Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mangorom-bolomboasary ny karnavalina tao Brezila ho fanoheran'ny vahoaka ny ‘Bolsogate’

Mpankafy karnavalina Tassiany Pereira mampiseho ny akanjony volomboasary tamin'ny fetibe tamin'ity taona ity. Sary: @ tassianypereira / Instagram, nahazoana alalana.

Tsy misy ifandraisany amin'ny fironana lamaody na fieboeboana tahaka an'i Carmen-Miranda: Nanao akanjo miloko volomboasary ireo Breziliana nilahatra teny an-dalamben'ireo tanàndehibe tamin'ny Karinavalina mba handefasana hafatra any amin'ny filoha Jair Bolsonaro.

Any Brezila, ny teny Portiogey manondro ny voasary, “laranja”, dia tenin-jatovo anondroana ireto paika fisolokiana ara-bola.

Paika roa no mahatafiditra ny filohan'i Brezila na ny fianakaviany – ny karazana tetikady kolikoly fahiny izay nampanantenainy fa hiadiany rehefa voafidy izy- voalaza fa nampiasa ny “laranjas”.

Tamin'ny volana Desambra 2018, nanokatra fanadihadiana an'i Fabricio Queiroz, polisy manamboninahitra misotro ronono sy naman'ny fianakaviana Bolsonaro hatry ny ela ka nahazo fandoavam-bola mampiahiahy nandritra ny 2016 sy 2017 tamin'izy mbola delàn'ny zanaka lahin'ny filoha, Flavio Bolsonaro, solombavambahoakan'ny fanjakana Rio de Janeiro tamin'izany fotoana izany (ary senatera ankehitriny ao amin'io fanjakana io ihany) ireo mpampanoa lalànan'ny fanjakana ao Rio de Janeiro. Nomen'ny aterineto Breziliana anarana hoe “Bolsogate” izany tantara manafintohina izany taty aoriana.

Ary tamin'ny volana febroary, nanambara ny gazety Folha de S. Paulo fa nahodin'ny antokon'ny filoha ny famatsiam-bola ho hanaovana fanentanam-panjakana ka nomeny ireo kandidà tsy nirotsaka mihitsy nandritra ny fifidianana 2018. Tao anatin'ity tantara nanafintohina ity, nandroaka ny iray tamin'ireo mpiara-miasa aminy akaiky, ny Sekretera Jeneralin'ny biraon'ny Filoha teo aloha, Gustavo Bebbiano, ny Filoha Bolsonaro.

Voasary manontolo aho #PSL
🍊🍊🍊🍊 #jairsorangeorchard #pslorangeorchard #orangecandidate #bolsonaro #queiroz #thisisusqueiroz #carnavalrj #carnaval2019

Ny raharaha Queiroz

Tamin'ny Desambra 2018, nanambara ny Vaomiera Mpanaramaso ny Hetsika Ara-bola (COAF), sampana mpanaramaso federaly fa 1,2 tapitrisa Breziliana reais – maherin'ny 300.000 dolara amerikana – no nalefa tao amin'ny kaonty bankin'i Queiroz fony izy mbola mpamily sy dekàn'ny solombavambahoakam-panjakana Flavio Bolsonaro. Mpiasa valo tao amin'ny kabinetran'i Flavio no nandoa vola tao amin'ny kaonty bankin'i Queiroz, izay nakan'ny tenany manokana ampaham-bola ary nanaovany fandoavam-bola iray – teo amin'ny 6 700 dolara amerikana – nankany amin'ny kaonty manokan'i Michelle Bolsonaro, vadin'ny filoham-pirenena ankehitriny.

Tsy mbola fantatra ny toerana nalehan'ny ankamaroan'ny vola. Monina amin'ny trano tsotsotra ao amin'ny faritra Rio, toa tsy nahazo tombony tamin'ireo vola ireo i Queiroz, noho izany, mety ho nisy “voasary” tao.

Mandritra izany, fandrotsaham-bola in-48 tamin'ny vola 2 000 reais (manodidina ny 500 dolara amerikana) no natao tsy nitonona anarana ho an'ny kaonty bankin'i Flavio Bolsonaro tamin'ny taona 2017, nalaina tamin'ny “milina fisintonam-bola (guichet automatique)” tao amin'ny Antenimieram-panjakana ao Rio de Janeiro avokoa izany. Tsy dia nilaza firy momba ireo vola somary kely kokoa ireo rafitra ara-bola, saingy nahatonga ireo mpanadihady mba hiahiahy hosoka ny momba ireo andianà fandrotsaham-bola natao tao anatin'ny minitra vitsy monja. Nilaza i Flavio fa mikasika ny famarotana efitrano ho an'ny namana iray ilay fandoavam-bola.

Ny teny ao amin'ny satrony:Tsy ho voasary velively ny sainam-pirenenay. “Tsy ho mena velively ny fanirianay” no teny filamatra iombonan'ireo mpandala ny nentin-drazana elatra havanana any Brezila.

Ray voasary, zanaka vavy matoatoa

Atao fanadihadiana ihany koa i Nathália, zanakavavin'i Queiroz, iray amin'ireo havany efatra nampiasain'i Jair Bolsonaro tenany fony izy mbola mpikambana tao amin'ny kongresy. Araka ny filazan'ny The Intercept Brasil, dia tsy mbola nanitsaka ny biraon'i Bolsonaro nandritra ny 22 volana izy kanefa tao anatin'ny lisitry ny mpandray karama ao amin'ny kabinetra (teo anelanelan'ny taona 2016 sy 2018). No sady tsy mpitsidika ihany koa.

Ahiahiana ho “mpiasa matotoa” izy, “olona iray ao anatin'ny lisitry ny mandray karama saingy tsy tena manao ny asa izay nanakaramana azy. Raha voamarina, dia tsy i Nathália no “mpiasa matotoa” voalohany mifandray amin'i Jair Bolsonaro. Tamin'ny taon-dasa, namoaka vaovao ny Folha de São Paulo fa misy mpiasa hafa mivarotra boaty “açaí” mandritra ny ora fiasany izay mihoatra ny arivo kilometatra miala ny renivohitra Brasilia.

Nampiantso an'i Queiroz mba hanazava ny zava-nisy hatramin'ny volana Desambra ireo mpanao famotorana. Vao tamin'ny faran'ny volana febroary ihany izy no nanao izany ary nanoratra: tamin'ny taratasy ho an'ny mpampanoa lalàna fa niezaka fotsiny “hanitatra” ny isan'ny mpiasa niasa ho an'i Flavio Bolsonaro izy, ary tsy fantatry ny Senatera izany. Tsy hita nandritra ny herinandro vitsivitsy i Queiroz ary avy eo tonga nilaza fa nampidirina hopitaly izy noho ny fitsaboana homamiadana. Tamin'ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra anefa, tsy nahatadidy ny anaran'ny dokotera na ny hopitaly nijanonany izy.

Tamin'ny volana Janoary 2019, nanambara ny gazety O Globo fa nampiditra ny havan'ilay polisy kapiteny misotro ronono izay ahiahiana tamin'ny famonoana ilay vehivavy mpanolotsaina Marielle Franco sy ny mpamiliny Anderson Gomes hiasa ao aminy i Flavio.

Ireo vehivavy voasary

Namoaka ny tantaran'ny volomboasary faharoa tamin'ny volana Febroary i Folha de São Paulo. Araka ny lalàm-pifidianana Breziliana, ny antoko politika rehetra dia tokony hanokana ny 30 isanjaton'ny volany ho an'ny kandidà vehivavy ho fitaovana hampitomboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy ao amin'ny sezan'ny mpanao lalàna.

Ahiahiana ho nampiasa vehivavy kandidà ho fitaovana hahazoana vola ho azy ireo ny olona avy ao amin'ny antokon'ny Bolsonaro PSL (izay mijoro ho Antoko Liberaly Sosialy). Toa nahafantatra ny momba ilay tetika ny roa tamin'ireo minisitra Bolsonaro, ary voaraoka nandritra ny fivoahan'ny tantara manafintohina ny iray tamin'izy ireo.

Mandritra izany, toa tsy faly amin'ny fihetsiketsehana sy ny fanalana azy amin'ny voasary midina eny an-dalambe ny filoha tenany. Tamin'ny Talata 5 Martsa, nisioka izy hoe:

Zava-dehibe toy ny toekarena ny manavotra ny kolontsaintsika, izay rava taorian'ny fitongilanan'ny governemanta sosialista am-polony taona. Hotohizantsika ny filaminana sy ny fandrosoana ho an'ny firenena. Miarahaba ny rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.