sy ny fanajariana ny tany amin'ny fomba tsy ara-dalàna no tompon'antoka amin'ny doro tanety ao amin'ny firenena.

Tarihin'ny feo matanjak'ireo tanora mitaky ny ady amin'ny olana maika momba ny toetr'andro sy ny fanerena ireo mpanao politika mba handray fepetra manoloana ny olana ara-toetrandro ny  #ClimateStrike ao Jakarta

Tsy hoe mila mihaino ny feon'ny tanora ihany isika, fa misy lanjany lehibe ny feon'ny tanora

Miara-manao diabe miaraka amin'ny afisy sy ny fontsika isika mba hanao ity fanentanana ity. MILA MANDRAY FEPETRA ISIKA! TOKONY HIHAINO SY HANAO ZAVATRA IREO OLONA EO AMIN NY FAHEFANA!

Nilaza i Singapaoro fa hampihena ny famoahana etona mpampitombo hafanana

Nanana taha-pandraisana anjara lehibe i Singapaoro nandritra ny fitokonana momba ny toetr'andro tamin'ny 21 septambra tao amin'ny Hong Lim Park. Olona roa arivo teo ho teo no nanatevin-daharana ny hetsika miantso ny governemanta mba hanala ny karibaona amin'ny toe-karena ary hampihena ny famoahana etona mpampitombo hafanana. Nitafy mena ireo mpandray anjara mba hanamarihana ny olana maika momba ny toetrandro atrehintsika ankehitriny.

Miarahaba avy aty Singapaoro!

Nanomboka tamin'ny #sgclimaterally omaly, sary nalain'ny namako. Nanantena ireo mpikarakara (sy ny sinika hannah) fa olona 500 no ho avy – nilaza ny Singapaoreanina 2000 fa leon'ny zavo-tsetroka ary niseho. Mahatsiaro ho mirehareha aho fa Singapaoreana anio

Mpikatroka Vietnamiana sahy mihaika ary manao fihetsiketsehana ao an-tanànan'i Ho Chi Minh

Ary farany, tany Vietnam, nikarakara fihetsiketsehana momba ny toetrandro tao an-tanànan'i Ho Chi Minh ny mpikatroka tontolo iainana na dia teo aza ny loza ara-politika amin'ny hetsika tahaka izao.

Sambany nidina an-dalambe ny olona ao amin'ny tanànan'i Ho Chi Minh mba hanatevin-daharana ny #ClimateStrike, mitaky fepetra ara-tontolo iainana matotra sy maika ho an'ny tanànany izay anisan'ireo tena voakasik'izany indrindra, rahonan'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny loton'ny rivotra izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.