Fihaonambe ao Hong Kong fanoherana ny fanitsian-dalàna mamela ny fampodiana ireo “mpandositra” ho any Shina

Ity lahatsoratra manaraka ity dia nosoratan'i Holmes Chan tany am-boalohany ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 31 Martsa 2019. Navoaka indray tato amin'ny Global Voices ny endrika nasiam-panovana noho ny fifanaraham-piaraha-miasa.

Mpanao hetsi-panoherana an'arivony no nivory tamin'ny 31 martsa 2019 hanohitra ny fanitsiana ny lalànan'ny fampodiana ao Hong Kong izay mamela an'i Shina hampody avy any Hong Kong ireo “mandositra”. Niahiahy ireo mpanao hetsi-panoherana fa ho hararaotina ny lalàna mba hampodiana ireo mpanohitra ara-politika ao amin'ny Shina Tanibe.

Nilaza ireo mpikarakara avy amin'ny vondrona mpomba ny demaokrasia sy ny Manda Sivily ho an'ny zon'olombelona fa olona 12.000 no nandray anjara tamin'ny diabe niainga tao Southorn Playground tao Wanchai ho any amin'ny foiben'ny Admiralin'ny governemanta. Ny polisy kosa nilaza fa 5.200 ireo olona nandray anjara. Nanamarika ny iray tamin'ireo fihetsiketsehana lehibe indrindra amin'ity taona 2019 ity ny fihetsiketsehana.

Niantso ny governemanta ireo mpikarakara ny hetsi-panoherana mba hanaisotra ny fanitsiana ary nampanantena fa hanohy hetsi-panoherana bebe kokoa izy ireo amin'ny herinandro raha mandany ny lalàna an-katerena ny governemanta.

Nanasonia fifanarahana fampodiana teo amin'ny roa tonta i Hong Kong nanana fahefam-pitsarana manokana taloha, saingy tamin'ny volana lasa teo, nanolotra rafitra isaky ny raharaha iray ny governemanta mba hamela ny tanàna hitantana fangatahana fampodiana avy amin'ny fahefam-pitsarana izay mbola tsy nisy ny fifanarahana natao – indrindra indrindra i Shina sy i Taiwan.

“Amin'ny fampodiana ho any amin'ny tanibe, lasa fonja ambadika i Hong Kong,” hoy ireo mpanao fihetsiketsehana nihiaka. “Atsaharo ny lalàna ratsy.”

Ho voakasika ireo mpila ravinahitra miasa na mitsidika ny tanàna

Nilaza ilay mpanao lalàna Claudia Mo, izay nikarakara ny toby mpomba ny demaokrasia fa mety hisy fiantraikany ratsy tsy ho an'ny mponin'i Hong Kong ihany ny fanitsiana, fa ho an'ireo olom-pirenena vahiny miasa sy mandeha ao an-tanàna koa.

Nanahy ny mpanao hetsi-panoherana fa raha vao lany ny fifanekena fampodiana, dia mety ho araraotina hisamborana mpanohitra politika any Hong Kong. Sary: Tom Grundy / HKFP.

Don’t think that this is a minor law amendment… it is going to affect everyone. It will cast a dragnet over all of Hong Kong.

Aza mieritreritra fa fanitsiana kely amin'ny lalàna izany … hisy fiantraikany amin'ny tsirairay izany. Hitoraka harato ho an'i Hong Kong manontolo izany.

Nijoro teo aloha tamin'ny famoriam-bahoaka ny Alahady ilay mpivaro-boky Lam Wing-kee, izay voalaza fa nalaina an-keriny tamin'izy nosamborin'ny manampahefanan'ny tanibe tamin'ny taona 2015.

Lam no mpanorina ny Causeway Bay Books, izay niompana manokana tamin'ny lohateny fosafosa ara-pôlitika voaràra tao amin'ny tanibe. Nanjavona tao Shenzhen tamin'ny volana Oktobra 2015 izy, ary nipoitra indray tamin'ny fahitalavitra Shinoa iray volana taorian'ny “fiekeny” ny heloka tamin'ny fitantanana orinasa – niaraka tamin'ireo mpivaro-boky efatra tsy hita popoka – izay nandefa boky “tsy ara-dalàna” tany amin'ny tanibe. Nikabary tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana i Lam,

“ used to think I would stay in Hong Kong for another eight or 10 years, but now I know I can’t. If this amendment passes, it’s not just me who has to get away. I think a lot of people [in Hong Kong] have no idea it will affect them too.

“nihevitra foana aho fa hijanona ao Hong Kong mandritra ny valo na folo taona indray, saingy ankehitriny fantatro fa tsy izany. Raha lany ity fanitsiana ity, dia tsy izaho irery no tsy maintsy miala. Heveriko fa maro ny olona [ao Hong Kong] tsy mieritreritra fa hisy fiantraikany eo amin'izy ireo koa izany.

Mpivaro-boky teo aloha niala an'i Hong Kong alohan'ny fanitsiana ny lalàna

Efa niteny tamin'ny media teo an-toerana i Lam fa ny diabe amin'ny alahady no fotoana farany nidinany an-dalambe, satria handao an'i Hong Kong izy alohan'ny hahalasa lalàna ny fanitsiana.

Nanambara ny sekretera misahana ny fiarovam-pirenena, John Lee fa misy ny fiarovana ny zon'olombelona eo an-toerana ka tsy hisy olona hampodiana noho ny heloka ara-politika.

Ny herinandro lasa teo, nanambara fanekena ampahany tamin'ny fanitsiana i Lee tamin'ny fanesorana ireo karazana sazy ara-barotra sivy, noho ny  fanerena avy amin'ny tontolon'ny fandraharahana. Ho alefa any amin'ny Filan-kevitry ny Lalàna amin'ny Alarobia 2 Aprily ny volavolan-dalàna, manantena ny governemanta fa ho lany alohan'ny volana Jolay izany.

Nilaza i Mo fa mikasa hiantso ny vahoaka hihodidina hanemitra ny antenimiera ny toby mpomba ny demaokrasia ho fanoherana ny volavolan-dalàna.

Ratsy kokoa noho ny fametrahana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena

Nilaza i Jimmy Sham, tompon'andraikitra ao amin'ny Manda Sivily ho an'ny Zon'olombelona fa ratsy lavitra noho ny andininy faha-23 mampiady hevitra ao amin'ny Lalàna Fototra ny fanitsiana – izay milaza fa tsy maintsy mametraka lalàna fiarovam-pirenena i Hong Kong.

Article 23 at least requires the law to be passed in Hong Kong, and people will face trial and be sentenced here. But under the [extradition law] it only takes the chief executive’s signature for a person to be extradited to the mainland, or even North Korea. Removing the commercial crimes was just a move to put the business sector on the spot.

Farafaharatsiny, mitaky ny ny andininy faha-23 mba holaniana any Hong Kong ny lalàna, ary hiatrika fitsaràna sy hosaziana eto ny olona. Saingy eo ambanin'ny lalàna [fampodiana] dia ny sonian'ny lehiben'ny mpanatanteraka ihany no ilaina ho an'ny olona iray hampodiana any amin'ny tanibe, na Korea Avaratra mihitsy aza. Ny fanesorana ireo heloka bevava ara-barotra dia fanapahan-kevitra fotsiny mba hametraka ny sehatry ny fandraharahana amin'izany.

Nahitana ireo olo-malaza ambony maro avy amin'ny vondrona mpomba ny demokrasia ny diabe, anisan'izany ny Kardinaly Joseph Zen, ireo mpisolovava Martin Lee sy Margaret Ng, ary koa ny tompon'ny Apple Daily, Jimmy Lai.

Ireo tanora mpanao fihetsiketsehana kosa dia nahitana ny vondrona politika Demosisto, sy ireo solontenan'ny sendikàn'ny mpianatra ao amin'ny oniversite efatra ao an-toerana. Vondron'olona vitsivitsy ihany koa no nitondra sainam-pirenena mpomba ny fahaleovantena.

Nilaza tamin'ny HKFP Atoa Cheung, ray aman-dreny efa 40 taona izay nitondra ny zanany vavy fa manana tsy fahatokisana lehibe amin'ny rafi-pitsarana ao amin'ny tanibe izy.

There is no reason to trust that they will give us a fair trial,” he said. “Why are we lowering our standards so easily?

Tsy misy antony tokony hatokisana fa hanome fitsarana marina ho antsika izy ireo, “hoy izy. “Nahoana isika no mampihena mora foana ny fitsipika iainantsika?

Mpanao fihetsiketsehana iray hafa, izay tsy nety nanonona anarana, nilaza tamin'ny HKFP fa tsapany fa tsy dia manohana firy ny tontolon'ny fandraharahana ny governemanta.

Why does the government only react when [businesses] are scared? It is not right for them to have the power to demand specific crimes to be excluded.

Nahoana no rehefa matahotra ny [mpandraharaha] ihany no 2mihetsika ny governemanta? Tsy rariny ho azy ireo ny manana fahefana mitaky hanavaka heloka manokana.

Tamin'ny volana lasa, nilaza ny lehiben'ny mpanatanteraka, Carrie Lam fa natao hamenoana ny banga ao amin'ny lalàna efa misy ny volavolan-dalàna momba ny fampodiana, ary tsy tokony hiahiahy be loatra ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.