Tsy resy lahatra tamin'ny tatitra nataon'ny BBC momba ireo Venezoeliana mpitsoa-ponenana ny governemanta ao Trinite sy Tobago

Pikantsary nalaina avy amin'ny lahatsary fanentanana ho an'ny andian-dahatsoratra BBC, “Ny mpitsoa-ponenana”, izay manasongadina ny fizaran-tantara mitondra ny lohateny hoe “Rehefa tonga tao amin'ny nosy bitika kely ireo  Venezoeliana very fanantenana miisa 40.000.” Loharano: fantsona YouTube ofisialy BBC News.

Mifantoka amin'ny fiainan'ireo Venezoelana tonga tany Trinite hitady fialokalofana, sy momba ny fepetra noraisina natao mba handraisana ireo vahiny miisa 40.000 mahery avy any amin'ny firenena tra-pahavoazana any Amerika Atsimo ihany koa ny andiana fanadihadiana farany tamin'ny fitantaran'ny BBC, “Ny Nafindra Toerana”.

Nanomboka ny dingana fisoratana anarana ny governemantan'i Trinite sy Tobago tamin'ny 31 Mey 2019 mba hahazoan'ny Venezoeliana mpitady fialokalofana fankatoavana. Hanome ireo voasoratra anarana ny zo hiasa ao Trinite sy Tobago ity fisoratana anarana ity ary noho izany dia mba hampihenana ny fanararaotan'ny olona maty eritreritra ihany koa. Mila visa ireo izay rehetra avy any Venezoela ho any Trinite sy Tobago noho izany satria nifarana tamin'ny 14 Jona ny dingan'ny fanoratana anarana.

Hatramin'ny nivoahan'ny tatitry ny BBC, olona maro — hatramin'ny praiminisitry  ny firenena, Keith Rowley, ka hatramin'ireo mpisera ny tambajotra sosialy — no nanambara fa tsy nahavita nilaza ny zava-misy marina izy ireo. Araka ny famintinana tamin'ny ambangovangony nataon'ny BBC, “tsy mora ny fiainana ho an'ireo izay tonga any an-toerana ary misy aza ny olona sasany nilaza mazava fa tsy tongasoa izy ireo.”

Raha ahitana hevitra isankarazany hatramin'ny fitsikerana ka hatramin'ny fisokafantsaina ny valinteny ampahibemason'ny daholobe momba ny krizy Venezoelana  dia toa hita fa nifantoka tamin'ny tranga vitsivitsy momba ny fankahalana vahiny ilay andiana fanadihadiana:

Tsy ny hampiseho ny asa vita tao amin'ny Rano Mamelona, nataon'i Alice Yard na ireo vondrona  REHETRA HAFA miara-miasa amin'ny Venezoeliana no nataon-dry zareo fa ny olona tsy te-hahalala sy mpankahala vahiny indrindra hofisoloantena ny hevitray. Tena mahatsiravina.

Mponina ao Trinité sy Tobago: 1,3 tapitrisa. Ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana:12 BBC: Izany no nitranga tao TRINITE … hadalana eny

Nanatontosa antsafa niaraka tamin'ilay olo-malaza mampiady hevitra ao amin'ny tmbajotra sosialy Kia Hosein (fantatry ny daholobe amin'ny anarana hoe “Kia Rankin Boss”” ) ny  BBC saingy maro no nahatsapa fa tsy nanana loharanom-baovao matotra ireo sehatra fampahalalam-baovao, na farafaharatsiny mba nampisy adihevitra.

Trinidadiana: Tena vongany ny fampitam-baovao ao Trinite!

BBC: *nitanisa an'i Rankin Kia Boss ho loharano azo itokisana

“Rankin Kia Boss” – loharanom-baovao azo itokisana.
Tena marina ve ry BBC?!?!?! AOKA MARINA

Nandritra izany fotoana izany, nilaza ny praiminisitra Rowley fa hifandray amin'ny governemantan'ny Fanjakana Britanika izy mba “hanitsy ny fanadihadiana”. Nifamaly tamin'ny Kaomisera Ambony Britanika Tim Stew mihitsy aza izy izay nanambara ny heviny momba ny olana fa efa nanolo-tena ho amin'ny amin'ny fampitam-baovao malalaka  ny governemantany:

Nanaitra ny saiko ny governemanta momba ny fanadihadiana nataon'ny BBC momba ireo mpifindra monina Venezoeliana.

Araka ny nolazaiko, midika ny fanoloran-tenan'ny Fanjakana Britanika amin'ny fahalalahana maneho hevitra fa mahaleotena amin'ny governemantan'ny Fanjakana Britanika ny fampitam-baovao Britanika, anisan'izany ny BBC.

Namaly tamin'ny alàlan'ny pejiny Facebook i Rowley:

Independent?

The BBC gets billions of pounds from the UK Government to carry on their business. They mirror and reflect British Government policy.

The UK Government determines and causes all television users to pay a licence fee to them. They send coded messages around the world for the British Government.

That is not the response we want from him. He must respond to whether the BBC presented our Venezuelan situation in a truthful and professional manner.

Mahaleotena?

Mahazo livra amina miliara maro avy amin'ny Governemanta Britanika ny BBC mba hanatontosany ny asany. Mampiseho sy maneho taratra ny politikam-panjakana Britanika izy ireo.

Ny Fanjakana Britanika no mamaritra sy mampandoa ny mpampiasa fahitalavitra rehetra ny saran'ny lisansa ho azy ireo. Mandefa hafatra voaafin-tsoratra manerantany izy ireo ho an'ny Governemanta Britanika.

Tsy izany no valinteny tadiavintsika avy aminy.  Tokony ho valiany raha naneho ny zava-nitranga iainan'ny Venezoeliana tamin'ny fomba marina sy matihanina ny BBC.

Nahatsapa anefa ny mpanao politika mpanohitra fa raisin'ny Praiminisitra vilana ny toe-draharaha.

Ny toe-draharaha ifantohana

Lasa sady politika no mampihetsi-po ny olan'ny fitadiavana fialokalofana ka niteraka fisaraham-bazana teo amin'ny fiarahamonina Trinbagoniana. Olom-pirenena maro no tsy milefitra fa tsy tokony hidikiditra andraikitra amin'ny mpiray vodirindrina aminy ao amin'izay lasa krizy mahaolombelona ny firenena; naka ny toeran'ny nasionalista hiringiriny ny olona sasany ary nahita ny fitomboan'ny mpitsoa-ponenana Venezoelana ho toy ny enta-mavesatra.

Nandray anjara tanteraka tamin'ny fizotry ny fanampiana ireo olom-pirenena Venezoeliana nafindra toerana ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana any Trinite sy Tobago saingy namela ny olom-pirenena tsy nahalala ny toe-draharaha tamin'ny ankapobeny ny tsy fahampian'ny vaovao azo antoka sy nohavaozina tamin'ny tena antontanisa farany indrindra. Mba hanasarotana ny olana, nahatonga ahiahy sy tahotra ny tatitra vao haingana nataon'ny gazety momba ny Venezoeliana voalaza fa voarohirohy tamin'ny fanaovana heloka bevava.

Nikasa hanova ny lohahevitra tamin'ny alàlan'ny famokarana horonantsary iray izay mampiseho ny krizy teo anatrehan'ireo mpitady fialokalofana Venezoeliana ny mpanatontosa horonantsary eo an-toerana Rhonda Chan Soo. Mijery akaiky ny fianakaviana Venezoelana maro izay nandray fanapahan-kevitra ny hiala ny tanindrazany ary nankany Trinite ny “Nearest Neighbours” na ny “mpifanolobodirindrina akaiky indrindra “.

Nilaza i Chan Soo raha niresaka tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny mailaka hoe:

I hope that the film helps to portray a human side to the political crisis, and to help bring marginalised voices to the mainstream with dignity.

Manantena aho fa hanampy amin'ny fanehoana ny lafiny maha-olona ny horonantsary amin'ny krizy politika, ary hanampy ireo feo lasa anjorony hankany amin'ny lakan-kevitra ao anatin'ny fahamendrehana.

Nandray ny fijery “andro iray amin'ny fiainana”, mitantara ireo fomba fijerin'ireo mpitady fialokalofana amin'ny alàlan'ny andiana antsafa izay ahitan'ny mpijery ny topi-maso momba ny fiainana, ny tahotra ary ny tolona ataon'izy ireo ilay sarimihetsika. Nanazava i Chan Soo fa nahatsikaritra zavatra itovizana izy tany am-piandohan'ny fanatontosana ilay lahatsary:

I chose to focus on families and the more commonly shared experiences […] as a starting point, and chose different voices to articulate an interesting angle on what I learned was a shared story.

Nisafidy ny hifantoka amin'ireo fianakaviana sy ny zavatra niainana nozaraina mahazatra matetika aho […] ho fanombohana, ary nisafidy feo samihafa hanasaratsarahana tsara zoro iray mahaliana amin'izay fantatro fa tantara nozaraina.

Araka ny filazan'i Chan Soo,  misy ifandraisany amin'ny “fanamby mpitranga rehefa tsy manana sata ara-dalàna” ireo zavatra niainana ireo, “anisan'izany ny olana mahazatra toy ny fahasarotana hahatafidirana fanabeazana, ny fanararaotana any am-piasana sy ireo olana ratsy kokoa amin'ny fisamborana, ny fanagadrana ary eny fa na dia ny fivarotan'olona ho an'ny filàn'ny nofo aza.”

Ravahan'ilay filma koa ny fikirizan'ny saina ray aman-dreny sy zanaka manohy ny fiainany na dia eo aza ny hoavy manjavozavo. Nisy tranga iray nahitana mpianatra zazavavy tao an-toerana nanampy ny namany Venezoeliana namaky teny tao an-dakilasy ary ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao dia ahitana ny maha-olombelona ao anatin'ity krizy ity izay matetika hadinon'ny besinimaro.

Samy maneho taratra ny andraikitr'i Trinite sy Tobago amin'ny krizy Venezoeliana ireo fanadihadihana an-dahatsary roa ireo ary samy manana ny fomba nanehoany izany.

Hivoaka voalohany ao Trinité ny herinandron'ny 14 Oktobra 2019 ny fanadihadiana an-dahatsary “Ireo mpifanolobodirindrina akaiky indrindra”, ao amin'ny toerana fanaovana fampisehoana Big Black Box .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.