Shina: Nividy ny tolotra Green Dam ny Google.cn?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Nitatitra ilay bilaogera mandihy miaraka amin'ny G, nanonona loharanom-baovao avy amin'ny Google.cn fa nandany vola be tsy toko tsy forohana hividianana ny tolotra Green Dam ny orinasa mba hanatsarana ny fikarohana votoaty vetaveta. Araka ny filazan'ilay bilaogera, ny fanapahan-kevitry ny google.cn dia ny hanao fihavanana amin'ny manampahefana shinoa.

Fanampin'izany, nanaisotra ny sasany tamin'ireo asany momba ny fikarohana ny Google.cn, anisan'izany ny fikarohana ho an'ny votoaty any am-pitandranomasina sy ny fikarohana voambolana mifandraika amin'izany. Ireto ambany ireto ny pikantsary mampiseho ny fahasamihafana misy eo amin'ny pejin'ny fikarohana taloha sy ny ankehitriny ao amin'ny google.cn. (via google.org.cn)

google-china-past

google-china-now

Na dia miaro ny asa fitadiavana ao amin'ny google.cn manoloana ny hetsika fampielezan-kevitry ny CCTV aza ny mpiserasera, miha-maro ireo tranonkala vavahadin-tserasera sy tranonkalam-baovao namoaka fanehoan-kevitra sy tantara mitsikera ny google.cn ho “manapoizina” ny tanora amin'ny votoaty vetaveta. Ohatra, China Youth Daily Online nilaza betsaka momba ny fehin-kevitra tamin'ny tafatafan'ny CCTV ary nitsikera ny google.cn ho tsy tompon'andraikitra amin'ny fiarahamonina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.