06 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 06 Febroary 2019

Bahrain: Ireo tranonkala marobe nasakanana

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Tranonkala marobe no nakatona tao Bahrain, taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao. Ny hetsika farany dia ahitana ny Google Translate, ireo vondrona ara-tsosialy, ara-pivavahana, ara-pôlitika sy zon'olombelona tsy azo nidiran'ny olona any Bahrain.

Shina: Fanesorana ireo vondrona antserasera (E-group) ao amin'ny Douban.com

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Voatery nanakatona ny sasany tamin'ireo vondrona antseraserany ny Douban.com,  iray amin'ireo tranonkala Web 2.0 malaza indrindra ao Shina noho ny fanentanana manohitra ny Smuts vao haingana. Na dia izany aza, ara-tsosialy sy ara-politika amin'ny endriny fa tsy baranahiny na tsy mendrika ny ankamaroan'ireo vondrona antserasera nofafana.

Nosivanina tsy araka ny tokony izy ny votoaty LGBT ao Hong Kong

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Nanao fikarohana tao Hong Kong [pdf Shinoa] tamin'ny volana Novambra 2008 tamin'ireo mpanivana ara-barotra sy mpanivana ara-panjakana lehibe ao Hong Kong ny vondrona mpiaro ny LGBT, leslovestudy. Nahita ity fikambanana tsy miankina ity fa voasivana amin'ny ampahany betsaka tao Hong Kong ireo votoaty LGBT marobe

Shina: Nividy ny tolotra Green Dam ny Google.cn?

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Nitatitra ilay bilaogera mandihy miaraka amin'ny G, nanonona loharanom-baovao avy amin'ny Google.cn fa nandany vola be tsy toko tsy forohana hividianana ny tolotra Green Dam ny orinasa mba hanatsarana ny fikarohana votoaty vetaveta. Araka ny filazan'ilay bilaogera, ny fanapahan-kevitry ny google.cn dia ny hanao fihavanana amin'ny manampahefana shinoa.

Iran: Nanomboka ny fitsarana ilay bilaogera sangany 

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina herinandro maromaro lasa izay noho ny fanoherana nipoaka tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 jona i Mohammad Ali Abtahi , bilaogera sangany sady mpanao politika reformista. Iray amin'ireo mpanao politika reformista malaza izay nanomboka notsaraina (androany) tao Teheran...

Nogadraina 19 taona sy tapany an-tranomaizina i Derakhshan

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny voalazan'ny Mashregh News dia voasazy higadra 19 taona sy tapany an-tranomaizina i Hossein Derakhshan, bilaogera Iraniana . Vakio bebe kokoa eto .