Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

15 Avrily 2019

Tantara tamin'ny 15 Avrily 2019

Ozbekistana: Ireo Fiovàna Tsy Niriana

Taorian'ny faharavàn'ny URSS, nitsahatra tsy nisy intsony ny mari-pamantarana sy ny ideolojia kaominista sovietika ary niatrika olana miezinezina momba ny famaritana maripamantarana azy vaovao sy ara-ideolojika ireo firenena vaovao.

Tahaka izao izany Paska (sy ny tsirony) ao Trinite & Tobago izany

Topimason'ny hoe manao ahoana izany fotoanan'ny paska izany ao amin'ny faritra atsimo indrindra amin'ny vondronosy karaiba izany.

Fihaonambe ao Hong Kong fanoherana ny fanitsian-dalàna mamela ny fampodiana ireo “mpandositra” ho any Shina

Mety hisy fiantraikany ratsy tsy ho an'ny mponin'i Hong Kong ihany ny fanitsiana ny lalàna momba ny fampodiana, fa ho an'ireo olom-pirenena vahiny miasa sy mandeha ao an-tanàna koa.

Venezoela: Mandrahona hampandoa onitra ireo fampahalalam-baovao mitantara ny hetsi-panoherana ny manampahefana

GV Mpisolovava

Nandrahona ireo fampahalalam-baovao izay mitantara ireo andiana fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fanagadrana vondrona mpianatry ny oniversite ny manampahefana omaly.

Rosia: Tantara tsangana “handrafetana indray” ny fahafatesan'ilay mpisolovava Magnitsky

Akon'ny RuNet

Mitohy ny adihevitra momba ny fepetram-pamonjana, nateraky ny fahafatesan'i Magnitsky - ary azo inoana fa hiditra amin'ny dingana vaovao izany: eo am-pamolavolana ny tantara izay "handrafetana indray" ny horohoron'ny ora farany niainan'i Magnitsky i Mikhail Ugarov (mpisera LJ m_u), mpilalao sarimihetsika mahatsikaiky sady tale ara-java-kanto ao amin'ny Teatr.doc (RUS), teathra ao...

Koety: Nampijaliana noho ny siokan'olon-kafa

GV Mpisolovava

Nahamarika izy ireo raha nandeha ny fampijaliana fa namoaka sioka tamin'io fotoana io ny kaonty Twitter izay niampangan'izy ireo azy raha mbola tany am-pigadrana izy ary nanapa-kevitra ny hampiato ny fampijaliana noho izany ny polisy ary niampanga azy ho nanao fihetsiketsehana tsy ara-dalàna tahaka ireo mpanao fihetsiketsehana hafa.

Mpitsikera ny governemanta tany Meksika nosamborina fa voampanga ho nahatrarana rongony

GV Mpisolovava

Miahiahy ireo mpanohana fa nosamborina ho famaliana faty ny asany an-tserasera i Gustavo Maldonado. Namoaka lahatsary YouTube miampanga ny manampahefana tamin'ny kolikoly i Maldonado vao ora vitsy talohan'ny nisamborana azy voampanga ho nihazona rongony vitsivitsy.