15 Marsa 2019

Tantara tamin'ny 15 Marsa 2019

Nabeel Rajab: Misioka avy any am-ponja!

GV Mpisolovava  15 Marsa 2019

Nosamborina indray i Nabeel Rajab, filohan'ny Foibe momba ny Zon'olombelona ao Bahrain, izay navotsotra vonjimaika tamin'ny herinandro lasa. Tahaka ny farany teo, nogadraina noho ny famoahana izay heverin'ny governemanta Bahrainita fa lahatsoratra manevateva tao amin'ny kaontiiny Twitter i Nabeel Rajab. Vokatr'izany, dia hogadraina mandritra ny 7 andro izy.

Ejypta: Nolavin'ny tribonaly miaramila ny fampiakarana fitsarana nataon'i Alaa Abdel

GV Mpisolovava  15 Marsa 2019

Nolavin'ny tribonaly miaramila ao Kairo tamin'ny (3 Nov) ny fampiakarana fitsarana napetrak'ilay bilaogera menavazana Alaa Abdel Fattah ho an'ny famotsorana azy eo am-piandrasana ny fanadihadiana. Nogadraina tamin'ny 30 Oktobra nandritra ny 15 andro i Abdel Fattah rehefa tsy nety nataon'ny  fitsarana miaramila fanadihadiana, ary nanizingizina ny zony hohadihadian'ny fitsarana sivily.

Iran: nosamborina indray i Khazali

GV Mpisolovava  15 Marsa 2019

Nitatitra i Shoorezar fa nosamborina indray tamin'ny herinandro lasa teo i Mehdi Khazali, bilaogera, mpamoaka lahatsoratra sady zanaka lahin'ilay mpitondra fivavahana malaza mpandala ny fivavahana sady mpikambana teo aloha tao amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina, Ayatollah Khazali.